< 撒母耳記下 13 >
1 此後,還發生了一件事:達味的兒子阿貝沙隆有個妹妹,名叫塔瑪爾,很是美麗,達味的兒子阿默農很愛她。
Ary nony afaka izany, dia nisy toy izao: Absaloma, zanak’ i Davida, nanana anabavy tsara tarehy, Tamara no anarany; ary tia azy Amnona, zanak’ i Davida.
2 阿默農為了他妹妹塔瑪爾的緣故,竟憂愁悶成疾;因為她還是處女,所以在阿默農看來,對她行事幾乎不可能。
Ary Amnona nalahelo ka matiny ihany noho Tamara anabaviny; fa virijina izy, ka sarotra tamin’ i Amnona ny haka azy.
3 阿默農有個朋友,名叫約納達布,是達味的兄弟史默亞的兒子。約納達布是一個很狡滑的人。
Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
4 他向阿默農說:「太子,為什麼你一天一天如此萎靡不振﹖你不肯告訴我嗎﹖」阿默農回答說:「我愛上我兄弟阿貝沙隆的妹妹塔瑪爾」。
Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan’ andro isan’ andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an’ i Tamara, anabavin’ i Absaloma rahalahiko, aho.
5 約納達布向他說:「你在躺床裝病,你父親來看你時,你就對他說:我很希望我的妹妹塔瑪爾來,給我準備食物,她要在我眼前準備,叫我看看著,並且由她手中取食。
Ary hoy Jonadaba taminy: Mandria eo amin’ ny fandrianao ianao, ka modia marary; ary raha avy mamangy anao rainao, dia ataovy aminy hoe: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko mba ho avy hampihinan-kanina ahy ary hanao ny nahandro eto imasoko mba ho hitako ka hihinanako ny avy eny an-tànany.
6 阿默農就臥床裝病,君王來看他時,阿默農向君王說:「求你叫我妹妹塔瑪爾來,在我前做兩塊餅,好叫我從她手中取食」。
Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
7 達味就派人到塔瑪爾房中說:「請妳到妳哥哥房裏去,給他準備食物」。
Ary Davida naniraka nankany amin’ i Tamara any an-tranony nanao hoe: Mankanesa kely any an-tranon’ i Amnona anadahinao, ka manaova nahandro ho azy.
8 塔瑪爾到了她哥哥阿默農房裏,他正躺在床上。她取了麵,在他眼前和好,烤成餅。
Dia nandeha Tamara nankany an-tranon’ i Amnona anadahiny; ary nandry ny anadahiny. Dia naka koba razazavavy, ka nofetafetainy ary nataony mofo teo imasony, ary nendasiny ny mofo.
9 她就拿過鍋來,在他面前將餅倒出,他卻推辭不吃。阿默農說:「妳叫眾人都由面前出去」。眾人就都由他面前出去了。
Dia noraisiny ny fanendasana, ka narosony teo anoloany; fa tsy nety nihinana izy. Ary hoy Amnona: Avoahy ny olona rehetra. Dia nivoaka ny olona rehetra.
10 阿默農對塔瑪爾說:「妳給我把食物拿到內室來,好叫我由妳手中取食」。塔瑪爾拿著她做的餅,進了內室,送到她哥哥阿默農前。
Ary hoy Amnona tamin’ i Tamara: Ento atỳ amin’ ny efi-trano ny nahandro hihinanako ny avy eny an-tananao. Dia nalain’ i Tamara ny mofo nataony ka nentiny tao amin’ ny efi-trano tao amin’ i Amnona anadahiny.
11 她正遞給他時,他就抓住她說:「我的妹妹,來與我同寢! 」
Ary nony nentiny tao aminy hohaniny izany; dia nihazona an’ i Tamara izy ka nanao taminy hoe: Avia handry amiko, ranabaviko.
12 她回答說:「我的哥哥! 不可這樣,不要作賤我! 在以色列不應作這樣 木事,不要作這愚蠢的事!
Ary hoy ny anabaviny: Sanatria, ranadahy! Aza misavika ahy; fa tsy fanao eto amin’ ny Isiraely izany; aza manao izany zavatra fady indrindra izany ianao.
13 我帶著這恥辱到哪裏去呢﹖你在以色列也成了一個愚妄人。請你向君王說明,他決不會拒絕使我屬於你的! 」
Ary ny amiko, ho entiko aiza moa ny henatro? Ary ianao koa ho toy ny anankiray amin’ ny adala eto amin’ ny Isiraely. Koa trarantitra ianao, lazao amin’ ny mpanjaka; fa tsy hisakana ahy tsy ho anao izy.
Nefa tsy nety nihaino ny feon-drazazavavy izy, fa natanjaka noho izy, dia nisavika azy ka nandry taminy.
15 事後,阿默農立即十分憎恨她,並且他如今對她的憎恨,遠超過以前對她的愛戀,就向她說:「起來,走吧! 」
Ary dia halan’ i Amnona indrindra izy, ka ny fankahalany azy dia be lavitra noho ny fitiavany azy taloha. Dia hoy Amnona taminy: Mitsangàna, mandehana.
16 她答說:「我的哥哥,那不可以。氮趕我走,比你對我所行的,更為無理! 」他卻石聽從她,
Ary hoy izy taminy: Aza dia manao ratsy mandroaka ahy ianao, fa ratsy noho ny zavatra hafa nataonao izao. Nefa tsy nety nihaino azy izy.
17 就叫服侍自己的僕人來,向他說:「把這女人從我這裏趕出去! 她走後,隨鎖上門! 」
Dia niantso ny zatovony izay nanompo azy izy ka nanao hoe: Esory hiala eto amiko ity vehivavy ity, ka hidio ny varavarana, rehefa tafavoaka izy.
18 她那時穿著彩色長衣,因為君王的女兒,在未出嫁以前,昔日都是如此裝束。他的僕人將她趕出去,隨後鎖上了門。
Ary niakanjo akanjo lava razazavavy; fa izany no fanaon’ ny zanakavavin’ ny mpanjaka ho akanjo ambony, raha mbola virijina izy. Dia navoakan’ ilay ankizilahy izy, ka nohidiany ny varavarana, nony tafavoaka izy.
19 塔瑪爾把灰撒在頭上,撕破自己所穿的彩色長衣,雙手抱著頭,一路邊哭邊走。
Ary nasian’ i Tamara lavenona ny lohany, sady notriariny ny akanjo lava izay niakanjoany, dia niloloha tanana izy, sady nitomany nidradradradra teny am-pandehanana.
20 她的哥哥阿貝沙隆問她說:「莫非妳的哥哥阿默農與妳同寢了﹖妹妹,暫且不要出聲,因為他是好的兄弟,不可把這事放在心上! 」塔瑪爾從此就憂悶不樂,住在她哥哥阿貝沙隆家裏。
Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangìna ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon’ i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
21 達味聽說了這一切事,十分生氣;怛他不願傷他兒子阿默農的心,因為他是長子,格外愛他。
Fa nony ren’ i Davida mpanjaka izany zavatra rehetra izany, dia nirehitra ny fahatezerany.
22 至於,無論好話歹話,一句也不向阿默農說。他惱恨阿默農,因為他污辱了他妹妹塔瑪爾。
Ary Absaloma tsy nifampiteny tamin’ i Amnona rahalahiny akory na soa na ratsy; fa halan’ i Absaloma izy noho ny nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
23 過了兩年,當阿貝沙隆在厄弗辣因的巴耳哈祚爾剪羊毛的時節,阿貝沙隆邀請了君王所有的兒子。
Ary nony afaka roa taona ngarangidina, dia nampanety ondry teo Bala-hazora ao akaiky an’ i Efraima Absaloma, ka nanasa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra izy.
24 阿貝沙隆來到君王前說:「看,你的僕人剪羊毛的時節,請君王帶著臣僕都到你僕人那裏去! 」
Ary nankao amin’ ny mpanjaka Absaloma ka nanao hoe: Indro, mampanety ondry ny mpanomponao; koa trarantitra ianao, aoka ny mpanjaka sy ny mpanompony handeha hiaraka amiko mpanomponao.
25 君王回答阿貝沙隆說:「我兒,不必如此! 我們不必都去麻煩你」。他雖然懇求,君王仍不願去,只祝福了他。
Fa hoy ny mpanjaka tamin’ i Absaloma: Tsia, anaka, aoka tsy handeha avokoa izahay rehetra, fandrao mahavaky tratra anao. Fa Absaloma nanery azy ihany; nefa tsy nety nandeha izy, fa nitso-drano azy ihany.
26 阿貝沙隆便說:「至少讓我的兄弟阿默農同我們一起去! 」君王回答說:「為什麼要他同你一起去﹖」
Dia hoy Absaloma: Raha tsy izany ary, trarantitra ianao, aoka Amnona rahalahiko no handeha hiaraka aminay. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ahoana no hiarahany aminao?
27 阿貝沙隆還是再三懇求,達味便派阿默農和君王所有的兒子,同他一起去了。阿貝沙隆擺設筳席,好像御筳。
Fa nanery azy Absaloma, ka dia nalefany Amnona sy ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra handeha hiaraka aminy.
28 阿貝沙隆吩咐僕人說:「你們要注意! 阿默農暢飲的時候,我向你們說:刺死阿默農! 你們就打死他,不要害怕,是我吩咐了你們,要大膽勇敢」。
Ary Absaloma nanome teny ny zatovony hoe: Miomàna tsara, fa rehefa faly ny fon’ i Amnona azon’ ny divay, ka lazaiko aminareo hoe: Asio Amnona, dia ataovy maty izy, fa aza matahotra; tsy izaho va no nanome teny anareo? Matokia, aoka hiseho ho lehilahy mahery ianareo.
29 阿貝沙隆的僕人,就照他所吩咐的,對阿默農做了。君王所有的兒子遂起來,各自騎上騾子逃跑了。
Ary ny zatovon’ i Absaloma nanao tamin’ i Amnona araka ny teny nomen’ i Absaloma azy. Dia nitsangana avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra, ary samy nitaingina ny ampondrany ka nandositra.
30 他們還在路上,消息已傳到達味前說:「阿貝沙隆殺了君王所有的兒子,沒有一個幸免」。
Ary raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia tonga tao amin’ i Davida ny filazana hoe: novonoin’ i Absaloma avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka, ka tsy nasiany miangana na dia iray akory aza.
31 君王便起來,撕裂了自己的衣服,俯伏在地;他身邊的臣僕,也都撕裂了自己的衣服。
Dia nitsangana ny mpanjaka ka nandriatra ny fitafiany, dia nandry tamin’ ny tany; ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo, samy voatriatra avokoa ny fitafiany.
32 達味的兄弟史默亞的兒子說道:「我主不要想:所有的青年,君王所有兒子都被殺了;其實只有阿默農一人死了。自從阿默農污辱了他的妹妹塔瑪爾那日起,阿貝沙隆就決定了這事。
Ary Jonadaba, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida, nanao hoe: Aoka ny tompoko tsy hanao hoe: Matiny avokoa ny zatovo rehetra, zanakalahin’ ny mpanjaka; fa Amnona ihany no maty; fa Absaloma efa nifofo azy hatramin’ ny andro nisavihany an’ i Tamara anabaviny.
33 主君王,且不要將這事放在心上,以為君王所有的兒子都死了,因為只有阿默農一人死了」。
Koa aoka ny mpanjaka tompoko tsy hieritreritra am-po fa maty avokoa ny zanakalahin’ ny mpanjaka rehetra; fa Amnona ihany no maty.
34 逃走了。守衛的僕人舉目一望,看見在往曷洛納因山坡的路上,有一大群人下來。守衛的就去報告君王說:「我看見一群人,從曷洛納因山坡的路上下來了」。
Fa Absaloma nandositra. Ary ny zatovo mpitily nanopy ny masony ka nahita fa, indreo nisy olona maro avy teo ivohony, teo anilan’ ny tendrombohitra.
35 約納達布就向君王說:「看,執行的兒子回來了,正如你僕人所說的,現在實現了」。
Ary hoy Jonadaba tamin’ ny mpanjaka: Indreo, avy ny zanakalahin’ ny mpanjaka, dia araka ny nolazain’ ny mpanomponao tokoa.
36 他剛說完這話,君王的兒子都來到了,放聲大哭;君王和眾臣僕也都號咷痛哭。
Ary nony efa voalazany izany teny izany, dia indreo, tonga ny zanakalahin’ ny mpanjaka, ary nanandratra ny feony izy ka nitomany; ary ny mpanjaka sy ny mpanompony dia mba nitomany mafy dia mafy koa.
37 同時,阿貝沙隆逃到革叔爾王阿米胡得的兒子塔取買那裏去了。君王天天哀悼自己的兒子。
Fa Absaloma nandositra nankany amin’ i Talmay, zanakalahin’ i Amihoda, mpanjakan’ i Gesora. Ary nisaona ny zanany mandrakariva Davida.
Ary Absaloma efa nandositra nankany Gesora ka nitoetra tany telo taona.
39 此時,君王的心漸漸不再惱怒阿貝沙隆,對阿默農的死,也不再難過了。
Ary Davida mpanjaka naniry hivoaka hankany amin’ i Absaloma; fa nionona izy noho ny amin’ i Amnona, satria efa maty izy.