< 歷代志下 12 >
1 [埃及王進攻猶大]勒哈貝罕的國家一強盛,勢力一鞏固,即捨棄了上主的法律,全以色列人也附和他。
Ary Rehoboama, rehefa nampandry ny ny fanjakany sady efa nahery, dia nahafoy ny lalan’ i Jehovah izy sy ny Isiraely rehetra.
2 由於他們背叛了上主,勒哈貝罕第五年,埃及王史沙克就上來進攻耶路撒冷,
Ary tamin’ ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema, fa nivadika tamin’ i Jehovah ny mponina tany,
3 率領一千二百輛戰車,六萬騎兵,和同他一起由埃及來的無數利比亞人,穌基因人和雇士人組成的軍隊,
ary nitondra kalesy roan-jato amby arivo sy mpitaingin-tsoavaly enina alina izy, ary tsy hita isa ny olona izay nanaraka azy avy tany Egypta, dia ny Lobita sy ny Sokita ary ny Etiopiana.
Dia nahafaka ny tanàna mimanda izay any Joda izy ka tonga tany Jerosalema.
5 當時,猶大的眾首領,由於逃避史沙克,都已聚集在耶路撒冷;先知舍瑪雅來見勒哈貝罕和眾首領,對他們說:「上主這樣說:你們既離棄我,我也將你們拋棄在史沙克手中。」
Ary Semaia mpaminany tonga tao amin-dRehoboama sy ireo mpanapaka ny Joda, izay tafangona tany Jerosalema noho ny amin’ i Sisaka, ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianareo efa nahafoy Ahy, koa Izaho kosa dia mba nahafoy anareo ho eo an-tànan’ i Sisaka.
6 以色列眾首領和君王便自卑認罪說:「上主是公義的! 」
Dia niaiky ireo mpanapaka ny Isiraely sy ny mpanjaka ka nanao hoe: Marina Jehovah.
7 上主見他們自卑認罪,上主就有話傳於舍瑪雅說:「他們既然自卑認罪,我必不消滅他們,霎時間我要施救,不使我的盛怒藉沙史克發洩在耶路撒冷。
Ary nony hitan’ i Jehovah fa niaiky izy, dia tonga tao amin’ i Semaia indray ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Efa niaiky izy, ka dia tsy handringana azy Aho, fa tsy ho ela dia hamonjy azy; ary tsy haidiko amin’ i Jerosalema avy amin’ ny tànan’ i Sisaka ny fahatezerako.
8 雖然如此,他們仍必作史沙克的僕役,好使他們知道服事我與服事世上的列邦,有何區別。」
Kanefa ho mpanompony ihany izy, mba hahafantarany ny fanompoana Ahy sy ny fanompoana any amin’ ny fanjakana hafa.
9 埃及王史沙克於是上來進攻耶路撒冷,劫去了上主殿內和王宮內的寶物,全部帶走,連撒羅滿所製的金盾牌也都帶去了。
Dia niakatra Sisaka, mpanjakan’ i Egypta, hamely an’ i Jerosalema ka namabo ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka: samy nobaboiny avokoa izy rehetra; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena izay nataon’ i Solomona.
10 勒哈貝罕王,只得製造些銅盾牌來代替,交給防衛長保管。
Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon’ ireny ka nanolotra azy ho eo an-tànan’ ny lehiben’ ny mpiambina, izay niambina ny varavaran’ ny tranon’ ny mpanjaka.
11 每逢王進入上主的殿時,侍衛便從來,手持這些盾牌;事後仍將盾牌送回侍衛室。
Ary na oviana na oviana no nidiran’ ny mpanjaka tao an-tranon’ i Jehovah, dia avy ny mpiambina naka ireo ka namerina azy ho ao an-tranon’ ny mpiambina indray.
12 由於君王自卑認罪,上主對他息怒,沒有完全將他消滅;何況在猶大還有善事。[勒哈貝罕逝世]
Ary raha nanetry tena izy, dia niala taminy ny fahatezeran’ i Jehovah ka tsy nahalany ringana azy; sady nisy fahatsaram-panahy koa tamin’ ny Joda.
13 勒哈貝罕王在耶路撒冷又漸強盛,繼續為王;他登極時年四十一歲,在上主從以色列各支派中選出歸他名下的耶路撒冷城中,作王十七年;他的母親名叫納阿瑪,是阿孟人。
Ary Rehoboama mpanjaka dia nitombo hery tany Jerosalema, ka dia nanjaka; iraika amby efa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary fito ambin’ ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, ilay tanana nofidin’ i Jehovah tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hampitoerany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
14 勒哈貝罕行為邪惡,因為他沒有專心致志尋求上主。
Ary nanao ratsy izy, satria tsy nampiomana ny fony hitady an’ i Jehovah.
15 勒哈貝罕的前後事蹟都按著族譜記載在先知舍瑪雅和先見者依多的言行錄上。勒哈貝罕與雅洛貝罕之間不斷發生戰爭。
Ary ny tantaran-dRehoboama, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ i Semaia mpaminany sy Ido mpahita ny amin’ ny firazanana va izany? Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.
16 勒哈貝罕與列祖同眠,葬在達味城;他的兒子阿彼雅繼位為王。
Ary Rehoboama lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.