< Lampahnah 21 >

1 Tuithim kah khosa Arad manghai Kanaan loh Atharim longpuei ah Israel a pawk te a yaak vaengah Israel te a vathoh tih tamna la a sol.
Ary raha ren’ ilay Kananita, mpanjakan’ i Arada, izay nonina teo amin’ ny tany atsimo, fa efa mandeha amin’ ny lalana mankany Atarima ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin’ ny Isiraely.
2 Te vaengah Israel loh BOEIPA taengah olcaeng neh a caeng tih, “He pilnam he ka kut ah nan paek la nan paek atah a khopuei khaw ka thup bitni,” a ti nah.
Dia nivoady tamin’ i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tananay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona avokoa ny tanànany.
3 BOEIPA loh Israel kah ol te a yaak dongah Kanaan te a paek. Te dongah amih neh a khopuei te a thup tih a hmuen ming te Hormah a sak.
Ary Jehovah nihaino ny feon’ ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon’ ny Isiraely levona izy sy ny tanànany; koa ny anaran’ izany tany izany dia natao hoe Horma.
4 Hor tlang lamloh carhaek tuili longpuei la Edom khohmuen te lan ham cet uh. Tedae longpueng ah pilnam kah hinglu tah a huet pah.
Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lalana mankany amin’ ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin’ ny olona noho ny lalana.
5 Te dongah pilnam loh Pathen taeng neh Moses taengah, “Khosoek ah duek ham mai he balae tih Egypt lamloh kaimih nang khuen. Buh om pawh, tui om pawh. Buh kak tangkik he kaimih kah hinglu khaw a mueipuel coeng,” a ti uh.
Ary niteny nanome tsiny an’ Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta amin’ ny lalan’ ny mpisafo-tany izahay ho faty atỳ an-efitra? fa tsy misy mofo na rano atỳ ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony.
6 Te dongah BOEIPA loh pilnam taengah minyuk rhul te a tueih pah tih pilnam te a tuk dongah Israel khui lamkah pilnam muep duek.
Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran’ afo teny amin’ ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely.
7 Te vaengah pilnam te Moses taengla cet tih, “BOEIPA taeng neh nang taengah ka cal uh tholh coeng. BOEIPA taengah thangthui lamtah rhul te kaimih taeng lamloh khoe mai saeh,” a ti uh. Te dongah Moses te pilnam ham a thangthui pah.
Dia nankeo amin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an’ i Jehovah sy ianao. Ifony amin’ i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an’ ny olona Mosesy.
8 Te dongah BOEIPA loh Moses te, “Namah loh minyuk saii lamtah rholik soah bang, te vaengah nana om bitni, rhul kah a tuk boeih loh te te a hmuh vaengah hing ni,” a ti nah.
Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran’ afo, ka ahantòny amin’ ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany.
9 Te phoeiah Moses loh rhohum rhul te a saii tih rholik dongah a tai. Te a om phoeiah atah rhul loh hlang a tuk akhaw rhohum rhul te a paelki tih hing.
Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin’ ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona.
10 Te phoeiah Israel ca rhoek te thoeih uh tih Oboth ah rhaeh uh.
Ary ny Zanak’ Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota.
11 Oboth lamloh thoeih uh tih khomik khocuk kah Moab dan, Ijeabarim khosoek ah rhaeh uh.
Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin’ ny efitra izay mifanolotra amin’ i Moaba, tandrifin’ ny fiposahan’ ny masoandro.
12 Te lamloh cet uh tih Zered soklong ah rhaeh uh.
Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin’ ny lohasahan-driaka Zareda.
13 Te lamloh cet uh tih Amori khorhi lamkah aka pawk khosoek kah Arnon rhalvangan ah rhaeh uh. Moab khorhi kah Arnon tah Moab laklo neh Amori laklo ah om.
Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin’ i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin’ ny fari-tanin’ ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin’ ny Moabita, eo anelanelan’ ny Moabita sy ny Amorita.
14 Te dongah BOEIPA kah caemtloek cabu khuiah tah “Suphah kah Vaheb neh Arnon soklong,” a ti.
Koa izany no ilazana eo amin’ ny Bokin’ ny Adin’ i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa sy ny lohasahan-driaka Arnona,
15 Soklong kah tuibah te Ar khosa la a doo tih Moab khorhi te a pangnat.
Ary ny tany kisolosolo amin’ ny lohasahan-driaka, izay mandroso mankeo amin’ ny tanin’ i Ara ka mipaka amin’ ny fari-tanin’ i Moaba.
16 Te lamloh Beer la thoeih uh tih tekah tuito ah tah BOEIPA loh Moses te, “Pilnam te coi lamtah amih te tui ka pae eh?,” a ti nah.
Ary niala tao izy hankany Bera, dia ilay lavaka fantsakana nilazan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy.
17 Te vaengah Israel loh hekah laa he a hlai. Tuito phuet lah, amah te doo lah.
Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy;
18 Tuito te mangpa rhoek loh a too uh tih, pilnam hlangcong rhoek loh a vueh. Mattanah khosoek lamloh a conghol neh a taem uh.
Lavaka fantsakana izay nohadin’ ireo mpanao lalàna, ary nolavahan’ ireo manan-kaja amin’ ny firenena. Tamin’ ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana.
19 Mattanah lamloh kaloh Nahaliel, Nahaliel lamloh Bamoth,
Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota;
20 Bamoth lamloh Moab khohmuen kah kolrhawk, Pisgah som neh khopong hmai kah a dan la thoeihuh.
ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin’ ny tany Moaba, ao an-tampon’ i Pisga, izay manatrika ny efitra.
21 Israel loh Amori manghai Sihon taengah puencawn a tueih tih,
Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, hanao hoe:
22 “Na khohmuen longah ka kat mai eh, lohma li neh misurdum khuiah ka ael uh mahpawh, tuito tui khaw ka o uh mahpawh, na khorhi ka poeng hil manghai longpuei bangla ka vai uh bitni,” a ti nah.
Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin’ ny saha na ho amin’ ny tanim-boaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin’ ny lavaka fantsakana; ny lalan’ andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao.
23 Tedae Sihon loh Israel te a khorhi longah kat sak pawh. Sihon loh a pilnam boeih te a coi tih Israel doe ham khosoek la cet uh. Jahaz la a pawk vaengah Israel te a tloek.
Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin’ ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin’ ny Isiraely teo izy.
24 Te dongah Israel loh anih te cunghang ha neh a tloek tih a khohmuen te Arnon lamloh Jabbok hil, Ammon koca taeng duela a huul pa. Te vaengah Ammon koca khorhi tah cak.
Ary ny Isiraely namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Amona ka hatrany Jaboka, dia hatramin’ ny taranak’ i Amona; fa mafy ny fari-tanin’ ny taranak’ i Amona.
25 Israel ca loh te kah khopuei boeih te a loh pah. Te dongah Israel loh Amori khopuei rhoek boeih ah khaw, Heshbon neh a khobuel boeih ah khaw kho a sak.
Dia nalain’ ny Isiraely izany tanàna rehetra izany; ary nonenany ny tanànan’ ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra.
26 Amori manghai Sihon kah khopuei Heshbon phoeiah tah lamhma kah Moab manghai te a tloek tih a kut lamkah a khohmuen pum te Arnon duela a loh.
Hesbona no tanànan’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan’ i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona.
27 Te dongah aka thuidoek rhoek loh, “Halo uh, Heshbon thoh uh lamtah Sihon khopuei khaw sikim saeh,” tila aka thuidoek rhoek loh a thuiuh.
Izany no nanaovan’ ny mpanao oha-teny hoe: Midìra ao Hesbona ianareo; aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanànan’ i Sihona;
28 Hmai te Heshbon lamloh puek tih Sihon khorha lamkah hmaisai loh Arnon kah hmuensang boei, Moab Ar te a hlawp.
Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, sy lelafo avy tao an-tanànan’ i Sihona, Ka nandevona an’ i Aran’ i Moaba sy ny tompon’ ny havoan’ i Arnona.
29 Anunae Moab nang aih te, Khemosh pilnam na milh coeng, a capa rhoek! te hlangyong la, a canu rhoek khaw Sihon Amori manghai taengah thongtla la a paek.
Lozanao, ry Moaba! Ringana ianao, ry olon’ i Kemosy! Foiny handositra ny zananilahy, ary navelany ho babo ny zananivavy, ho an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita.
30 Amih te n'dong tih Heshbon tah Dibon duela milh, Medeba taengkah Nophah duela m'pong sak uh coeng,” a ti uh.
Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an’ i Medeba.
31 Te dongah Israel loh Amori khohmuen ah kho a sak.
Dia nitoetra tao amin’ ny tanin’ ny Amorita ny Isiraely.
32 Te phoeiah Moses loh Jazer ah longyam la a tueih tih a khobuel rhoek te a buem, a huul uh phoeiah Amori te pahoi a vai uh.
Ary Mosesy naniraka olona hisafo an’ i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany.
33 Te phoeiah mael uh tih Bashan longpuei a paan uh. Te vaengah Bashan manghai Oga tah amih doe hamla amah khaw a pilnam boeih khaw, Edrei caemtloeknah la cet.
Ary niverina ny olona ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan’ i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy.
34 Tedae BOEIPA loh Moses taengah, “Anih te rhih boeh, Na kut dongah anih neh a pilnam boeih khaw, a khohmuen khaw kam paek coeng. Heshbon kah khosa, Amori manghai Sihon taengah na saii bangla anih te saii van,” a ti nah.
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Aza matahotra azy ianao, fa efa natolotro eo an-tananao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona.
35 Te dongah a taengah rhaengnaeng khaw a sueng pawt hil amah khaw, a ca rhoek khaw, a pilnam boeih khaw a tloek pa uh tih a khohmuen te a huul uh.
Dia namely azy sy ny zananilahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.

< Lampahnah 21 >