< 列王紀上 8 >

1 [迎約櫃入聖殿]那時,撒羅滿召集以色列眾長老,各支派的首領和以色列子民各家族族長,都到耶路撒冷,為將上主的約櫃從達味城,即熙雍運上來。
Ary tamin’ izany Solomona mpanjaka dia namory ny loholon’ ny Isiraely sy ny lohan’ ny firenena rehetra, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, ho ao aminy tany Jerosalema mba hampakatra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah avy ao Ziona. Tanànan’ i Davida.
2 以色列全體民眾於是在「厄塔寧」月,即第七月的慶節期中,聚集在撒羅滿王那裏。
Dia nivory ho any amin’ i Solomona mpanjaka ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro firavoravoana tamin’ ny volana Etanima (volana fahafito izany).
3 以色列所有的長老來到後,司祭們便抬起約櫃,
Ary tonga ny loholon’ ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara;
4 司祭和肋未人分別將上主的約櫃、會幕和帳幕中所有的聖器運了上來。
ary dia nampakariny ny fiaran’ i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin’ ny fanaka masìna rehetra izay tao amin’ ny lay. Nampakarin’ ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo.
5 撒羅滿王和聚集在他那裏的以色列全會眾,在約櫃前祭殺了牛羊,多得無法計算,不可勝數。
Ary Solomona mpanjaka sy ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, izay nivory teo aminy teo anoloan’ ny fiara, dia samy namono zavatra hatao fanatitra, dia ondry aman’ osy sy omby izay tsy tambo isaina sady tsy hita isa noho ny hamaroany.
6 司祭們將上主的約櫃抬到殿的內部,即至聖所內,放在革魯賓翅膀下早已預備的地方。
Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima,
7 革魯賓的翅膀原是伸開的,正遮在約櫃的所在地之上,所以革魯賓在上面正遮著約櫃和抬約櫃的杠桿。
fa nivelatra teo ambonin’ ny fitoeran’ ny fiara ny elatry ny kerobima ka nanaloka ny fiara sy ny baony.
8 這杠桿很長,杠桿從內殿前的聖所可以看見,在殿外卻看不見;直到今天還在那裏。
Ary lava ny bao, ka hita ny lohany, raha amin’ ny fitoerana masìna eo anoloan’ ny efitra anatiny, nefa tsy hita raha eny ivelany; ary mbola ao mandraka androany izy.
9 約櫃內除兩塊石版外,沒有別的東西,是以色列子民出埃及後,上主與他們立約時,梅瑟在曷勒布山放在裏面的。
Ary tsy nisy na inona na inona tao anatin’ ny fiara afa-tsy ny vato fisaka roa, izay nataon’ i Mosesy tao anatiny tany Horeba, fony Jehovah nanao fanekena tamin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nivoahany avy tany amin’ ny tany Egypta.
10 當司祭從聖所出來時,雲彩充滿了上主的殿,
Ary nony nivoaka avy tao amin’ ny fitoerana masìna ny mpisorona, dia nameno ny tranon’ i Jehovah ny rahona;
11 以致為了雲彩,司祭們不能繼續奉職,因為上主的榮耀充滿了上主的殿。
ka dia tsy nahajanona hanao fanompoam-pivavahana ny mpisorona noho ny rahona, satria ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tranon’ i Jehovah.
12 當時,撒羅滿便說:「上主曾決定在幽暗之中,
Dia hoy Solomona: Jehovah efa nilaza fa hitoetra ao amin’ ny aizim-pito Izy.
13 如今我已為你建築了一個居所,作為你永久的住處」撒羅滿向百姓致辭
Efa nanao trano hitoeranao tokoa aho, dia fitoerana hitoeranao mandrakizay.
14 然後,君王轉過身來,祝福在場站立的以色列全會眾,
Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
15 說「上主以色列的天主,應受讚美! 因為他親自完成了他親口對我父親達味所作的預許。他曾說過:
ka nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, fa ny vavany efa niteny tamin’ i Davida raiko, ary ny tànany no nahatanteraka izany taminy, dia ilay hoe:
16 自從我領我的百姓以色列出離埃及的那天起,我從未在以色列各支派中選擇一城,建造一座作我名下的殿。但是現在,我選擇了耶路撒冷作我名的居所,揀選了達味作我百姓以色列的領袖。
Hatramin’ ny andro nitondrako ny Isiraely oloko nivoaka avy tany Egypta dia tsy mbola nisy tanàna nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra hanaovana trano hitoeran’ ny anarako; fa nifidy an’ i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
17 我父親達味原有意為上主以色列天主的名,建造一座殿宇,
Ary efa mby tao am-pon’ i Davida raiko ny hanao trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
18 但上主卻對我父親達味說:你有意為我的名建造一座殿宇,你這番心意固然很好,
Nefa hoy Jehovah tamin’ i Davida raiko: Satria tao am-ponao ny fikasana hanao trano ho an’ ny anarako, dia tsara izany fikasanao izany.
19 但不是你要建造這殿宇,而是你親生的兒子,他要為我的名建造這殿宇。
Kanefa kosa tsy ianao no hanao ny trano, fa ny zanakao izay haterakao, izy no hanao ny trano ho an’ ny anarako.
20 現在,上主實現了他說的話,我已如上主所說的,繼承了我父親達味,坐上了以色列的寶座;我也為上主以色列天主的名,建造了這座殿宇,
Ary Jehovah efa nahatanteraka ny teniny izay nolazainy, koa nitsangana handimby an’ i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely tahaka ny efa nolazain’ i Jehovah, sady efa nanao ny trano ho an’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, aho.
21 在殿內我也為約櫃預備了一個地方,約櫃內存有上主的約版,就是他領我們的祖先出埃及時,與他們所立的約。」祈禱詞
Ary nasiako fitoerana teo ho an’ ny fiara izay itoeran’ ny faneken’ i Jehovah, ilay nataony tamin’ ny razantsika fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany Egypta.
22 此後,撒羅滿當著以色列全會眾,立在上主的祭壇前,舉手向天,說:
Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran’ i Jehovah teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra
23 「上主,以色列的天主! 上天下地沒有一個神能與你相比。你對那全心在你面前行走的僕人,常是守約表示慈愛。
ary nanao hoe. Ry Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao na amin’ ny lanitra ambony na amin’ ny tany ambany, Izay mitandrina ny fanekenao sy ny famindram-ponao ho an’ ny mpanomponao izay mandeha eo anatrehanao amin’ ny fony rehetra,
24 你對你僕人我父親達味所應許的,你都履行了;你親口應允的,你也親手成就了,正如今天一樣。
sady efa nahatanteraka tamin’ i Davida raiko mpanomponao ilay nolazainao taminy, fa nolazain’ ny vavanao izany dia notanterahin’ ny tananao tahaka ny amin’ izao anio izao.
25 上主,以色列的天主,現在求你實踐你向你的僕人,我的父親達味所應許的罷! 你曾說過:只要你的子孫固守正道,在我面前行走,如你一樣在我面前行走,你決不缺人在我面前坐以色列的寶座。
Koa tanteraho amin’ i Davida raiko mpanomponao, Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, ilay nolazainao taminy hoe: Tsy ho diso zanakalahy eo anatrehako ianao hipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ ny Isiraely, raha ny zanakao mitandrina ny alehany handehanany eo anatrehako tahaka ny nandehananao teo anatrehako.
26 上主,以色列的天主,現在求你,使你向你僕人我父親達味所應許的話,予以實現罷!
Koa ankehitriny ry Andriamanitry ny Isiraely ô, mifona aminao aho, aoka ho tò anie ny teninao, izay nolazainao tamin’ i Davida raiko mpanomponao.
27 但是,天主實在住在地上嗎﹖看,天和天上的天尚且容不下你,何況我所建造的這座殿宇呢﹖
Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
28 上主,我的天主,請垂允你僕人的祈禱和懇求,俯聽你僕人今天在你面前所發的呼號和祈禱!
Koa atreho ny fivavaka sy ny fifonan’ ny mpanomponao, Jehovah Andriamanitro ô, mba hohenoinao ny fitarainana sy ny fivavaka izay ataon’ ny mpanomponao eto anatrehanao anio,
29 願你的眼睛晝夜垂視這座殿宇,看顧你所說「我的名要永留在此」的地方! 願你垂聽你僕人向這地方要行的祈禱!
mba hihiratan’ ny masonao andro aman’ alina amin’ ity trano ity, dia amin’ ny fitoerana nolazainao hoe: Ho ao ny anarako hihainoanao ny vavaka izay ataon’ ny mpanomponao manatrika ity fitoerana ity.
30 願你垂聽你僕人和百姓以色列向這地方所發的哀禱! 願你在天上,從你的居所予以垂聽! 請垂聽與寬恕!
Ary henoy ny fifonan’ ny mpanomponao sy ny Isiraely olonao, raha mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy; dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao; eny, mihainoa ka mamelà heloka.
31 若有人得罪了自己的鄰人,被迫以咒詞起誓,而來到這殿內,在你的祭壇前起誓,
Raha misy olona manota amin’ ny namany, ary ampianianiny, ka tonga hianiana eo anoloan’ ny alitaranao amin’ ity trano ity izy,
32 願你從天上垂聽受理,為你的僕人審斷:懲罰惡人,照他的惡行,報應在他的頭上;宣告義人無罪,照他的正義酬報他。
dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka manaova, ary mitsarà ny mpanomponao, hanameloka ny ratsy fanahy ka hampitsingerina ny nataony ho amin’ ny lohany, ary hanamarina ny marina kosa ka hanome azy araka ny fahamarinany.
33 當你的百姓以色列犯罪得罪了你,在敵人面前被擊敗時,如果他們回心轉意,稱頌你的名,在這殿內巷你祈禱懇求,
Raha resy eo anoloan’ ny fahavalo ny Isiraely olonao noho ny nanotany taminao, ary miverina aminao sy manaiky ny anaranao indray ka mivavaka sy mifona aminao eto amin’ ity trano ity izy,
34 願你從天上予以垂聽,寬恕你百姓以色列的罪過,領他們回到你賜給他們祖先的地方!
dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan’ ny Isiraely olonao, ary ampodio amin’ ny tany nomenao ny razany izy.
35 幾時他們犯罪得罪了你,致使天空閉塞不雨;如果他們向這地方祈禱,稱頌你的名,並因你的懲罰而遠離罪過,
Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ ny fahotany, satria ampahorinao,
36 求你從天上垂聽,赦免你僕人和你百姓以色列的罪,指給他們應走的正路,使雨降在你賜予你百姓作為基業的地上。
dia mihainoa any an-danitra Hianao, ka mamelà ny fahotan’ ny mpanomponao, dia ny Isiraely olonao satria atoronao azy ny lalana tsara izay tokony halehany, ary mandatsaha ranonorana amin’ ny taninao, izay nomenao ho lovan’ ny olonao.
37 如果此地發生饑饉瘟疫,五穀枯萎生霉,或遭受蝗蟲螞蚱,或有敵人犯境圍困門下,或不拘遭受什麼災禍疾病;
Raha misy mosary amin’ ny tany, na areti-mandringana, na mainan’ ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ ny taniny, dia ao amin’ ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina,
38 如果你的百姓以色列,個人或團體,心中感到內疚,向這殿伸手祈禱哀求,
izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’ olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahorian’ ny fony avy, ka mamelatra ny tànany manatrika ity trano ity izy
39 願你從天上你的居所,予以垂聽、寬恕、援助,照各人的作為予以賞罰,因為你認識人的心,─惟有你認識所有人子的心,─
dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka mamelà heloka, ary manaova, ka omeo ny olonao araka ny alehany rehetra, fa fantatrao ny fony (fa Hianao dia Hianao irery ihany no mahalala ny fon’ ny zanak’ olombelona rehetra),
40 使他們在你賜予我們祖先的地上,終生敬畏你。
mba hatahorany Anao amin’ Izay andro rehetra hiainany etỳ amin’ ny tany nomenao ny razanay.
41 至於那不屬於你百姓以色列的外方人,如為了你的大名自遠方而來,─
Ary henoy koa ny vahiny izay tsy isan’ ny Isiraely olonao, fa tonga avy any amin’ ny tany lavitra noho ny amin’ ny anaranao izy
42 因為他們聽見了你的大名,和你大能的手及伸開的手臂,─來向這殿祈禱,
(fa ho reny ny anaranao lehibe sy ny tananao mahery ary ny sandrinao ahinjitra), koa raha avy izy ka mivavaka manatrika ity trano ity,
43 願你從天上你的居所俯聽,照外方人所請求於你的一切去行:這樣可使地上萬民都認識你的名而敬畏你,如同你的百姓以色列一樣,使他們知道我所建造的這殿,是屬於你名下的。
dia mihainoa any an-danitra fonenanao Hianao, ka manaova araka izay rehetra iantsoan’ ny vahiny Anao, mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ny anaranao hatahorany Anao tahaka ny ataon’ ny Isiraely olonao ihany, ary mba ho fantany fa ny anaranao no efa nantsoina tamin’ ity trano nataoko ity.
44 你的人民,如果在你派遣他們所走的路上,與敵人交戰,而他們向你所揀選的這城,向我為你名建造的這殿,祈求上主,
Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalon’ ny olonao, na ho aiza na ho aiza no hanirahanao azy, ka mivavaka amin’ i Jehovah manandrify ny tanàna izay nofidinao sy ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao izy,
45 願你從天上俯聽他們的祈禱和哀求,為他們住持正義。
dia henoy any an-danitra ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy.
46 如果他們犯罪得罪了你,─因為沒有不犯罪的人,─而你向他們發怒,將他們交於敵人,讓敵人將他們擄到或遠或近的敵人地域內,
Raha manota aminao izy (fa tsy misy olombelona tsy manota), ka tezitra aminy Hianao ary manolotra azy eo anoloan’ ny fahavalony, ka dia ho entin’ ny mpamabo ho babo any amin’ ny tanin’ ny fahavalo izy, na ho lavitra na ho akaiky.
47 他們若在被擄往的地方,回心轉意,在充軍之地,求你說:我們犯了罪,我們行了惡,做了背理的事;
ary mahatsiaro any amin’ ny tanin’ ireo namabo azy ireo izy, ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ ny tany izay nitondrany azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy.
48 如果他們在俘擄他們的敵人地域內,全心全意歸向你,向你賜給他們祖先的地方,向你所揀選的這城,和我為你名建造的這殿哀求你,
ka dia miverina aminao amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra ao amin’ ny tanin’ ny fahavalony izay namabo azy izy, ary mivavaka aminao manandrify ny taniny izay nomenao ny razany sy ny tanàna izay nofidinao ary ny trano izay nataoko ho an’ ny anaranao,
49 願你從天上你的居所,俯聽他們的祈禱和懇求,並為他們主持正義,
dia henoy any an-danitra fonenanao ny fivavany sy ny fifonany, ka omeo rariny izy;
50 寬恕得罪你的百姓,寬恕他們違犯你的一切過犯,使他們在俘擄他們的敵人面前獲得憐憫,對他們表示同情,
eny, mamelà ny heloky ny olonao izay nanota taminao sy ny fahadisoany rehetra izay nataony taminao, ary ataovy mahazo famindram-po amin’ izay mamabo azy izy, dia ny hamindran’ ireo fo aminy;
51 因為他們究竟是你的百姓,是你從埃及,由鎔鐵爐中領出來的產業。
fa olonao sy lovanao izy, izay nentinao nivoaka avy tany Egypta, dia avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by,
52 願你常睜眼垂顧你僕人的哀求,你百姓以色列的哀求,他們無論何時呼號你,願你都予以垂聽!
mba hihiratan’ ny masonao amin’ ny fifonan’ ny mpanomponao sy ny fifonan’ ny Isiraely olonao hihaino azy amin’ izay rehetra iantsoany Anao.
53 我主上主,因為你曾將他們從地上的萬民中選拔出來,作你的產業,正如你在領我們祖先出離埃及時,藉你的僕人梅瑟所聲明的。」祝福詞
Fa Hianao, Jehovah, Tompo ô no nanavaka azy tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ho lovanao, araka izay nampilazainao an’ i Mosesy mpanomponao tamin’ ny nitondranao ny razanay nivoaka avy tany Egypta.
54 撒羅滿跪在上主的祭壇前,舉手向天,祈禱哀求上主完畢,就起來,
Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon’ i Solomona tamin’ i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin’ ny alitaran’ i Jehovah izay efa nandohalehan’ ny lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin’ ny lanitra izy.
55 立著,高聲祝福以色列全會眾說:「
Ary nitsangana izy ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, tamin’ ny feo mahery hoe:
56 上主應受讚美! 因為他照自己所應許的,使自己的百姓以色列獲得了安居;凡他藉著自己的僕人梅瑟所應許賜福的話,一句也沒有落空。
Isaorana anie Jehovah, izay nanome fitsaharana ho an’ ny Isiraely olony araka izay rehetra nolazainy; tsy misy latsaka na dia teny iray aza tamin’ izay teny soa rehetra nampilazainy an’ i Mosesy mpanompony.
57 願上主我們的天主與我們同在,有如與我們的祖先同在一樣:不離開我們,也不拋棄我們。
Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin’ ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy,
58 願他使我們的心歸向他,履行他的一切道路,恪守他吩咐我們祖先的誡命、律例和典章。
mba hampanatoniny Azy ny fontsika handehanantsika amin’ ny lalany rehetra sy hitandremantsika ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika.
59 願我在上主面前所作的懇切禱詞,晝夜在上主我們的天主面前,好使他天天維護他僕人和他的百姓以色列,
Ary aoka izany teny nifonako teto anatrehan’ i Jehovah izany ho ao amin’ i Jehovah Andriamanitsika andro aman’ alina, mba hanomezany rariny ho ahy mpanompony sy ny Isiraely olony araka izay tandrifiny ho azy isan’ andro,
60 使地上萬民都知道:只有上主是天主,他以外沒有別的神。
mba ho fantatry ny firenena rehetra ambonin’ ny tany fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
61 但願我們的心全歸於上主我們的天主,遵行他的律例,恪守他的誡命,如停今天一樣。」行奉獻禮
Ary aoka ho marina amin’ i Jehovah Andriamanitsika anie ny fonareo, handehananareo amin’ ny didiny sy hitandremanareo ny lalàny, tahaka ny amin’ izao anio izao.
62 此後,君王和全以色列,一同在上主面前祭殺了犧牲。
Ary ny mpanjaka sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia namono zavatra hatao fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah.
63 撒羅滿祭殺了牛兩萬二千頭,羊十二萬隻,獻於上主,作為和平祭;君王和全以色列子民,就這樣為上主的殿舉行了奉獻禮。
Ary Solomona namono zavatra hatao fanati-pihavanana, Izay nateriny ho an’ i Jehovah, dia omby roa arivo amby roa alina sy ondry aman’ osy roa alina amby iray hetsy. Toy izany no nitokanan’ ny mpanjaka sy ny Zanak’ Isiraely rehetra ny tranon’ i Jehovah.
64 當天,君王又祝聖了上主殿前的內院,在那裏奉獻了全燔祭、素祭與和平祭的脂油,因為上主面前的銅祭壇太小,容不下全燔祭、素祭及和平祭的脂油。
Ary androtr’ io ihany no nanamasinan’ ny mpanjaka ny afovoan’ ny kianja izay teo anoloan’ ny tranon’ i Jehovah; fa teo no nanaterany fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary ny saboran’ ny fanati-pihavanana; fa kely loatra ny alitara varahina izay teo anatrehan’ i Jehovah ka tsy omby ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina ary ny saboran’ ny fanati-pihavanana.
65 同時,撒羅滿有舉行了慶節,與從哈瑪特渡口到埃及小河的全以色列人,舉行了盛大集會,在上主我們的天主面前,舉行慶節七天【又七天,共十四天。】
Ary tamin’ izany andro izany Solomona sy ny Isiraely rehetra teo aminy, dia fiangonana lehibe hatrany akaikin’ i Hamata ka hatramin’ ny lohasahan-driak’ i Egypta, dia nitandrina ny andro firavoravoana teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika hafitoana indroa, dia efatra ambin’ ny folo andro.
66 第八天,君王遣散了百姓;他們為君王祝福後,各自回了本家,對上主向他的僕人達味,他的百姓以色列,所施的種種恩寵,都非常高興歡喜。
Ary nony tamin’ ny andro fahavalo dia nampodiny ny olona, ary nisaotra andriana izy, dia lasa nandeha ho any an-dainy avy, sady faly no ravoravo ny fony noho ny soa rehetra nataon’ i Jehovah tamin’ i Davida mpanompony sy ny Isiraely olony.

< 列王紀上 8 >