< 帖撒羅尼迦前書 4 >

1 此外,弟兄們,我們在主耶穌禸請求和勸勉你們:你們既由我們學會了應怎樣行事,為中悅天主,你們就該怎樣行事,還要更向前邁進。
Ary farany, ry rahalahy, mangataka aminareo sy mananatra anareo ao amin’ i Jesosy Tompo izahay, mba ho araka ny nandraisanareo taminay izay mety handehananareo sy hanaovanareo ny sitrapon’ Andriamanitra ― dia araka ny andehananareo ihany ― no hitomboanareo bebe kokoa.
2 你們原來知道:我們因主耶穌給了你們什麼誡命。
Fa fantatrareo ny didy nomenay anareo avy tamin’ i Jesosy Tompo.
3 天主的旨意就是要你們成聖,要你們戒絕邪淫,
Fa izao no sitrapon’ Andriamanitra, dia ny hanamasinana anareo, hifadianareo ny fijangajangana,
4 要你們每一個人明瞭,因以聖和敬意持守自己的肉體,
mba samy hahafantatra izay hahazoanareo ny fanaky ny tenanareo avy, amin’ ny fahamasinana sy ny voninahitra,
5 不要放縱邪淫之情,像那些不認識天主的外邦人一樣;
tsy amin’ ny filàna fotsiny, tahaka ny jentilisa izay tsy mahalala an’ Andriamanitra,
6 在這樣的事上,不要損害自己的弟兄,因為主對這一切是要報復的,就如我們先前已說過:
mba tsy hisy hanao saina hifetsy ny rahalahiny amin’ izany; fa ny Tompo no mpamaly ny amin’ izany zavatra rehetra izany, toy ny nolazainay sy nambaranay taminareo rahateo.
7 因為天主召叫我們不是為不潔,而是為成聖。
Fa Andriamanitra tsy niantso antsika ho amin’ ny fahalotoana, fa amin’ ny fahamasinana.
8 所以,凡輕視這誡命的,不是輕視人,而是輕視那將自己的聖神賦你們身上的天主。
Koa izay mandà, dia tsy olona no laviny, fa Andriamanitra, Izay manome anareo ny Fanahiny Masìna.
9 關於弟兄的友愛,不需要給你們寫什麼,因為你們自己由天主受了彼此相愛[的教訓
Fa ny amin’ ny fifankatiavan’ ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin’ Andriamanitra hifankatia.
10 你們對全馬其頓的眾弟兄已實行了這事;不過,弟兄們,我們勸你們更向前邁進。
Fa manao izany ihany ianareo amin’ ny rahalahy rehetra eran’ i Makedonia; nefa mananatra anareo ihany izahay, ry rahalahy, mba hitombo bebe kokoa,
11 你們要以過安定的生活,專務己業,親手勞作為光榮,就如我們所吩咐過你們的,
ary mba hokendrenareo ny ho tafatoetra tsara sy hitandrina ny raharahanareo ary hiasa amin’ ny tananareo araka ny nandidianay anareo,
12 好叫在外邦人前來往時有光榮,不仰仗任何人。
mba handehananareo amin’ izay fitondran-tena mahamendrika amin’ ny eo ivelany, ary mba tsy hanan-java-mahory ianareo.
13 弟兄們,關於亡者,我們不願意你們不知道,以免你們憂慮,像其他沒有望德的人一樣
Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin’ izay modi-mandry, mba tsy hahalahelovanareo tahaka ny sasany izay tsy manana fanantenana.
14 因為我們若是信耶穌死了,也復活了,同樣也必信天主要那裏死於耶穌內的人同衪一起來。
Fa raha inoantsika fa efa maty Jesosy sady efa nitsangana indray, dia toy izany koa no hitondran’ Andriamanitra izay efa nodi-mandry tao amin’ i Jesosy hiaraka aminy.
15 我們照主的話告訴你們這件事:我們這些活著存留到主來臨時的人,決不會在已死的人以前。
Fa izao no lazainay aminareo amin’ ny tenin’ ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory.
16 因為在發命時,在總領天使吶喊和天主的號聲響時,主要親自由天降來,那些死於基督內的人先要復活,
Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin i Kristy no hitsangana aloha;
17 然後我們這些活著還存留的人,同起與衪一起要被提到雲彩上,到空中迎接主:這樣,我們就時常同主在一起
ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka; dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika.
18 為此,你們要常用這些話彼此安慰。
Koa dia mifampionòna ianareo amin’ izany teny izany.

< 帖撒羅尼迦前書 4 >