< 申命記 34 >

1 梅瑟由摩阿布曠野上了乃波山,上到耶里哥對面的丕斯加峰,上主就將全地指給他看:即由基肋阿得直到丹,
Dia niakatra niala teo Arbota-moaba Mosesy ka nankany an-tendrombohitra Nebo, ao an-tampon’ i Pisga, izay tandrifin’ i Jeriko. Ary nasehon’ i Jehovah azy ny tany Gileada rehetra hatrany Dana
2 納斐塔里和厄弗辣因及默納協全地,直達西海的猶大全境,
sy Naftaly rehetra sy ny tanin’ ny Efraima sy ny Manase sy ny tanin’ ny Joda rehetra hatramin’ ny ranomasina andrefana
3 乃革布和棕櫚城的耶里哥山谷盆地,直到左哈爾。
ary ny tany atsimo sy ny ao amin’ ny lohasahan’ i Jeriko, tanàna be rofia hatrany Zoara.
4 上主對他說:「這就是我對亞巴郎、依撒格和雅各伯誓許說我要給你後裔的土地。我讓你親眼看見,但你不能過去。」
Dia hoy Jehovah taminy: Io no tany izay nianianako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba hoe: Homeko ny taranakao izy; nataoko mahita azy ny masonao, nefa tsy ho tafita ho tonga eny ianao.
5 上主的僕人梅瑟遂死在那裏,按上主所預定的,死在摩阿布地。
Ary Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, dia maty teo amin’ ny tany Moaba araka ny tenin’ i Jehovah.
6 上主將他葬在摩阿布地,面對貝特培敖爾的一個山谷內;直到今日沒有人知道埋葬他的地方。
Ary naleviny tao an-dohasaha tao amin’ ny tany Moaba, tandrifin’ i Beti-peora, izy; ka tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
7 梅瑟死時,已一百二十歲;他的眼睛未花,精力也未衰退。
Efa roa-polo amby zato taona Mosesy vao maty; ary tsy pahina ny masony, na nihena ny heriny.
8 以色列子民在摩阿布曠野哀悼了梅瑟三十日。為梅瑟舉哀的日期滿了,
Ary ny Zanak’ Isiraely nisaona an’ i Mosesy telo-polo andro teo Arbota-moaba; dia tapitra ny andro fitomaniana nisaonana an’ i Mosesy.
9 農的兒子若蘇厄,因梅瑟曾按手在他身上,充滿了智慧之神;為此,以色列子民都聽從他,全照上主向梅瑟所吩咐的去行。
Ary Josoa, zanak’ i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena, fa efa nametrahan’ i Mosesy tanana izy; dia nihaino azy ny Zanak’ Isiraely ka nanao araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
10 以後在以色列中,再沒有興起一位像梅瑟一樣的先知,與上主面對面地來往;
Ary tsy nisy mpaminany intsony niseho teo amin’ ny Isiraely tahaka an’ i Mosesy, izay fantatr’ i Jehovah nifanatrika
11 至於上主派他在埃及地,向法郎,和他的一切臣僕,並向他全地所行的一切神蹟和奇蹟,
tamin’ ny famantarana rehetra sy ny fahagagana, izay nanirahan’ i Jehovah azy mba hataony tany Egypta tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra
12 以及他在全以色列眼前所行的一切大能作為,和一切令人畏懼的大事,也沒有人能與他相比。
ary tamin’ ny herin-tanana rehetra sy ny fampahatahorana lehibe rehetra, izay nasehon’ i Mosesy teo imason’ ny Isiraely rehetra.

< 申命記 34 >