< 歷代志上 16 >

1 [獻祭慶祝]他們將上主的約櫃抬來,安置在達味所搭的帳幕內,然後在天主前奉獻了全燔祭和和平祭。
Ary nampiditra ny Fiaran’ Andriamanitra ny olona ka nametraka azy tao afovoan’ ny lay izay naorin’ i Davida ho azy; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ Andriamanitra izy.
2 達味獻完了全燔祭和和平祭,奉上主的名祝福了百姓;
Ary nony voatitr’ i Davida ny fanatitra odorana sy ny fanati-pihavanana, dia nitso-drano ny olona tamin’ ny anaran’ i Jehovah izy.
3 以後分給全以色列,不論男女,每人一塊餅,一塊肉,一塊葡萄乾餅。派定約櫃的職務
Dia nizara mofo iray avy sy hena iray didy ary ampempam-boaloboka ho an’ ny Isiraely rehetra na lahy na vavy izy.
4 達味又派定了一些肋未人,在上主的約櫃前供職,叫他們讚美、稱謝、頌揚上主,以色列的天主:
Ary ny Levita sasany notendren’ i Davida ho mpanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ ny fiaran’ i Jehovah mba hankalaza sy hisaotra ary hidera an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely:
5 為首的是阿撒夫、則加黎雅為副,其次是烏黎耳、舍米辣摩特、耶希耳、瑪提提雅、厄里阿布、貝納雅、敖貝得、厄東和耶依耳;他們鼓瑟彈琴,阿撒夫敲鈸。
Asafa no lohany, ary Zakaria no nanarakaraka, dia Jeiela sy Semiramota sy Jehiela sy Matitia sy Eliaba sy Benaia sy Obed-edoma ary Jeiela no nitendry ny valiha sy ny lokanga; fa Asafa no nampaneno ny kipantsona;
6 司祭貝納雅和雅哈齊耳在天主的約櫃前,不斷吹號筒。
Benaia sy Jahaziela mpisorona kosa no mpitsoka ny trompetra mandrakariva eo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra.
7 那一天,達味初次任命阿撒夫及其同族兄弟,向上主唱這首稱謝歌:「
Tamin’ izay andro izay no voalohan’ ny nanendren’ i Davida an’ i Asafa sy ny rahalahiny hidera an’ i Jehovah.
8 你們要稱謝上主,呼號他的聖名,在萬民中宣揚他的功行。
Miderà an’ i Jehovah, miantsoa ny anarany; Ampahafantaro ny firenena ny asany.
9 要歌頌他,稱揚他,申述他的一切奇蹟。
Mihira ho Azy, mankalazà Azy; Saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.
10 要以他的聖名為榮,願尋求上主的,心中喜樂!
Ataovy ho reharehanareo ny anarany masìna; Aoka hifaly ny fon’ izay mitady an’ i Jehovah.
11 你們要尋求上主和他的德能,要時時尋求他的面容。
Mitadiava an’ i Jehovah sy ny heriny, Katsaho mandrakariva ny tavany.
12 天主的僕人以色列的後裔,天主的被選者雅各伯的子孫,
Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ ny vavany,
13 你們要記憶他所行的奇事,他的異蹟和他口中的斷語。
Hianareo taranak’ Isiraely mpanompony, Hianareo olom-boafidiny, taranak’ i Jakoba.
14 他是上主、我們的天主,他的判斷達於四方。
Jehovah, Izy no Andriamanitsika, manerana ny tany rehetra ny fitsarany.
15 他永遠記憶他的盟約,萬世不忘所許的諾言,
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny. Dia ilay teny voadidiny ho an’ ny taranaka arivo mandimby,
16 即與亞巴郎所立的盟約,向依撒格所許的誓言,
Eny, dia ilay nataony tamin’ i Abrahama sy ny fianianany tamin’ Isaka,
17 為雅各伯定為律例,為以色列定為永久的盟約,
Izay naoriny ho lalàna ho an’ i Jakoba sy ho fanekena mandrakizay ho an’ Isiraely,
18 說我必將客納罕地賜給你,作為你們的一分產業。
Ka nataony hoe: Homeko anao ny tany Kanana ho lovanareo voazara amin’ ny famolaina;
19 當時他雖然人丁有限,數目稀少,還在作那地的旅客,
Fony mbola olom-bitsy ianareo, Eny, Vitsy sady vahiny tao,
20 從這族走到那族,從這國移到那國。
Ary nifindrafindra tany amin’ ny firenena, sy nifindrafindra fanjakana ho amin’ ny firenen-kafa,
21 他不但為容許任何人壓迫他們,而且為了他們,還懲戒列王說:
Tsy nisy navelany hampahory azy; Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin’ ireo hoe:
22 不要觸犯我的受傅者,不要傷害我的先知。
Aza manendry ireo voahosotro, Ary aza manisy ratsy Ireo mpaminaniko.
23 大地都要歌頌上主,天天宣揚他的救恩。
Mihira ho an’ i Jehovah, ry tany rehetra; Lazao isan’ andro isan’ andro ny famonjeny mahafaly.
24 在列邦中傳述他的光榮,在萬民中闡揚他的奇事。
Ambarao any amin’ ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ ny firenena rehetra ny fahagagana ataony.
25 因為上主是偉大的,應極受讚美,應受敬畏超越眾神。
Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, sady mahatahotra, fa ambonin’ ny andriamanitra rehetra.
26 因為列族的神盡屬虛無,唯獨上主造了諸天。
Fa ny andriamanitry ny firenena rehetra dia tsinontsinona, fa Jehovah no nanao ny lanitra.
27 尊榮及威嚴在他面前,能力和歡樂在他聖所內。
Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, Hery sy hafaliana no ao amin’ ny fitoerany.
28 萬邦各族啊! 你們應將光榮能力歸於上主,都歸於上主;
Ry firenena, manomeza an’ i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’ i Jehovah.
29 應將上主的各應得的尊榮,歸於上主,帶著獻儀到他面前,以聖潔的華飾敬拜上主。
Manomeza an’ i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo anatrehany; Miankohofa eo anatrehan’ i Jehovah amin’ ny fihaingoana masìna
30 大地在他面前應該戰慄,是他使世界堅立,不致動搖。
Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra; Izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika.
31 願諸天喜樂,願大地歡騰,願人在列族中說:上主為王!
Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravo ny tany; Ary aoka holazaina any amin’ ny firenena hoe: Jehovah no Mpanjaka.
32 願滄海及充滿其中的一切,澎湃作響;願田疇和田間的一切,歡欣踴躍!
Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy; Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra ao aminy.
33 願森林中的樹木,在上主面前歡呼歌唱! 因為他已降臨審判大地。
Dia hihoby eo anatrehan’ i Jehovah amin’ izay ny hazo an’ ala; Fa avy hitsara ny tany Izy.
34 你們應當稱謝上主,因為他是至善的,因為他的仁慈永遠常存。
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy: Fa mandrakizay ny famindram-pony.
35 你們要說:拯救我們的天主,拯救我們;從異民中召集我們,救出我們,好讓我們稱頌你的聖名,以讚美你為驕傲。
Ary manaova hoe: Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ary angòny izahay, ka vonjeo tsy ho azon’ ny jentilisa, Mba hisaoranay ny anaranao masìna, ka ho reharehanay ny fiderana Anao.
36 上主,以色列的天主,應受讚美,從永遠直到永遠」全體人民答說:「阿們。願上主受讚美! 」[規定約櫃與帳幕前的禮儀]
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an’ i Jehovah.
37 以後,達味在那裏,即在上主的約櫃前,委派阿撒夫及其兄弟,天天按照規定,不斷在約櫃前供職;
Ary Asafa sy ny rahalahiny dia navelan’ i Davida teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ Jehovah hanao fanompoam-pivavahana ao mandrakariva araka ny raharaha tokony hatao isan’ andro,
38 還有敖貝得厄東和他的同族兄弟六十八人。又派耶杜通的兒子敖貝得厄東,還有曷撒為守衛。
ary Obed-edoma sy ny rahalahiny valo amby enim-polo sy Obed-edoma, zanak’ i Jedotona, ary Hosa ho mpiandry varavarana kosa.
39 派司祭匝多克與其弟兄眾司祭,在基貝紅高處上主的帳幕前,
Ary Zadoka mpisorona sy ny mpisorona rahalahiny dia navelany teo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah teo amin’ ny fitoerana avo any Gibeona,
40 在全燔祭壇上,每日早晚按照上主法律書上吩咐以色列所寫的,常向上主獻全燔祭。
hanatitra fanatitra dorana ho an’ i Jehovah marain-tsy hariva eo amin’ ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mandrakariva, ary hanao araka izay rehetra voasoratra ao amin’ ny lalàn’ i Jehovah, izay nandidiany ny Isiraely,
41 與他們一起的,還有赫曼、耶杜通及其他被選登記的人,專為稱頌上主:「因為他的仁慈永遠常存。」
ary naman’ ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
42 他們吹號敲鈸,演奏各種樂器,歌頌天主。耶杜通的兒子作守衛。
Ary tao amin’ i Hemana sy Jedotona nisy trompetra sy kipantsona ho an’ izay mampaneno ary ny fomban’ ny zava-manenon’ Andriamanitra. Ary ny zanak’ i Jedotona no mpiandry varavarana.
43 以後,民眾各自回家,達味也回去祝福自己的家。
Ary dia samy nody tany an-tranony avy ny olona rehetra, ary Davida koa lasa nody mba hitso-drano ny ankohonany.

< 歷代志上 16 >