< 傳道書 4 >

1 我又轉目注視在太陽下所行的一切暴行:看,受壓迫者眼淚汪流,卻無人安慰;壓迫人者手中只有權勢,卻無人加以援助。
Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro; ary indro ny ranomason’ ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ ny tanan’ ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
2 於是我聲稱那已死去的人,比現今還活著的人更為有福。
Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona,
3 那還沒有出世的人,比這兩等人更為有福,因為他還沒有見到太陽下所行的惡事。
nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao atỳ ambanin’ ny masoandro akory.
4 我也看出各種勞苦和一切工作的技巧,都是出於人彼此間的競爭:這也是空虛,也是追風。
Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin’ ny fifampialonan’ ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
5 愚人交臂叉手,是自食己肉。
Ny adala manohon-tanana ka homana ny tenany.
6 捧一把安逸,勝過兩把勞苦和追風。
Tsara ny eran-tànan’ ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.
7 我又轉睛,看見在太陽下有件空虛的事:
Ary izao koa no zava-poana hitako atỳ ambanin’ ny masoandro:
8 有個孤獨無伴的人,既沒有兒子,又沒有兄弟,卻時常勞苦不息,他的眼總是貪得無厭,從來不問:「我辛辛苦苦,節制享樂,究竟是為誰﹖」這也是空虛和大不幸。
Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afa-po amin’ ny harena, hanaovany hoe: Ho an’ iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
9 兩人勝過一人,因為兩人工作,酬報優厚:
Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
10 若一個跌倒了,另一個可扶起自己的同伴。哀哉孤獨者! 他若跌倒了,沒有另一人扶起他來。
Raha misy lavo izy, dia arenin’ ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
11 又如兩人同眠,都感溫暖;若孤獨一人,怎能暖和﹖
Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
12 若一人抵不住一人,兩人就能抵住。--三股繩,不易斷。
Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
13 一個貧寒而明智的青年,勝過一個年老昏愚,而總不採納忠言的君王。
Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;
14 這青年雖在國中出身貧寒,但由獄中出來,執政為王;
fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin’ alahelo tamin’ ny fanjakany aza izy.
15 我看見一切在太陽下行走的活人,都擁護青年人,新繼位者,來代替老王。
Hitako ny miaina rehetra izay miriaria atỳ ambanin’ ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.
16 擁護他為領袖的人民,多得無數;但日後,那些後來的人卻不喜歡他:這也是空虛,也是追風。
Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.

< 傳道書 4 >