< 阿摩司書 6 >
1 那些安身熙雍,自恃撒馬黎雅山,自命為諸民之首,為以色列家所歸之人,是有禍的!
Lozan’ ireo miadana ao Ziona sy ireo matokitoky foana ao an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ireo malaza eo amin’ ny firenena malaza indrindra sady hatonin’ ny taranak’ Isiraely.
2 你們去加耳乃觀察一下,從那裏到大哈瑪特,然後下到培肋舍特人的加特,看你們是否比這些國更好﹖或者你們的疆域比她們的更廣大,
Mankanesa any Kalne ianareo, ka mijere, dia mandrosoa ihany ho any Hamata lehibe; Ary midìna ho any Gatan’ ny Filistina; Tsara noho ireo fanjakana ireo va izy? Sa lehibe noho ny tanin’ ireo va ny taninareo?
Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
4 他們躺在躺象牙上床上,棋橫臥在軟榻上,吃著羊群中的羔羊和牛欄中的牛犢,
Dia ireo izay mandrimandry ao amin’ ny farafara ivoriny sy mitsilailay eo amin’ ny fandriandriany ary homana ny zanak’ ondry avy amin’ ny andian’ ny ondry sy ny zanak’ omby avy ao am-pahitra,
Dia ireo izay mivovo foana manaraka ny feon-dokanga ary mamorona zava-maneno toy ny nataon’ i Davida,
6 大碗喝酒,以上等的油抹身,但對若瑟的崩潰,卻漠不關心。
Dia ireo izay misotro divay amin’ ny lovia famafazana sady mihosotra diloilo tsara Indrindra, nefa tsy onena ny fahasimban’ i Josefa.
7 為此,這些人現在就要先被擄去;放蕩不羈者的狂歡,也就完了。
Koa amin’ izao dia ho voalohany amin’ izay hobaboina ireo, ary hatsahatro ny hobin’ izay mitsilailay foana.
8 吾主上主指著自己起誓──上主萬軍的天主的斷語──我厭惡雅各伯的驕傲,痛恨他的宮殿;我必將城和城中所有有的一切交出。
Jehovah Tompo dia efa nianiana tamin’ ny tenany, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro: Fahavetavetana eo anatrehako ny reharehan’ i Jakoba, ary halako ny tranobeny; Koa dia hatolotro ny tanàna mbamin’ izay rehetra ao anatiny.
Ary raha hisy folo lahy sisa ao an-trano iray, dia samy ho faty ireo.
10 倖免的少數親友,由屋內抬出他們的骨骸,問那內室深處的人說:「還有人同你在一起嗎﹖」他必說:「沒有了。」繼而說:「不要作聲,千萬不要提上主的名字! 」
Ary ny havan’ izay maty, na izay handevina azy, dia hambeta azy ka hitondra ny faty hiala ao an-trano, dia hiteny amin’ izay ao anaty trano hoe: Mbola misy ihany va ato aminao? Ary raha hoy izy: Tapitra! Dia hovaliana hoe: Mangìna re! fa tsy tokony hotonenina ny anaran’ i Jehovah.
11 看,上主一下令,高樓大廈頓成瓦礫,矮小平房蕩然無存。
Fa, indro, Jehovah no mandidy, ka horavana ny trano lehibe, ary hotresatresahina ny trano madinika.
12 馬豈能在懸崖上奔馳,牛豈能在海上耕作﹖你們竟將公道變為毒藥! 將正義之果變為苦藥!
Mihazakazaka eny amin’ ny sola-bato va ny soavaly. Misy olona mampihosy omby va eny, no efa navadikareo ho zava-mangidy ny rariny, ary ny vokatry ny fahamarinana ho zava-mahafaty?
13 你們為了羅德巴爾而自鳴得意,且說:「我們豈不是靠自己的力量取得了卡爾納殷﹖」
Dia ianareo izay mifaly amin’ ny zava-poana ka manao hoe: Moa tsy ny herinay va no ahazoanay tandroka ho anay?
14 然而,以色列家! 看,我必要喚起一個民族來攻打你們,──上主萬軍的天主的斷語──從哈瑪特關口蹂躪你們直到阿辣巴河。
Fa, indro, hanangana firenena hamely anareo Aho, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro, dia hampahory anareo hatrany akaikin’ i Hamata izy ka hatramin’ ny lohasahan-driaka any amin’ ny tani-hay.