< 撒母耳記下 5 >
1 以色列各支派聚集到赫貝龍,來見達味說:「看,我們都是你的骨肉。
Dia tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona ny firenen’ Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
2 以前,連撒烏耳當我們的君王時,也是你率領以色列出入征討;上主曾對你說過:你應牧養我的百姓以色列,作以色列的領袖。」
Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
3 隨後,以色列所有的長老都到赫貝龍來見君王,達味君王就在赫貝龍,當上主的面同他們立了盟約;他們便給達味傅油,立他為以色列王。
Eny, tonga tao amin’ ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan’ i Jehovah; ary dia nanosotra an’ i Davida ho mpanjakan’ ny Isiraely izy.
Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
5 在赫貝龍做猶大王,七年零六個月;在耶路撒冷做全以色列和猶大王三十三年。
Tao Hebrona no nanjakany tamin’ ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin’ ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
6 以後,達味和他的人向耶路撒冷進發,攻打住在那地方的耶步斯人,有人告訴達味說:「你決攻不進去,因為瞎眼瘸腿的也會把你趕走。」這是說:「達味決攻不進去。」
Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin’ ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.
Kanjo afak’ i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan’ i Davida izany).
8 那日達味宣佈說:「凡攻打耶步斯人,從水道首先到達味所惱恨的那些瘸腿瞎眼的人那裏的,他要升為軍長和元帥。」責魯雅的兒子約阿布首先上去了,因而成了元帥。但為此有句俗語說:「有瞎眼瘸腿的在此,人是進不去的! 」
Ary hoy Davida tamin’ izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin’ ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan’ ny fon’ i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
9 達味住在那山堡內,稱之為達味城。達味又從米羅往裏,四周加建了城牆。
Dia nitoetra tao anatin’ ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan’ i Davida. Ary narafitr’ i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin’ ny ao anatiny.
Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
11 提洛王希蘭派使臣來見達味,給他送來了香柏木,派來了木匠石匠,為他建造宮室。
Ary Hirama, mpanjakan’ i Tyro, naniraka olona tany amin’ i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an’ i Davida ireo.
12 那時,達味知道上主已堅定他為以色列王,並為了自己的百姓以色列,提高了他的王位。
Dia fantatr’ i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan’ ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin’ ny Isiraely olony.
13 達味從赫貝龍遷來以後,在耶路撒冷又娶了妻妾,生了一些子女。
Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak’ i Davida.
14 他在耶路撒冷所生兒子的名字如下:沙慕亞、芍巴布、納堂、撒羅滿、
Ary izao no anaran’ ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia
sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.
17 培肋舍特人聽說:達味受傅作了以色列王,遂都上來向達味尋釁;達味一聽說,便下到堡壘中。
Koa nony ren’ ny Filistina fa efa nohosoran’ ny olona ho mpanjakan’ ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren’ i Davida izany dia nidina tao amin’ ny batery fiarovana izy.
Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
19 那時達味求問上主說:「我可以上去攻打培肋舍特人嗎﹖你將他們交在我手中嗎﹖」上主回答達味說:「你上去,我必將培肋舍特人交在你手中。」
Ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin’ i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
20 達味於是來到巴耳培辣親,在那裏擊敗了他們。達味因此說:「上主使我的敵人在我面前崩潰,如水破堤。」為此,後人稱這地方為巴耳培辣親。
Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran’ izany tany izany hoe Bala-perazima.
21 培肋舍特人把自己的神像都遺棄在那裏,達味和他的人便將這些神像都帶走了。
Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan’ i Davida sy ny olony ireny.
Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta.
23 達味又求問上主,上主說:「不要上去,但要繞到他們後方,從桑林那邊抄他們的後路。
Ary nanontany tamin’ i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin’ ny tandrifin’ ny hazo balsama.
24 當你聽到桑樹梢上有腳步聲時,你就趕快行動,因為那時正是上主在你前面出擊培肋舍特人的軍隊。」
Ary raha toa mahare fingadongadon’ olona eny amin’ ny tendron’ ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin’ izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan’ ny Filistina.
25 達味就照上主所命的行了,擊殺培肋舍特人,從基貝紅直到革則爾。
Ary dia nanao araka ny nandidian’ i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin’ i Gazera izy.