< 撒母耳記上 19 >

1 撒烏耳曾對兒子約納堂和臣僕提過,他願殺達味;但撒烏耳的兒子約納堂很愛達味,
Ary Saoly niresaka tamin’ i Jonatana zanany sy tamin’ ny mpanompony rehetra ny amin’ izay hahafaty an’ i Davida. Fa Jonatana, zanak’ i Saoly, kosa tia dia tia an’ i Davida.
2 就警告達味說:「我父親想殺害你,現今請你明晨多加小心,躲藏在一個隱密的地方。
Ary Jonatana nanambara tamin’ i Davida hoe: Saoly raiko mitady hamono anao; koa, masìna ianao, tandremo ny tenanao rahampitso maraina, ary mitoera amin’ izay fitoerana mangingina, ka miere;
3 我去陪我到你所在的田間,向我父親向你說情,看情形怎樣,然後告訴你」。
ary izaho hivoaka ka hitsangana eo anilan’ ikaky amin’ ny saha izay misy anao, dia hiresaka aminy ny aminao; koa izay hitako dia hambarako aminao.
4 於是約納堂向他父親提及達味的長處,對他說:「君王不要得罪的僕人達味,因為他沒有得罪你,並且他所行的,都是對你很有利的事。
Ary Jonatana nilaza soa an’ i Davida tamin’ i Saoly rainy, ka hoy izy taminy: Aoka ny mpanjaka tsy hanisy ratsy an’ i Davida mpanompony, fa izy tsy nanisy ratsy anao, sady nahasoa anao indrindra ny nataony,
5 他冒著性命的危險,去殺了那培肋舍特人;上主藉他使以色列獲得了這樣大的勝利,你親自看見了,也很喜歡;為什麼你要犯罪,流無辜者的血,無緣無故殺害達味﹖」
fa izy efa nanao ny ainy tsy ho zavatra ka namono ny Filistina, ary Jehovah nahavita famonjena lehibe ho an’ ny Isiraely rehetra; ianao nahita izany ka faly; koa nahoana no dia hanota handatsaka rà marina ianao ka hahafaty foana an’ i Davida?
6 撒烏耳就聽了約納堂的話,並且發誓說:「上主永在,他必不死! 」
Ary Saoly nihaino ny tenin’ i Jonatana ka nianiana hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hatao maty izy.
7 約納堂便叫回達味,告訴他這一切話,並且領他到撒烏耳前;就如和先前一樣,侍立在君王左右。
Ary Jonatana niantso an’ i Davida ka nanambara izany rehetra Izany taminy, dia nitondra an’ i Davida ho eo amin’ i Saoly, ka dia nitoetra teo anatrehany tahaka ny teo aloha ihany indray izy.
8 再次爆發了戰爭,達味又出征攻打培肋舍特人,打得他們大敗,他們都從他面前逃散了。
Ary mbola nisy ady ihany; dia nivoaka Davida ka niady tamin’ ny Filistina ary nahafaty betsaka, ka dia nandositra azy ireny.
9 惡神由上主那裏又降在撒烏耳身上;有一天,君王在家中坐著,手中拿槍,同時達味正在彈琴。
Ary nisy fanahy ratsy avy tany amin’ i Jehovah tonga tao amin’ i Saoly, raha nipetraka tao an-tranony izy sy nitana ny lefony teny an-tànany; ary Davida nitendry lokanga tamin’ ny tànany.
10 撒烏耳想用槍把達味釘在牆上,但達味立刻由撒烏耳面前躲開,君王把槍釘在牆上,達味就逃跑了,沒有喪命。
Ary Saoly nihendry hamely an’ i Davida tamin’ ny lefona, ka hataony miboroaka mihatra amin’ ny rindrina; fa izy nisoroka niala teo anatrehan’ i Saoly, ka ny rindrina no voan’ ny lefona; dia nandositra Davida ka afaka tamin’ iny alina iny ihany.
11 那一夜,撒烏耳派差役去看守達味的家,要在早晨殺死他。他的妻子米加耳警告他說:「今夜你不逃命,明日你就沒有命了」。
Ary Saoly naniraka olona hankany amin’ ny tranon’ i Davida hiambina azy hahafaty azy raha maraina; fa Mikala, vadin’ i Davida, nilaza taminy hoe: Raha tsy mamonjy ny ainao anio alina ianao, dia hatao maty raha maraina.
12 米加耳把達味從窗口縋下去,他便逃跑了,救了命。
Ary Mikala nampidina an’ i Davida tamin’ ny varavarankely; ka dia lasa nandositra izy ka afaka.
13 米加耳隨即把神像放在床上,用毛毯把頭蓋上,又蓋上一件衣服。
Ary nalain’ i Mikala ny sampy, dia napetrany teo amin’ ny farafarany, ka nosaronany makarakara volon’ osy ny lohany, dia norakofany ny lamba izy.
14 當撒烏耳派差役去捉拿達味時,米加耳說:「達味病了」。
Ary nony naniraka haka an’ i Davida Saoly, dia hoy ny vavy: Marary izy.
15 撒烏耳再派差役去看達味說:「將達味連床帶到這裏來,我要殺死他」。
Ary Saoly naniraka ny olona hizaha an’ i Davida indray ka nanao hoe: Ento miakatra atỳ amiko amin’ ny farafara izy hovonoiko.
16 差役進去,見是「神像」躺在床上,有張毛毯蓋著頭。
Dia niditra ny iraka, kanjo, indro, ny sampy no teo am-parafara, ary voasaron’ ilay makarakara volon’ osy ny lohany.
17 因此,撒烏耳對米加耳說:「妳為什麼這樣欺騙我﹖放走了我的仇人,叫他逃命」。米加耳回答撒烏耳說:「他對我說:放我走,不然我要殺妳! 」
Dia hoy Saoly tamin’ i Mikala: Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany ka nandefa ny fahavaloko, ary afa-nandositra izy? Fa hoy Mikala tamin’ i Saoly: Hoy izy tamiko: Avelao aho handeha, fandrao hovonoiko
18 達味死裏逃生,到了辣瑪,去見撒慕爾,向他報告了撒烏耳對他所行的一切;然後他便和撒慕爾去了納約特,住在那裏。
Dia nandositra Davida ka afaka ary tonga tany amin’ i Samoela tany Rama, dia nambarany azy izay rehetra nataon’ i Saoly taminy; ary nandeha izy sy Samoela ka nonina tany Naiota.
19 有人告訴撒烏耳說:「看,達味住在辣瑪的納約特」。
Ary nisy nanambara tamin’ i Saoly hoe: Indro, Davida ao Naiota any Rama.
20 撒烏耳又派差役去捉拿達味,但是他們看見一大群先知正在出神說妙語,撒慕爾站在他們面前作領導;這些天主的神也降在撒烏耳的差役身上,他們也出神說起妙語來。
Ary Saoly naniraka olona hisambotra an’ i Davida; ary nony hitan’ ireo ny mpaminany tafangona sy maminany ary Samoela mitsangana eo ho lohany, dia tonga tamin’ ny irak’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka dia mba naminany koa izy.
21 有人將此事撒烏耳,他又打發別的差役去,他們也出神說開了妙語。撒烏耳第三次又打發差役去,他們也出神說開了妙語。
Ary nony nisy nanambara izany tamin’ i Saoly, dia naniraka olon-kafa izy, ary ireo koa dia mba naminany. Ary Saoly naniraka olonkafa indray fanintelony, nefa naminany ihany koa ireo.
22 撒烏耳大發憤怒,便親自去了辣瑪;當他到了色雇的大井那裏,就問說:「撒慕爾和達味在哪裏﹖」有人答說:「在辣瑪的納約特」。
Ary dia lasa nankany Rama koa ny tenany, ary tonga tao amin’ ny lavaka lehibe famorian-drano izay ao Seko izy ka nanontany hoe: Aiza Samoela sy Davida? Ary hoy ny anankiray: Indreo ao Naiota any Rama izy.
23 他就從那裏起身往辣瑪納約特去;那時天主的神也降到他身上,所以他一邊走,一邊說妙語,一直到了辣瑪納約特。
Dia nankany Naiota any Rama Saoly, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin’ Andriamanitra, dia nandroso izy sady naminany teny am-pandehanana ambara-pahatongany tany Naiota any Rama.
24 並且他還脫去衣服,在撒慕爾面前出神說起妙語來,赤裸裸地一天一夜躺在地上:因此有句俗語說:「不是撒烏耳也列在先知中嗎﹖」
Ary nanaisotra ny fitafiany koa izy ka mba naminany tahaka ny sasany teo anatrehan’ i Samoela, ary izy nandry nitanjaka mandritra iny andro sy alina iny. Koa izany no nanaovan’ ny olona hoe: Saoly koa moa mba isan’ ny mpaminany?

< 撒母耳記上 19 >