< 2 Thusimbu 25 >

1 Amaziah hi leng ahung chan chun kum somni le nga alhingtaan ahi, amahin Jerusalemma kum somni le ko sungin vai anahomme. Anu chu Jerusalemma konna Jehoaddan ahi
Dimy amby roa-polo taona Amazia, fony izy vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema.
2 Amahin Pathen lunglhai na lamjeng anabollin ahinlah alungthim pumpi anapepon ahi
Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy, nefa tsy dia tamin’ ny fony rehetra.
3 Amahin athaneina ahin kisuhdet phatnin apa anathat sepai lamkai teni chu anathat nin ahi
Ary nony tafapetraka tsara tamin’ ny fanjakany izy, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy.
4 Ahinlah achateo ana thapehpoi, aman Mose daanna kisei Pathenin Mose daanna kiseichu anajuijin ahi. Hicheachun achate thilse boljeh a apate kithat louding chuleh pate thilse boljeh a achate kithat louding daan chu anajui ahi, michu amatahin thilse abol jeh a bou kithat ding ahi
Nefa ny zanak’ ireo namono dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna, dia ao amin’ ny bokin’ i Mosesy, izay nandidian’ i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin’ ny ataon’ ny rainy, fa samy ho faty amin’ ny fahotany avy ny olona.
5 Lengpa Amaziah in Judah leh Benjamin phungsung asemtoh in aphung dungjuijin galsat thei sepai hochu sangkhat chunga vaihom jakhat chunga vaihom akoi jin ana gongtoh in ahi. Hiche hochu kum somni leh achung langho abonchaovin sang jathum (Lakh thum) alhing un ahi. Hiche hochu tengcha leh ompho mangcha – a galsatje themcheh lhentum hochu ahiove.
Ary novorin’ i Amazia ny Joda, ka nalahany araka ny fianakaviany avy, dia araka ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato avy amin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra: dia nisainy ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, ka olona telo hetsy voafantina no hitany, izay azo nalefa hanafika sady nahatan-defona sy ampinga lehibe.
6 Hiche chungchon chun aman sepai sang jakhat (Lakh khat), dangka K. g 3400 (Sangthum le Jali) in Israel sepaiho achodoh in ahi.
Ary nisy lehilahy mahery iray hetsy tamin’ ny Isiraely nokaramainy talenta volafotsy zato.
7 Ahinlah themgaokhat ache in lengpa kommah “Hiche Israel sepai hohi kilhonpi hihin agatin ahi. Sahlam leng gamma konna hunghohi Pathenin amangcha pouve agatin ahi.
Nefa nisy lehilahin’ Andriamanitra tonga tao aminy ka nanao hoe: Ry mpanjaka, aza avela hanaraka anao ny miaramilan’ ny Isiraely; fa tsy omban’ i Jehovah ny Isiraely, dia ny taranak’ i Efraima rehetra.
8 Nangin amahochu kimangcha leh galla kihatjepmin te nati ding ahin, ahinlah galjo leh gallel nahi Pathen khutna um ahibouvin aman nagalmite najopeh ding ahinai” atipeh in ahi.
Fa mandehana ihany ianao, ka manaova, ary mahereza amin’ ny ady; fa hataon’ Andriamanitra lavo eo anoloan’ ny fahavalo ianao; fa Andriamanitra no mahay mamonjy sy mampahalavo.
9 Amaziah chun themgaopa kommachun ‘Ahileh kasumpeh hochu itiding hitam?” atin ahileh Pakaiyin hiche sanga tamjo chu nahin lepehthei ahinai!” atipeh e.
Fa hoy Amazia tamin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra: Ka hataontsika ahoana ny amin’ ny talenta zato nomeko ny miaramilan’ ny Isiraely? Asy hoy ilay lehilahin’ Andriamanitra taminy: Jehovah mahay manome anao mihoatra lavitra noho izany.
10 Hijeh chun Amaziah in a sepai chohsah hochu a inlang uva alesoltan ahileh amaho Juda mipiho chungah lunghang tahin a inlang nguvah akile taovin ahi.
Dia navahan’ i Amazia ireo miaramila tonga tao aminy avy tamin’ ny Efraima ireo mba hody indray; ary nirehitra mafy ny fahatezeran’ ireo tamin’ ny Joda, dia lasa nody izy sady tezitra indrindra.
11 Amaziah amale ama akihan lhon Chikhuh phaicham machun a sepaite apuilutnin Edom sepaite chu akisatpin sangsom athatnin ahi.
Ary Amazia nitombo hery, dia nitarika ny vahoakany ka nankany amin’ ny Lohasahan-tsira, ary nahafaty iray alina tamin’ ny taranak’ i Seïra izy.
12 Chuleh adang sangsom jong galhingin amannin ahi. Agal hing amatnu chu Sela khopi kaldoh na – a apuitouvin aseplhaovin ahileh abonchaovin anoilanga song pi chunga achuovin abonnun athigam taovin ahi.
Ary ny iray alina sisa nataon’ ny taranak’ i Joda sambo-belona, dia nentiny teo an-tampon’ ny hantsam-bato ary navariny teo, ka montsamontsana izy rehetra.
13 Alangkhatnah Israel sepaite Amaziah in galla akonpi nomlou anungsol houchun Samaria leh Ben Horon kikah a um Judah khopi hochu adekhummun mi 3000 lang athatnun thiltamtah jong achomdoh un ahi
Fa ireo miaramila izay nampodin’ i Amazia tsy hiara-manafika aminy dia nihahakahaka teny an-tanànan’ ny Joda hatrany Samaria ka hatrany Beti-horona ka nahafaty olona telo arivo tany sady nahazo babo betsaka.
14 Amaziah in Edom mite agajo a ahung kileochun adoibom houchu ahin polutnun akitunun gim namtwi alhutnammun Pathen houvin ahou taovin ahi.
Ary Amazia, nony niverina avy nanafika ny Edomita, dia nitondra ny andriamanitry ny taranak’ i Seïra ka nanangana azy ho andriamaniny; ary niankohoka teo anatrehany izy sady nandoro ditin-kazo manitra ho azy.
15 Hiche athilbol hin Pathen asulung hanglheh tan hijeh chun aman a themgaopao chu Amaziah kommah asollin hitin agaseije “Nang thaneina a kon jengajong amite huhdoh joulou pathen ho chu nangin ibola nahou ham?” agatisah in ahi
Dia nirehitra tamin’ Amazia ny fahatezeran’ i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin’ ny tananao aza?
16 Amaziah chun themgaopa thusei chu asutangin lunghantah in ahin donbutnin “Nanghi itih a chu lengpa thuhil dinga naki pansah be hem?” thipmin achuti louleh nanghi kahin thatei ding nahi! atin ahi. Hichun themgaopa chu athiptai, ahinlah gihna thuhohi aseidoh mannin ahi, “Nangin kahilna ho jouse chu na nahsah loujeh in Pathenin nanghi nasuhmang got ahitai tihi kahetai” ati
Ary raha niteny taminy izy, dia novaliany hoe: Moa voatendrinay ho mpanolo-tsaina ny mpanjaka va Hianao? Aoka itsy ange, fandrao asian’ ny olona ianao. Dia nitsahatra ilay mpaminany ka nanao hoe: Fantatro fa Andriamanitra mikasa hahafaty anao satria nanao izany ianao ka tsy nihaino ny anatro.
17 Judahte lengpa Amaziah in ama thuhilla pangho thu chu alaan Israel tetoh kisat dingin tohgon ahin neitai. hitichun, aman Israel lengpa Jehoahaz chapa chuleh Jehu tupa Jehoash komma chun thu ahin thottan kisat tou hite tin ahin chouvin ahi
Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, naka hevitra, dia naniraka tany amin’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, zanak’ i Jeho, mpanjakan’ ny Isiraely, izy hanao hoe: Avia, aoka isika hihaona.
18 Jehoash chun Amaziah kommah adonbutnin alethotnin “Khatvei hi Lebanon Molhoa kon in lingthing phung khatnin Cedar thingphung kommah “Kachapa jidingin nachanu chu neihin pen atin ahileh gamsakhat ahungvah len lingphung chu ahung pal bongtaan ahi
Fa Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, naniraka tany amin’ i Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin’ ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanakolahy ny zanakaovavy ho vadiny; dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo.
19 Tun Amaziah nangin Edom mite najomannin nakilet sah tai ahinlah na in na nakitou thimbeh dinga kaseipeh nahi. nangman na mite manthahna dingbep ma mi nachouham?
Lazainao fa namely an’ i Edoma ianao, ka dia nanesika anao hirehareha ny fonao; mitoera ihany ange ao an-tranonao, fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin’ ny Joda koa ianao?
20 Ahinlah Amaziah chun mithusei angaipon ahi Edom mite doihou hochu aman jong ahin houphat na Pathenin amachu gal alelsah got ahi
Fa tsy nanaiky Amazia, satria avy tamin’ Andriamanitra izany, mba hanolorany azy ho eo an-tànan’ ny fahavalony noho ny nitadiavany ny andriamanitry ny Edomita.
21 Hitichun Israel lengpa Jehoash chu Judah lengpa Amaziah toh kisat dingin ahung kondoh tan ahi. Amaho chu Judah gamma Beth – Shemesh munnah akimai touvin ahi
Ka dia niakatra Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan’ ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay an’ i Joda.
22 Judah Sepaiten alellun a inlanguvah ajam gamtaovin ahi
Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.
23 Jehoash in Amaziah chu amannin Jerusalem langah akaitaan ahi. Hichun aman Jerusalem kulpi palchu Ephraim kelkot phunga pat kulpi ning kelkot phung geijin tong jali jen avochimtai
Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ Joasy, zanak’ i Joahaza, dia nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, tany Beti-semesy ka nentiny nankany Jerosalema; ary nandravan’ i Joasy efa-jato hakiho ny mandan’ i Jerosalema hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.
24 Aman Pathen Houin sunga kon in Sana le dangka chuleh thiljouse chu abonchan akichomdoh in, angahpa Obed – Edom jongchu amat than chuleh lengpa in na thilgun hojouse jong achommin chuleh ahingin miphabep jong Samaria langah akai taovin ahi
Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon’ Andriamanitra tao amin’ i Obed-edoma sy tamin’ ny rakitry ny tranon’ ny mpanjaka mbamin’ ny olona natao antoka koa, ka dia niverina ho any Samaria izy.
25 Judah lengpa Joash chapa Amaziah Israel lengpa Jehoahaz chapa Joash thijouvin kum 15 ahing nalaijjin ahi
Ary ny andro niainan’ i Amazia zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Joda, taorian’ ny nahafatesan’ i Joasy, zanak’ i Joahaza, mpanjakan’ ny Isiraely, dia dimy ambin’ ny folo taona.
26 Amaziah vaihom akipatna pat akichai geija anatoh athilbol hojouse chu Judah le Israel lengte thusim kijih lutna lekha bua chun aumsoh keijin ahi
Ary ny tantaran’ i Amazia sisa, na ny voalohany na ny farany, indro, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Joda sy ny Isiraely va izany?
27 Amaziah Pakaija konna ahung kiheimanga kon in Jerusalem ama dounan tohgon ahung umtaan ahileh ama Lachish lamma ajam taan ahi ahinlah amahon Lachish lamma mi asollun hichea chun ahin that taovin ahi
Ary hatramin’ ny andro nihemoran’ i Amazia tsy nanaraka an’ i Jehovah dia niodina taminy tany Jerosalema ny olona, ka dia nandositra nankany Lakisy izy; fa naniraka nanaraka azy tany ny olona ka namono azy tany.
28 Hichun amahon sakol lah ahin pouvin Judah khopi ah apu apa te kivuina – a avui taove
Ary nasampiny tamin’ ny soavaly ny fatiny, dia naleviny tao amin’ ny razany tao an-tanànan’ ny Joda.

< 2 Thusimbu 25 >