< 列王紀下 3 >
1 猶大王約沙法特十八年,阿哈布的兒子耶曷蘭在撒瑪黎雅登極作以色列王,在位凡十二年。
Ary Jorama, zanak’ i Ahaba, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria tamin’ ny fahavalo ambin’ ny folo taona nanjakan’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ary nanjaka roa ambin’ ny folo taona izy.
2 他行了上主視為惡的事,不過還不像他的父親和母親那樣壞,因此他除去了他父親所立的巴耳神柱,
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton’ i Bala izay nataon’ drainy izy;
3 只是對乃巴特的兒子雅洛貝罕使以色列陷於罪過的事,仍戀戀不捨,從未脫離。
nefa izy nikikitra tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin’ izany.
4 摩阿布人默沙原是一個以畜牧為業的人,他經常以十萬隻羔羊和十萬隻公山羊毛,巷以色列王進貢;
Ary Mesa, mpanjakan’ i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia zanak’ ondry iray hetsy sy ny volon’ ondrilahy iray hetsy.
Fa rehefa maty Ahaba, dia niodina tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ny mpanjakan’ i Moaba.
6 那時,耶曷蘭王從撒瑪黎雅出來,檢閱全以色列人,
Ary Jorama mpanjaka nivoaka avy tany Samaria tamin’ izany andro izany ka nandamina ny Isiraely rehetra.
7 以後派使者去見猶大王約沙法特說:「摩阿布王背叛了我,你願意同我一起去攻打摩阿布嗎﹖」約沙法特說:「願意去;你怎樣,我也怎樣;我的人民就如同是你的人民,我的馬就如同是你的馬。」
Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan’ i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
8 約沙法特接著問說:「我們從哪條路上去﹖」耶曷蘭答說:「從厄東曠野那條路。」
Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr’ i Edoma.
9 於是以色列王、猶大王和厄東王出發,繞道而行,七天以後,軍隊和隨行的一大隊牲畜沒有水喝。
Dia nandeha ny mpanjakan’ ny Isiraely sy ny mpanjakan’ ny Joda ary ny mpanjakan’ i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an’ ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny.
10 以色列王說:「哎! 上主召集這三個王子,原是將他們交在摩阿布手中啊! 」
Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.
11 約沙法特問說:「這裏有沒有一位上主的先知,我們可以託他求問上主﹖」以色列王的一個臣僕回答說:「這裏有沙法特的兒子厄里叟,就是常在厄里亞手上倒水的那一位。」
Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin’ i Jehovah va eto hanontaniantsika amin’ i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak’ i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan’ i Elia.
12 約沙法特說:「他必有上主的話。」以色列王、約沙法特和厄東王,於是一同下去見他。
Ary hoy Josafata: Ao amin’ izy io tokoa ny tenin’ i Jehovah. Dia nidina nankany amin’ i Elisa ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan’ i Edoma.
13 厄里叟對以色列王說:「我和你有什麼關係﹖你去找你父親和你母親的先知罷! 」以色列王說:「不要這樣說! 上主召集了這三個王子,原是要將他們交於摩阿布手中啊! 」
Ary hoy Elisa tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin’ ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan’ i Moaba.
14 厄里叟說:「我指著我所服事的永生萬軍的上主起示:我如果不是為了猶大王約沙法特的情面,我決不看你,也不睬你。
Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
15 現在,你們給我叫一個彈琴的人來。」原來每逢樂師彈琴的時候,上主的手就臨到他身上。
Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an’ i Elisa ny tànan’ i Jehovah.
16 厄里叟說:「上主這樣說:你們在這山谷中遍挖壕溝,
Ary hoy Elisa: Izao no lazain’ i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity.
17 因為上主這樣說:你們不見風,也不見雨,這山谷中卻要充滿了水,使你們、你們的軍隊和牲畜都有水喝。
Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo.
18 這在上主看來還是小事,他還要將摩阿布交在你們手中,
Ary ho zavatra kely ihany eo imason’ i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.
19 使你們攻破所有設防的城市,砍倒所有的好樹,杜塞所有的水泉,用石頭毀壞所有的良田。」
Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin’ ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.
20 果然,早上正獻祭的時候,從厄東方面來了大水,遍地滿了水。
Ary nony maraina, tokony ho tamin’ ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin’ ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
21 全摩阿布人一聽說三個王子前來進攻,就召集了所有能佩帶武器的人,把守邊界。
Ary rehefa ren’ ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin’ izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin’ ny sisin-taniny.
22 第二天早晨,日光照在水上,摩阿布人起來,看見對面的水紅得像血,
Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin’ ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
23 遂說:「這是血! 一定是那三個王子彼此混戰,互相殘殺。摩阿布,起來,前去奪取財物! 」
Dia hoy izy: Rà io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin’ izao, ry Moaba!
24 及至他們到了以色列營地,以色列人即奮起迎敵,摩阿布人從他們面前逃走,他們就乘勢追趕,擊殺摩阿布人,
Kanjo nony efa tonga teo an-tobin’ ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin’ ny tanin’ ny Moabita ka mbola namely azy ihany.
25 破壞了他們的城市,個個用石頭拋滿了他們的良田,杜塞了所有的水泉,砍倒了各種好樹;只剩下克爾赫勒斯城,拋石頭的人仍包圍攻擊那城。
Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin’ ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin’ ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
26 摩阿布王見戰事激烈,難以敵抗,就帶領七百人,手持刀劍,企圖突圍,往投阿蘭王,卻沒有成功;
Ary rehefa hitan’ ny mpanjakan’ i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin’ ny mpanjakan’ i Edoma; nefa tsy afaka izy.
27 於是將那要繼承自己位的長子叫來,在城牆上祭殺了,作為全燔祭。這事使天主向以色列人大發忿怒;他們便離開摩阿布王,各自回了本地。
Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin’ ny manda. Dia niharan’ ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin’ ny taniny izy.