< 阿摩司書 9 >

1 [神視五:號上主消滅惡人無一倖免]我看見吾主站在祭壇旁,擊打柱帽,門限震動。衪說:「我要砍下他們眾人的頭,剩下的要用刀殺盡;他們中一個也逃不了,一個也不能幸免生存。
Nahita ny Tompo nitsangana teo anilan’ ny alitara aho, ka hoy Izy: Asio ny kapitaly hihetsiketsehan’ ny tokonana, ary torotoroy hianjera amin’ ny lohan’ izy rehetra, ka izay sisa aminy dia hovonoiko amin’ ny sabatra; Ary tsy hisy afa-mandositra izy, sady tsy hisy izay sisa ho afaka akory.
2 既使鑽入陰府,我的手必從那裏將他們揪出;既使飛上高天,我也必從那裏將他們拉下; (Sheol h7585)
Na dia mibosesika ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita aza izy, dia any no hanalan’ ny tanako azy; Ary na dia miakatra ho any an-danitra aza izy, dia avy any no hampidinako azy. (Sheol h7585)
3 既使藏在加爾默耳山頂,我必去搜尋,從那裏逮回;既使避開我的眼目逃入海底,我也必令蛟龍將他們咬死;
Ary na dia miery any an-tampon’ i Karmela aza izy, dia any no hitadiavako sy hangalako azy; Ary na dia manafin-tena any ambanin’ ny ranomasina aza izy, mba tsy ho hitan’ ny masoko, dia any no handidiako ny menarana, ka hanaikitra azy.
4 既使在敵人面前被擄去充軍,我必命刀劍殺死他們;我的眼注視他們,是為加害,不是為祝福。」
Ary na dia lasan-ko babo eo anoloan’ ny fahavalony aza izy, dia any no handidiako ny sabatra, ka hamono azy; Ary hampanandriniko azy ny masoko hahatonga ny loza aminy, fa tsy ny soa.
5 吾主上主一觸摸大地,大地就溶化,地上所有的居民便都哀號,全地泛濫有如尼羅,退落有如埃及大河。
Ary Jehovah, Tompon’ ny maro, no manendry ny tany, ka dia miempo izany, ka misaona ny mponina rehetra ao aminy; Ary dia hihatondraka tahaka an’ i Neily avokoa Izany, ary hihena indray izy toy ny Neilin’ i Egypta,
6 衪在高天建造了樓閣,在地上奠定了穹蒼,召海水傾流於地面,衪名叫「雅威」。
Ary manao ny tranony ambony any an-danitra Izy, sady manorina ny andohalambony eny ambonin’ ny tany; Ary miantso ny rano eny an-dranomasina ka mampilatsaka azy eny amin’ ny tany, Jehovah no anarany.
7 以色列子民! 你們對我豈不是像雇士子民﹖──上主的斷語──豈不是我由埃及領出了以色列,由加非托爾領出了培肋舍特人,由克爾領出了阿蘭人﹖
Moa tsy toy ny taranaky ny Etiopiana va ianareo raha amiko, ry Zanak’ Isiraely? hoy Jehovah. Tsy ny Isiraely va no nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta. Ary ny Filistina avy tany Kaftora, Ary ny Syriana avy tany Kira?
8 看,吾主上主的眼注視這犯罪的國家,我必由此地面上將她消滅。然而我不全然消滅雅各伯家──上主的斷語──
Indro, ny mason’ i Jehovah Tompo no manandrina ity fanjakana feno ota ity, ka dia hofongorako tsy ho eo ambonin’ ny tany izy; Kanefa tsy dia hofongorako avokoa ny taranak’ i Jakoba, hoy Jehovah.
9 看,我必下令,要在萬民中如人用篩子篩以色列,不讓一粒落在地上。
Fa, indro, Izaho no handidy, ka hosivaniko any amin’ ny firenena rehetra ny taranak’ Isiraely, tahaka ny fanasivana vary amin’ ny sivana; Nefa tsy hisy voam-bary ho latsaka amin’ ny tany na dia iray akory aza.
10 我百姓中那些人說:「災禍不會臨近,不會來到我們身上」的一罪人,都要死在刀下。
Sabatra no hamonoana ny mpanota rehetra amin’ ny oloko, dia ireo izay manao hoe: Ny loza tsy hanakaiky na hahatratra anay.
11 在那一天,我必樹起達味已塌蹋的帳幕,修補它的缺口,重建它的廢壚:使它重建有如往日,
Amin’ izany andro izany dia hatsangako indray ny trano-bongon’ i Davida izay efa nianjera, ary hotampenako ny efa banga ao; Ary hamboariko izay efa rava aminy, ka hataoko tahaka ny taloha izy,
12 使他們征服厄木田的遣民和屬於我名下的萬民──行這事的上主的斷語──
Mba hananany izay sisa amin’ i Edoma sy amin’ ny jentilisa rehetra, izay hantsoina amin’ ny anarako, hoy Jehovah, Izay manao izany.
13 看,時日將到,──上主的斷語──那時耕田的人要緊靠著收割的人,榨洒的人要緊靠著播種的人;山嶺要滴下新酒,丘陵都要溶化奔流。
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hahatraran’ ny mpiasa tany ny mpijinja, ary ny mpanosihosy voaloboka hahatratra ny mpamafy; Ny tendrombohitra hipoipoitra ranom-boaloboka, ary ny havoana rehetra hiempo.
14 我必要轉變我民以色列的命運,他們必要重建已荒廢的城市,再住在其中;栽植葡萄園,飲其中的美酒;耕種田園,吃其中出產。
Ary hampodiko ny Isiraely avy amin’ ny fahababoana, dia hanangana ny tanàna efa rava izy ka honina ao, ary hanao tanim-boaloboka izy ka hisotro ny divay avy aminy; Hanao saha koa izy ka hihinana ny vokatra.
15 我要將他們栽植在自己的地內,他們不會再從我賜與他們的地上被拔除──上主你的天主說。
Eny, hamboleko ao amin’ ny taniny izy, ka tsy hongotana amin’ ny taniny izay nomeko azy intsony izy, Hoy Jehovah Andriamanitrao.

< 阿摩司書 9 >