< 申命記 10 >
1 那時上主對我說:「你再鑿兩塊石版,與先前的一樣,然後上山到我跟前來;還要做一個木櫃。
Tamin’ izany andro izany no nilazan’ Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;
2 我要把你先前摔碎的那兩塊版上的話,寫在這兩塊版上。你要將這兩塊石版放在櫃裏。」
dia hosoratako amin’ ny vato fisaka ilay teny teo amin’ ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin’ ny fiara ireny.
3 我於是做了一個皂莢木櫃,鑿了兩塊與先前一樣的石版,手裏拿著這兩塊石版上山去了。
Dia nanao fiara tamin’ ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
4 上主將先前所寫的,即在集會之日,在山上由火中對你們所說的那十句話,寫在這兩塊版上,交給了我。
Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny afo tamin’ ny andro nivoriana; dia nomen’ i Jehovah ahy ireny.
5 我遂轉身下山,照上主吩咐我的,將版放在我做的櫃內,存在那裏。
Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin’ ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin’ ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian’ i Jehovah ahy.
6 以色列子民由貝洛特貝乃雅干起程,到了摩色辣,亞郎在那裏死了,也埋在那裏;他的兒子厄肋阿匝爾繼他做了大司祭。
Ary ny Zanak’ Isiraely nandeha niala tamin’ ny fantsakan’ i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan’ i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
7 又從那裏起程,到了古德哥達,又從古德哥達到了多溪水之地約特巴達。
Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.
8 那時,上主選拔了肋未支派,叫他們抬上主的約櫃,侍立在上主面前事奉他,並奉他的名祝福,直到今日。
Tamin’ izany andro izany no nanokana an’ i Jehovah ny firenen’ i Levy hitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy hijanona eo anatrehan’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anarany mandraka androany.
9 為此,肋未人同自己的兄弟沒有分得產業,因為照上主你的天主對他們所說的:上主自己是他們的產業。
Izany no tsy ananan’ ny Levita anjara na lova eo amin’ ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain’ i Jehovah Andriamanitrao taminy.
10 我如先前一樣,在山上逗留了四十天四十夜;上主這一次又俯聽了我,放棄了消滅你的意思。
Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin’ izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.
11 上主且對我說:「起來,在人民前面領路,叫他們去佔領我對他們祖先誓許要賜給他們的地方。」
Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan’ ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy.
12 以色列! 現今上主你的天主向你要求什麼﹖是要求你敬畏上主你的天主,履行他的一切道路,愛他,全心全靈事奉上主你的天主,
Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
13 遵守我今天吩咐你的天主的誡命和法令,好使你能獲得幸福。
hitandrina ny didin’ i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
14 看天與天上的天,地和地上的一切,都屬於上主你的天主;
Indro, an’ i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin’ izay rehetra eo aminy.
15 但上主只喜歡了你的祖先,鍾愛他們,由萬民中揀選了他們的後裔,就是你們,正如你們今日所見的一樣。
Kanefa ny razanao no niraiketan’ ny fitiavan’ i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin’ izao anio izao.
Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
17 因為上主你們的天主是萬神之神,萬主之主,偉大、有力、可畏的天主,是不顧情面,不受賄賂,
Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon’ ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan’ olona, na mandray kolikoly;
18 為孤兒、寡婦主持正義,友愛外方人,供給他們食糧和衣服的天主。
manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
19 為此,你們也應友愛外方人,因為你們在埃及也曾做過外方人。
Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo.
20 你應敬畏上主你的天主,事奉依賴他,奉他的名起誓。
Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
21 他是你的光榮,是你的天主,是他為你做了你親眼所見的奇異可畏的事。
Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan’ ny masonao.
22 你的祖先下到埃及時,總共不過七十人,現在上主你的天主卻使你多得有如天上的繁星。
Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon’ i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra ianao.