< Tingtoeng 107 >
1 A sitlohnah tah kumhal hil ham a then dongah BOEIPA te uem uh lah.
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony.
2 Rhal kut lamkah a tlan hlang loh BOEIPA kah a tlan te thui saeh.
Aoka hanao izany ny navotan’ i Jehovah, Dia izay navotany ho afaka tamin’ ny tanan’ ny fahavalo,
3 Te vaengah amih te khocuk, khotlak, tlangpuei, tuitunli, khohmuen amkah a coi.
Sy nangoniny avy tany amin’ ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin’ ny ranomasina.
4 Khosoek khopong ah khopuei tolrhum longpuei a hmuh uh mueh la kho a hmanguh.
Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana.
5 Bungpong neh tuihalh la a khuiah a hinglu te rhae.
Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny,
6 Kho a bing vaengah BOEIPA te a khue uh tih khobing khui lamkah amih te a huul.
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny;
7 Te dongah amih te tolrhum khopuei la caeh ham a thuem longpuei neh a hoihaeng.
Dia nitondra azy tamin’ ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin’ izay tanàna honenana.
8 Hlang koca rhoek ham a sitlohnah neh khobaerhambae aka sai BOEIPA te uem uh pai saeh.
Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
9 A hinglu aka halthi te tuihalh a dip pah sak tih a hinglu aka pongnaeng te khaw hnothen a cung sak.
Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.
10 Hlangvang tah khohmuep neh dueknah hlipkhup kah thirhui neh phacipphabaem la aka ngol thongtla la coenguh.
Izay nipetraka tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy,
11 Pathen kah olka te a koek uh tih Khohni kah oluen khaw a tlaitlaek uh.
Satria nandà ny tenin’ Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra;
12 Te dongah thakthaenah dongla a kunyun sak tih a lungbuei a toh uh vaengah bom pawh.
Dia nampietreny tamin’ ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;
13 Tedae kho a bing uh vaengah BOEIPA taengla pang uh tih amih te khobing khui lamkah koep a khang.
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.
14 Amih te khohmuep neh dueknah hlipkhup lamkah a poh tih a kuelrhui khaw a bawt pah.
Nitondra azy nivoaka avy tao amin’ ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany.
15 Hlang koca rhoek ham a sitlohnah neh khobaerhambae aka sai BOEIPA te uem uh pai saeh.
Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
16 Rhohum thohkhaih te a phil tih thicung thohkalh khaw a tloek.
Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
17 Amih tah boekoek longpuei kah hlang ang neh amamih kathaesainah dongah phaep uh.
Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony:
18 A hinglu loh caak boeih a tuei pah uh tih dueknah vongka te a paan uh.
Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin’ ny fahafatesana izy.
19 Kho a bing vaengah BOEIPA taengah pang uh tih amih te khobing khui lamkah a khang.
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin’ ny fahatereny.
20 A ol a hlah phoeiah amih a hoeih sak tih amih rhomhmop te a poeng a hal sak.
Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin’ ny longoa nianjerany.
21 Hlang koca rhoek ham a sitlohnah neh khobaerhambae aka sai BOEIPA te uem uh pai saeh.
Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
22 Te dongah uemonah hmueih te nawn uh saeh lamtah tamlung neh a bibi te doek uh saeh.
Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin’ ny fihobiana.
23 Sangpho neh tuitunli ah suntla uh tih tui puei ah bitat aka saii rhoek loh,
Izay midìna any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin’ ny rano lehibe
24 BOEIPA kah bibi neh a laedil kah khobaerhambae te a hmuh uh.
No mahita ny asan’ i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin’ ny rano lalina.
25 A voek vaengah hlipuei khohli thoo tih tuilae khaw samboek.
Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano;
26 Vaan la luei uh tih tuidung la a suntlak uh vaengah a hinglu tah yoethaenah neh paci uh.
Niakatra hatramin’ ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin’ ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana.
27 Yurhui bangla lam uh tih a yoka dongah a cueihnah boeih hma uh.
Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra.
28 Kho a bing vaengah BOEIPA taengla pang uh tih amih te khobing khui lamkah a poh.
Dia nitaraina tamin’ i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin’ ny fahatereny Izy.
29 Hlipuei te bidip la a duem sak tih tuiphu rhoek khaw ngam uh.
Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
30 Tuiphu a sap vaengah a kohoe uh tih amamih kah a naepnah langdai la a mawt.
Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin’ ny fitodiana niriny izy.
31 Hlang koca rhoek ham a sitlohnah neh khobaerhambae aka sai BOEIPA te uem uh pai saeh.
Aoka hidera an’ i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin’ ny zanak’ olombelona!
32 Te dongah pilnam hlangping lakliah amah te pomsang uh saeh lamtah patong rhoek kah tolrhum ah thangthen uh saeh.
Ary aoka hanandratra Azy eo amin’ ny fiangonan’ ny olona izy Ka hidera Azy eo amin’ ny fipetrahan’ ny loholona.
33 Tuiva te khosoek la, tuiphuet tui khaw tuihang la a khueh.
Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana,
34 Cangthen kho khaw boethae loh kho a sak thil dongah lungkaehlai la,
Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian’ ny mponina eo.
35 khosoek te tuibap tui la, rhamrhae lai khaw tuiphuet tui la a khueh.
Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano,
36 Teah te bungpong rhoek kho a sak sak tih tolrhum khopuei a thong uh.
Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana;
37 Te vaengah khohmuen a tawn uh tih misur a tue dongah a vuei a thaih cuen.
Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be.
38 Amih te yoethen a paek tih muep a ping uh vaengah a rhamsa khaw polpai sak pawh.
Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny.
39 Tedae a polpai uh vaengah caya yoethae neh kothae dongah ngam uh sut.
Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo.
40 Hlangcong rhoek te nueihbu a hawk thil tih long mueng hinghong la kho a hmang sak.
Mampidina fanamavoana amin’ ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
41 Tedae khodaeng te phacipphabaem lamkah a hoeptlang tih a hui a ko te boiva bangla a khueh.
Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy, Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany.
42 Aka thuem rhoek loh a hmuh uh vaengah a kohoe uh dae dumlai boeih long tah a ka khoep a buem.
Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.
43 U khaw aka cueih long tah hekah he kuem saeh lamtah BOEIPA kah sitlohnah te yakming uh saeh.
Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon’ i Jehovah.