< 列王紀下 20 >

1 在那些日子內,希則克雅患病垂危,阿摩茲的兒子依撒意亞來看他,對他說:「上主這樣說:快料理你的家務,因為你快要死,不能久活了。」
Ary tamin’ izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak’ i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona.
2 希則克雅就轉面向牆,懇求上主說:「
Dia nitodika nankany amin’ ny rindrina izy ka nivavaka tamin’ i Jehovah hoe:
3 上主,求你記憶我如何懷著忠誠齊全的心,在你面前行走;如何作了你視為正義的事。」然後希則克雅放聲大哭。
Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
4 依撒意亞出來,還沒有走到中院,上主的話傳於他說:「
Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
5 你回去,告訴我人民的領袖希則克雅說:上主,你祖先達味的天主這樣說:我聽見了你的祈禱,看見了你的眼淚。看,我必要治好你,第三天你就能上上主的殿。
Miverena, ka lazao amin’ i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ianao.
6 我要在你的壽數上多加十五年,且由亞述王手中拯救你和這座城;為了我自己和我的僕人達味,我必要保護這座城。」
Ary hampiako dimy ambin’ ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin’ ny tenako sy Davida mpanompoko.
7 依撒意亞遂吩咐說:「拿一塊無花果餅來。」人就拿來,貼在瘡口上;君王就好了。
Ary hoy Isaia: Makà ampempan’ aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin’ ny vay, dia sitrana izy.
8 希則克雅對依撒意亞說:「有什麼徵兆,上主要治好我,第三天我就能上上主的殿﹖」
Ary hoy Hezekia tamin’ i Isaia: Inona no famantarana fa hositranin’ i Jehovah aho ka hiakatra any an-tranon’ i Jehovah raha afaka ampitso?
9 依撒意亞回答說:「這就是上主給你的徵兆,上主必實踐他所說的話:你要日影向前進十度,還是要往後退十度﹖」
Dia hoy Isaia: Izao no famantarana ho anao avy amin’ i Jehovah hahalalanao fa Jehovah hanao izay zavatra nolazainy: handroso hàdiny folo va ny aloka, sa hiverina hàdiny folo?
10 希則克雅答說:「日影向前進十度太容易,我不要;我要日影倒退十度。」
Ary Hezekia namaly hoe: Mora foana ny handrosoan’ ny aloka hàdiny folo; tsy izany, fa aoka ny aloka hiverina hàdiny folo.
11 先知依撒意亞呼求上主,上主就使射在阿哈次日晷上的日影倒退了十度。
Ary Isaia mpaminany nitaraina tamin’ i Jehovah, ka nampiverina ny aloka hàdiny folo Jehovah, dia ilay nidinany teo amin’ ny dialin’ i Ahaza.
12 那時,巴比倫王巴拉丹的兒子默洛達客捌拉丹派人來見希則克雅,呈上書信和禮物,因為他聽說希則克雅患病又好了。
Tamin’ izany andro izany no nampitondran’ i Berodaka baladana, zanak’ i Baladana, mpanjakan’ i Babylona, taratasy sy fanomezana ho an’ i Hezekia; fa efa reny fa narary izy.
13 希則克雅非常高興,就叫使者參觀自己的寶庫、金銀、香料、珍膏和武器庫,以及他府庫內所有的財寶:凡他宮中和全國內所有的,希則克雅沒有一樣不叫他們不看的。
Ary Hezekia nandray azy ka naneho azy ny trano rehetra fitehirizany zava-tsoa, dia volafotsy sy volamena sy zava-manitra ary menaka tsara, sy ny trano fitehirizana ny fiadiany rehetra mbamin’ izay rehetra tao amin’ ny firaketany: tsy nisy zavatra tsy nasehon’ i Hezekia azy, na ny tao an-tranony, na ny tao amin’ ny fanjakany rehetra.
14 依撒意亞先知遂來見希則克雅,對他說:「這些人說了什麼﹖他們是從什麼地方到你這裡來的﹖」希則克雅回答說:「他們是從遠方,從巴比倫來的。」
Dia nankany amin’ i Hezekia mpanjaka Isaia mpaminany ka nanao taminy hoe: Ahoana no nolazain’ ireo olona nankaty aminao ireo, ary avy taiza moa izy? Ary hoy Hezekia: Avy tany an-tany lavitra izy, dia avy tany Babylona.
15 先知又問說:「他們在你宮中看見了什麼﹖」希則克雅回答說:「凡我宮中所有的,他們都看了;凡我府庫內所有的,沒有一樣我不叫他們不看的。」
Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin’ ny firaketako rehetra.
16 依撒意亞遂對希則克雅說:「你聽上主的話罷!
Ary hoy Isaia tamin’ i Hezekia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah:
17 日子要到,凡你宮中所有的,及你祖先直到今日所積蓄的,都要被帶到巴比倫去,什麼也不會留下:上主說。
Indro, avy ny andro, ka ho entina ho any Babylona izay rehetra ao an-tranonao sy izay rehetra noharin’ ny razanao ka voarakitra mandraka androany; eny, tsy hisy sisa hijanona na inona na inona, hoy Jehovah.
18 此外,由你所出,即你所生的子孫中也有一些要被擄去,在巴比倫王宮內充當太監。
Ary na dia ny terakao aza dia hisy ho entiny koa; ka ho tandonaka any amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ i Babylona ireo.
19 希則克雅對依撒意亞說:「你所說的上主的話是合理的!」繼而說:「惟願我有生之日有平安,有安全! 」
Dia hoy Hezekia tamin’ Isaia: Tsara ny tenin’ i Jehovah izay nolazainao. Ary hoy koa izy: Eny, tsy izany va, raha misy fiadanana amin’ ny androko ka handry fahizay?
20 希則克雅其餘的事蹟,他的英勇和他怎樣鑿池築溝,引水入城的事,都記載在猶大列王實錄上。
Ary ny tantaran’ i Hezekia sisa sy ny heriny rehetra mbamin’ ny nanaovany ny kamory sy ny lakan-drano nitarihany rano ho ao an-tanàna, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
21 希則克雅與他的列祖同眠,他的兒子默納舍繼位為王。
Ary Hezekia lasa nodimandry any amin’ ny razany; ary Manase zanany no nanjaka nandimby azy

< 列王紀下 20 >