< 列王紀上 21 >

1 [葡萄園的風波]這事以後,依次勒耳人納波特在依次勒耳,靠近撒瑪黎雅王阿哈布的宮殿,有一個葡萄園。
Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin’ ny lapan’ i Ahaba, mpanjakan’ i Samaria.
2 阿哈布對納波特說:「請將你的葡萄園讓給我,我可以用作菜園,因為離我的宮殿很近;我願拿一個更好的葡萄園來與你交換;或者,如果你認為好,我也可以照葡萄園的價值給你錢。」
Ary Ahaba niteny tamin’ i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin’ ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao.
3 納波特回答阿哈布說:「上主決不許我將我祖先的產業讓給你! 」
Fa hoy Nabota tamin’ i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.
4 阿哈布由於依次勒耳人納波特對他所說:「我決不將我祖先的產業讓給你」的話,便悶悶不樂地回到宮中,躺在床上,轉過臉去,不肯吃飯。
Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain’ i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
5 他的妻子依則貝耳來見他,問他說:「你為什麼心裏這樣憂悶,連飯都不肯吃﹖」
Ary Jezebela vadiny nankeo aminy ka nanao taminy hoe: Ahoana no mampahasosotra anao toy izao, no tsy mety homan-kanina ianao?
6 阿哈布回答說:「因為我對依次勒耳人納波特說:請將你的葡萄園按現價賣給我,或者如果你願意,我可以拿另一個葡萄園來與你交換;他卻回答說:我決不將我的葡萄園讓給你。」
Dia hoy izy taminy: Satria niteny tamin’ i Nabora Jezirelita aho ka nanao taminy hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao hovidiko vola, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha izany no sitraky ny fonao; fa izy namaly hoe: Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.
7 他的妻室依則貝耳對他說:「你真會統治以色列! 只管起來吃飯,心情愉快,我必將依次勒耳人納波特的葡萄園交給你。」
Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita.
8 依則貝耳便以阿哈布的名義寫了一封信,蓋上君王的印章,送給與納波特同住一城的長老和官紳,
Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahaba, ka notombohiny tamin’ ny fanombohan-kasen’ andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin’ ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin’ i Nabota.
9 信上寫道:「請你們宣布禁食,叫納波特坐上民眾的首位,
Ary izao no nosoratany tao amin’ ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan’ ny olona Nabota.
10 然後再叫兩個流氓坐在他的對面,作證控告他說:納波特辱罵了天主和君王,你們應將他拉出城外,用石頭砸死。」
Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
11 那些與納波特同住在一城的長老和官紳,便照依則貝耳吩咐他們的,照她在送給他們的信上所寫的去行:
Ary ny olona tao an-tanànany, dia ny loholona sy ny manan-kaja izay nonina tao, nanao araka izay nanirahan’ i Jezebela tany aminy, dia ilay voasoratra ao amin’ ny taratasy izay nampitondrainy tany aminy.
12 宣布禁食,叫納波特坐上民眾的首位,
Dia niantso andro fifadian-kanina izy ka nametraka an’ i Nabota teo anatrehan’ ny olona.
13 兩個流氓前來坐在他的對面,當眾作證控告他說:「納波特辱罵了天主和君王。」眾人便將他拉出城外,用石頭砸死了。
Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an’ i Nabota teo anatrehan’ ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin’ ny olona nivoaka teny ivelan’ ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.
14 然後派人告訴依則貝耳說:「納波特已用石頭砸死了。」
Dia naniraka tany amin’ i Jezebela izy ireo ka nanao hoe: Efa notoraham-bato Nabota ka maty.
15 依則貝耳聽說納波特已用石頭砸死了,就對阿哈布說:「你起來,去佔領依次勒耳人納波特,先前不肯照現價賣給你的葡萄園,因為納波特已經不在了,已經死了。」
Ary rehefa ren’ i Jezebela fa voatora-bato Nabota ka maty, dia hoy izy tamin’ i Ahaba: Mitsangàna, ka alao ho anao ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita, izay tsy foiny ho namidy taminao; fa tsy velona intsony Nabota fa efa maty.
16 阿哈布一聽說納波特死了,就起身下到依次勒耳人納波特的葡萄園,霸佔了那葡萄園。厄里亞預言天主的懲罰
Ary rehefa ren’ i Ahaba fa efa maty Nabota, dia niainga izy ka nidina nankany amin’ ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita mba haka ny tany ho azy.
17 那時,有上主的話傳於提市貝人厄里亞說:「
Ary ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Elia Tisbita ka nanao hoe:
18 你起來,下去會晤住在撒瑪黎雅的以色列王阿哈布;看,他現在正在納波特的葡萄園內,他下到那裏去霸佔了那葡萄園。
Miaingà, ka midìna hihaona amin’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely, izay ao Samaria; indro, ao amin’ ny tanim-boalobok’ i Nabota izy, fa lasa nankao izy mba haka ny tany ho azy.
19 你要對他說:上主這樣說:你殺了人,還要霸佔他的產業嗎﹖繼而對他說:上主這樣說:狗在什麼地方,舔了納波特的血,也要在什麼地方舔你的血。」
Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain’ i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Ao amin’ ny tany izay nilelafan’ ny alika ny ran’ i Nabota no hilelafan’ ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.
20 阿哈布對厄里亞說:「我的對頭,你又找到了我的錯嗎﹖」厄里亞答說:「是,我找到了你的錯,因為你出賣了你自己,去行上主視為惡的事。
Ary hoy Ahaba tamin’ i Elia: Azonao va aho, ry ilay fahavaloko? Ary Elia namaly hoe: Azoko ianao, satria ianao efa nivaro-tena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah.
21 我必要在你身上降災,消滅你的宗族;以色列所有屬於阿哈布的男子無論是自由的或不自由的,一概滅絕。
Indro, hahatonga loza aminao Aho ka handringana ny taranakao, ary ho fongotra ny lehilahy rehetra amin’ ny taranak’ i Ahaba, na ny voahazona na ny afaka amin’ ny Isiraely.
22 我要使你的家像乃巴特的兒子雅洛貝罕的家,又像阿希雅的兒子巴厄沙的家,因為你惹我發怒,使以色列陷於罪惡。
Ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tahaka ny taranak’ i Basa, zanak’ i Ahia, noho ny nampirehetanao ny fahatezerako sy ny nampanotanao ny Isiraely.
23 至於依則貝耳,上主也預言說:狗要在依則貝耳的田間,吞食依則貝耳。
Ary ny amin’ i Jezebela koa dia nolazain’ i Jehovah hoe: Ny alika hihinana an’ i Jezebela eny ivelan’ ny màndan’ i Jezirela.
24 凡屬阿哈布的人,死在城中的,要為狗吞食,死在田間的,要為空中的飛鳥啄食。」
Izay tamingan’ i Ahaba maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha kosa dia hohanin’ ny voro-manidina.
25 實在,從來沒有人像阿哈布一樣,受他的妻子依則貝耳的引誘,這樣出賣自己,行上主視為惡的事。
Fa tsy nisy tahaka an’ i Ahaba, izay nivarotena hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah, satria nampirisihin’ i Jezebela vadiny izy.
26 他行了最可憎惡的事,歸依了邪神偶像,全像上主從以色列子民前,趕走了阿摩黎人所行的一樣。阿哈布懺悔免罰
Ary izy nanao vetaveta loatra tamin’ ny nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon’ ny Amorita, izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
27 阿哈布一聽這些話,就撕破自己的衣服,身穿麻衣,禁食,穿著麻衣睡覺,低頭緩步行走。
Ary rehefa ren’ i Ahaba izany teny izany, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana nataony manolo-koditra sady nifady hanina sy nandry tamin-damba fisaonana ary nijoretra teny am-pandehanana.
28 於是有上主的話傳於提市貝人厄里亞說:「
Ary ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Elia Tisbita ka nanao hoe:
29 阿哈布在我面前這樣自卑自賤,你看見了沒有﹖他既然在我面前自卑自賤,在他有生之日,我不降此災禍;但是,到他兒子的日子,我要使這災禍臨於他家。」
Hitanao va ny nanetren’ i Ahaba tena teo anatrehako? Satria nanetry tena teo anatrehako izy, dia tsy hahatonga loza aminy Aho amin’ ny androny; fa any amin’ ny andron’ ny zanany vao hahatonga loza amin’ ny taranany Aho.

< 列王紀上 21 >