< 申命記 27 >
1 梅瑟與以色列的長老吩咐人民說:「你們應遵守我今天吩咐你們的一切命令。
Ary Mosesy sy ny loholon’ ny Isiraely dia nandidy ny vahoaka ka nanao hoe: Tandremo ny lalàna rehetra izay andidiako anao anio.
2 在你們過約但河,進入上主你的天主賜給你的土地的那一天,應豎立幾塊大石,塗上石灰;
Ary amin’ ny andro izay hitànareo an’ i Jordana ho any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia manangàna vato lehibe ho anao, ka lalory sokay;
3 在你過河進入上主你的天主賜給你的地方,即上主你祖先的天主許給你的流奶流蜜的地方之後,要立即將這法律的一切話刻在上面。
dia soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, rehefa tafita ianao mba hiditra ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao taminao.
4 所以,你們一過了約但河,就該照我今日吩咐你們的,在厄巴耳山上豎立這些石頭,塗上石灰;
Ary rehefa tafita an’ i Jordana ianareo, dia atsangano ao an-tendrombohitra Ebala ireo vato ireo, izay nandidiako anareo andro any ka lalory sokay.
5 並在那裏給上主你的天主建築一座祭壇,一座未用斧鑿的石頭修的祭壇;
Ary manorena alitara ao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; vato no hataonao alitara, nefa aza pehim-by izy.
6 應用未加入人工的石頭建築上主你的天主的祭壇,在上面給上主你的天主奉獻全燔祭,
Vato tsy voapaika no hataonao alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao; ka manatera fanatitra dorana eo amboniny ho an’ i Jehovah Andriamanitrao.
7 祭獻和平祭,並在那裏設宴,在上主你的天主面前歡樂。
Ary manatera koa fanati-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.
8 在這些石頭上,應清清楚楚刻上這法律的一切話。」
Ary soraty amin’ ireo vato ireo ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, ka ataovy velona tsara ny soratra.
9 梅瑟和肋未司祭對全以色列人說:「以色列人! 你們應靜默細聽:你今天既成了上主你的天主的人民,
Dia niteny tamin’ ny Isiraely rehetra Mosesy sy ireo Levita mpisorona ka nanao hoe: Mangìna, ka mihainoa, ry Isiraely ô: androany no efa tonga firenen’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
10 就應聽從上主你的天主的話,遵行我今日給你吩咐的上主的誡命和法令。」
Koa henoy ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao, ary araho ny didiny sy ny lalàny, izay andidiako anao anio.
Dia nandidy ny vahoaka tamin’ izany andro izany Mosesy ka nanao hoe:
12 你們過了約但河以後,應站在革黎斤山上祝福人民的,是西默盎、肋未、猶大、依撒加爾、若瑟和本雅明;
Ireto no hijanona eo an-tendrombohitra Gerizima hitso-drano ny vahoaka, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo: dia ny Simeona sy ny Levy sy ny Joda sy ny Isakara sy ny Josefa ary ny Benjamina.
13 站在厄巴耳山上宣布詛咒的,是勒烏本、加得、阿協爾、則步隆、丹和納斐塔里。
Ary ireto kosa no hijanona eo an-tendrombohitra Ebala hanozona: dia ny Robena sy ny Gada sy ny Asera sy ny Zebolona sy ny Dana ary ny Naftaly.
Dia hiteny ny Levita ka hanao amin’ ny Isiraely rehetra amin’ ny feo mahery hoe:
15 那製造上主所憎惡的雕像或鑄像,並將匠人的作品,放在暗處的人,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina ny olona izay manao sarin-javatra voasokitra na sarin-javatra an-idina, izay fahavetavetana eo imason’ i Jehovah, asan’ ny tanan’ ny mahay tao-zavatra, ka mametraka azy ao amin’ ny takona. Dia hamaly ny vahoaka rehetra ka hanao hoe: Amena.
16 蔑視父親和母親的,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay manao tsinontsinona ny rainy na ny reniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
17 移動鄰人地界的,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay mamindra ny faritanin’ ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
18 領瞎子走錯路的,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay mampivily lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
19 侵犯外方人、孤兒和寡婦權利的,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay manao fitsarana miangatra amin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
20 與父親的妻子同寢的,是可咒罵的,因為他揭開了父親的衣襟。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay mandry amin’ ny vadin-drainy, fa mandry amin’ izay nandrian-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
21 與獸交合的,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay mandry amin’ ny biby. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
22 與同父異母,或同母異父的姊妹同寢的,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay mandry amin’ ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy, na ny zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
23 與岳母同寢的,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay mandry amin’ ny rafozani-vavy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
24 暗殺鄰人的,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay mamely ny namany ao amin’ ny takona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
25 接受賄賂去殺害無辜的,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay mandray kolikoly hahafaty olo-marina. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.
26 不堅持這法律的話而執行的,是可咒罵的。全體人民應答說:阿們。
Hozonina izay tsy mankatò ny tenin’ ity lalàna ity. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amena.