< 阿摩司書 7 >
1 [神視一:蝗災]吾主上主叫我看見這事:割完君王的青草,當晚草初生時,蝗蟲出現了。
Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, nanao ny valala tamin’ ny voalohan’ ny nitsimohan’ ny kolokolon’ ahitra Izy; ary, indro, kolokolon’ izay nojinjana ho an’ ny mpanjaka izany.
2 當蝗蟲要吃光地上的青草時,我就說:「吾主上主,求你饒恕吧! 雅各伯還怎能存在﹖他已這樣弱小! 」
Ary nony efa laniny avokoa ny zava-maniry amin’ ny tany, dia hoy izaho: Jehovah Tompo, mifona aminao aho mamelà heloka! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
3 上主對這事後悔了。上主說:「這事不會發生。」[神視二:旱災]
Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah.
4 吾主上主叫我看見這事:看,吾主上主召來懲罰的火,燒毀了廣大的深淵,又燒毀了上主的基業。
Izao no nasehon’ i Jehovah Tompo tamiko: Indro, Jehovah Tompo miantso hifandahatra hamely amin’ ny afo, ka nandevona ny lalina lehibe sy nila handany ny zara-lova izany.
5 我就說:「吾主上主! 求你罷休! 雅各伯還怎能存在﹖他已這樣弱小! 」
Dia hoy izaho: Jehovah Tompo, Mifona aminao aho, mitsahara! Hataon’ i Jakoba ahoana no fahajanona? Fa kely izy.
6 上主對這事後悔了。吾主上主說:「這事也不會發生。」[神視三:鉛垂線]
Nanenenan’ i Jehovah izany; Tsy hisy izany, hoy Jehovah Tompo.
7 吾主上主叫我看見這事:看,有一個人立在牆上,手中拿著一條鉛垂線。
Izao no nasehony ahy: Indro, ny Tompo nitsangana teo ambonin’ ny manda natao amin’ ny pilao, sady nisy pilao teny an-tànany.
8 上主對我說:「亞毛斯,你看見了什麼﹖」我答說:「一條鉛垂線。」吾主說:「看,我將鉛垂線安置在我民族以色列當中,我不再放過她。
Dia hoy Jehovah tamiko: Inona no hitanao, ry Amosa? Ary hoy izaho: Pilao. Dia hoy ny Tompo: Indro, hanisy pilao eo amin’ ny Isiraely oloko Aho, fa tsy handefitra aminy intsony;
9 依撒格的高丘必要荒蕪,以色列的聖所必要廢棄;我必起來攻擊雅洛貝罕家。」
Dia ho foana ny fitoerana avon’ Isaka, ary ho rava ny fitoera-masin’ Isiraely; Ary hitsangana Aho ka hamely sabatra ny taranak’ i Jeroboama.
10 那時,貝特耳司祭阿瑪責雅派人向以色列王雅洛貝罕說:「亞毛斯在以色列家中圖謀背叛你,國家再不能容受他的一切言論,
Dia naniraka tany amin’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, Amazia, ilay mpisorona tao Betela, nanao hoe: Amosa efa nanao tetika hikomy aminao teo amin’ ny taranak’ Isiraely, ary tsy zakan’ ny tany ny teniny rehetra,
11 因為亞毛斯這樣說:雅洛貝罕必死於刀下,以色列必被據去充軍,遠離本土。」
satria hoy Amosa: Ho fatin-tsabatra Jeroboama, ary hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa ny Isiraely.
12 事後,阿瑪責雅又向亞毛斯說:「先見者,你走吧! 趕快到猶大國去,在那裏餬口,在那裏講預言。
Ary hoy Amazia tamin’ i Amosa: Ry mpahita! andeha mandositra mankany amin’ ny tanin’ ny Joda ianao, ka mihinàna hanina any, ary maminania any;
13 在貝特耳不可講預言,因為這裏是君王的殿宇。」
fa aza maminany eto Betela intsony; fa fitoera-masin’ ny mpanjaka sy tranom-panjakana ity.
14 亞毛斯回答阿瑪責雅說:「我原不是先知,也不是先知的弟子,只是一個放羊兼修剪野無花果的人。
Dia namaly Amosa ka nanao tamin’ i Amazia hoe: Tsy mba mpaminany aho, na zanaka ny mpaminany; fa mpiandry ondry sy mpioty aviavy ihany aho,
15 但是,上主正在我趕羊時提了我來。上主對我說:你去向我的百姓以色列講預言吧!
saingy nalain’ i Jehovah tany ampiandrasana ondry ka nataony hoe: Mandehana, ka maminania amin’ ny Isiraely oloko.
16 現在你且聽上主說什麼。你說:不要講預言攻擊以色列,不要發言反對依撒格家!
Ka mba henoy ny tenin’ i Jehovah: Hianao manao hoe: Aza maminany ny hamelezana ny Isiraely, ary aza milaza ny hamelezana ny taranak’ Isaka;
17 為此,上主這樣說:你的妻子必在城中賣淫,你的子女必喪生刀下,你的田地必被人以繩墨瓜分,你m在不潔之地,以色列必被據去充軍,遠離本土。」
Koa izao no lazain’ i Jehovah: Ny vadinao hijangajanga ao an-tanàna, ary ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ho lavon-tsabatra, Ary ny taninao hozaraina amin’ ny famolaina; Ary ny tenanao ho faty any amin’ ny tany maloto; Ary ny Isiraely hobaboina hiala amin’ ny taniny tokoa.