< 阿摩司書 2 >

1 上主這樣說:「為了摩阿布再三再四犯罪,我不收回成命,因為他們曾將厄東的骨骸焚化成灰。
Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Moaba, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nodorany ho sokay ny taolan’ ny mpanjakan’ i Edoma;
2 我必將火投於摩阿布,燒盡克黎約特的王宮;摩阿布必在騷嚷、吶喊和號角聲中滅亡。
Fa hataoko afo ao Moaba, ka handevona ny tranoben’ i Kiriota izany; Ary Moaba ho faty amin’ ny tabataba sy amin’ ny akora ary ny fanenon’ ny anjomara;
3 我必由其中消滅民長,將她的一切長官同她一起殺死」──上主說。
Ary hofoanako tsy hisy mpitsara ao aminy, ary hiaraka hovonoiko izy sy ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.
4 上主這樣說:「為了猶大再三再四犯罪,我不收回成命,因為他們離背了上主的法律,沒有遵守衪的誡命;他們祖先所追隨的邪神,使他們走入了岐途。
Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Joda, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nataony tsinontsinona ny lalàn’ i Jehovah, ary ny didiny tsy notandremany, ary nampahadiso azy ny laingany, izay fanaon’ ny razany;
5 我必把火投於,燒盡耶路撒冷的王官」
Fa haterako afo ao Joda, ka handevona ny tranoben’ i Jerosalema izany.
6 上主這樣說:「為了以色列再三再四犯罪,我不收回成命,因為他們為了銀錢出賣人;為一雙鞋,出賣無辜的人。
Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ Isiraely, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria namidiny volafotsy ny olona marina sy kapa iray lomisy ny malahelo,
7 他們把窮人的頭踏在塵土裏,侵奪卑微人的權利;兒子與父親走近同一少女,以致褻瀆我的聖名;
Ary mihanahana mitsiriritra ny vovo-tany eo an-dohan’ ny malahelo izy sady mamily ny alehan’ ny mpandefitra, ary olona mianaka dia samy mandry amin’ ny zazavavy iray ihany mba handoto ny anarako masìna;
8 他們靠近每個祭壇,躺在抵押者的衣服上,在他們的神廟內喝剝削來的酒。
Amin’ ny lamba azony tamin’ ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan’ ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin’ ny sazy ao an-tranon’ ireo andriamaniny izy.
9 是我由你們面前消滅了阿摩黎人,他們雖高大似香柏,堅固如橡樹,但我仍從樹上摘去了果實,由樹下拔出了根子。
Nefa Izaho no nandringana ny Amorita teo anoloany, dia olona izay lava tsanganana toy ny hazo sedera sy natanjaka toy ny ôka; Eny, nosimbako ny voany teny ambony sy ny fatany tao ambany.
10 是我由埃及國領你們上來,四十年之久引你們經過曠野,使你們佔領了阿摩黎人的國土。
Ary Izaho no nitondra anareo niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitari-dalana anareo efa-polo taona tany an-efitra, mba handovanareo ny tanin’ ny Amorita,
11 是我從你們的子孫中立了一些人為先知,由你們少年中選拔了一些人作獻身者。以色列子民,是不是這樣呢﹖──上主的斷語。
Ary ny zanakalahinareo nisy natsangako ho mpaminany, ary ny zatovonareo ho Nazirita. Tsy izany va no izy, ry Zanak’ Isiraely? hoy Jehovah.
12 但是,你們竟叫獻身者喝酒,又吩咐先知說:「別傳神言! 」
Kanjo nampisotroinareo divay ny Nazirita, ary ny mpaminany noraranareo hoe: Aza maminany.
13 看,我要使你們腳下的地搖蕩,好像車搖蕩一樣,
Indro, Izaho no hitambesatra aminareo toy ny fitambesatry ny sariety feno amboara.
14 以致疾行者無法逃遁,強有力者無法施展,武士救不了自己,
Koa tsy ho afa-mandositra ny faingam-pandeha, ny mahery tsy hampiseho hery, ary ny lehilahy mahery tsy hahavonjy ny ainy;
15 弓手不能屹立,捷足者不能逃脫,騎馬者不能自救。
Izay mitana tsipìka tsy hahajanona, ary ny faingan-tongotra tsy hahavonjy tena, izay mitaingin-tsoavaly tsy hahavonjy ny ainy;
16 在那一天,武士中最勇敢的,也僅能赤身逃走」──上主的斷語。
Ary na dia izay sahy ao amin’ ny mahery aza dia handositra mitanjaka amin’ izany andro izany, hoy Jehovah.

< 阿摩司書 2 >