< 傳道書 7 >

1 良好的聲譽勝於名貴的香液;死日勝於生日。
Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
2 往居喪的家去,勝於往宴會的家去,因為喪事是人人的結局,活人應將此事放在心上。
Tsara ny mankamin’ ny trano misy fisaonana noho ny mankamin’ ny trano misy fanasana; fa ho amin’ iny no hiafaran’ ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
3 悲哀勝於歡笑,因為愁容能使心靈舒暢。
Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.
4 智者的心是在居喪的家中,愚人的心是在歡笑的家中。
Ny fon’ ny hendry dia ao amin’ ny trano misy fisaonana; fa ny fon’ ny adala kosa dia ao amin’ ny trano misy fifaliana.
5 聽智者斥責,勝過聽愚人歌唱。
Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ ny adala.
6 愚人的歡笑,就像斧底荊棘的爆炸聲,但這也是空虛。
Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin’ ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ ny adala; zava-poana koa izany.
7 實在,壓榨使智者昏愚,賄賂能敗壞人心。
Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
8 事情的結局勝過事情的開端;居心寬容,勝過存心傲慢。
Tsara ny iafaran’ ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
9 你心裏不要輕易動怒,因為憤怒只停留在愚人胸中。
Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran’ ny adala.
10 你不要問:「為什麼昔日勝於今日﹖」因為這樣的詰問,不是出於智慧。
Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin’ ny fahendrena no anontanianao izany.
11 智慧與家產都好,對看見天日的人都有益,
Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an’ izay mahita masoandro izany.
12 因為受智慧的蔭庇與受金錢的蔭庇無異;但認識智慧的好處,是在於智慧賦與有智慧者生命。
Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ ny manana azy ny fahendrena.
13 你應觀察天主的作為:他所彎曲的,誰能使之正直﹖
Saino ny asan’ Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
14 幸福之日,你應歡樂,不幸之日,你應思慮:幸與不幸,都是天主所為;其目的是叫人不能察覺自己將來的事。
Amin’ ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin’ ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin’ Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan’ ny olona akory izay ho avy any aoriany.
15 在我虛度的歲月內,我見了許多事:義人在正義中夭亡,惡人在邪惡中反而長壽。
Izao rehetra izao dia efa hitako tamin’ ny androko mandalo foana: misy marina maty amin’ ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin’ ny haratsiany.
16 不要過於正義,也不要自作聰明,免得自趨滅亡。
Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
17 不要作惡無度,也不要糊塗太甚,免得你死非其時。
Aza ratsy loatra ianao, ary aza adala; nahoana no ho faty ianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
18 你的手最好把持這個,也不要放棄那個,因為敬畏天主的人,二者兼顧並重。
Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’ itsy; fa izay matahotra an’ Andriamanitra dia ho afaka amin’ izany rehetra izany.
19 智慧使智者的權勢,勝過本城十個有權勢的人。
Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
20 世上沒有一個只行善,而不犯罪的義人。
Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
21 你不要傾心去聽人說的一切閒話,免得你聽到你的僕人詛咒你;
Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao;
22 因為你心裏知道,你許多次也詛咒過別人。
fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
23 這一切我都用智慧追究過;我宣稱我將成個智者,然而智慧仍離我很遠。
Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin’ ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.
24 所有的事,既深遠,又玄奧,誰能窮究﹖
Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?
25 我又專心致力於認識、考察事物,尋求智慧和事理,得知邪惡就是昏愚,昏愚就是狂妄。
Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
26 我發覺女人比死亡還苦,她一身是羅網:她的心是陷阱,她的手是鎖鏈;凡博天主歡心的,必逃避她;但罪人卻被她纏住。
ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany; nefa izay ankasitrahan’ Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
27 訓道者說:看,這是我所發現的,一一加以比較,好探知事物的原理,
Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
28 對此我的心還在追求,但尚未找到:在一千男人中,我發現了一個;在所有的女人中,卻沒有發現一個。
Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin’ ny arivo; fa tao amin’ ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.
29 我發現的只有這一件事:天主造人原很正直,但人卻發明了許多詭計。
Indro, izao ihany no hitako: nataon’ Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.

< 傳道書 7 >