< Sunglatnah 31 >
1 BOEIPA loh Moses te a voek tih,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Judah koca lamloh Hur capa Uri kah a ca, a ming ah Bezalel la ka khue he hmu ne.
Indro, efa notononiko anarana Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda;
3 Anih te Pathen mueihla lamloh cueihnah neh, lungcuei neh, mingnah neh bitat cungkuem ka kum sak.
ary efa nofenoiko fanahin’ Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin’ ny tao-zavatra samy hafa:
4 Sui neh ngun neh rhohum neh a saii te kopoek neh moeh saeh.
dia ny hihevitra hanao asa kanto, ny hiasa volamena sy volafotsy ary varahina
5 Lungto kutthaibibi neh cung sak ham neh thing kutthaibibi dongah khaw bitat cungkuem dongah saii ham ka khue.
sy ny hamboatra vato halatsaka an-tranontranony ary ny handrafitra hazo, mba hanaovany ny tao-zavatra samy hafa.
6 Kai loh anih neh Dan koca kah Ahisamak capa Oholiab ka tuek coeng he ne. A lungbuei ah lungbuei kah a cueih cungkuem te cueihnah la ka paek tih nang kang uen te boeih saii uh saeh.
Ary, indro, Izaho efa nanome an’ i Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, ho namany; ary ny fon’ izay hendry rehetra dia efa nasiako fahendrena, mba hanaovany izay rehetra efa nandidiako anao:
7 Tingtunnah dap neh olphong thingkawng khaw, a sokah a tlaeng neh dap dongkah hnopai boeih,
dia ny trano-lay fihaonana sy ny fiara hasiana ny Vavolombelona sy ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo amboniny, sy ny fanaka rehetra momba ny trano-lay.
8 Caboei neh a tubael khaw, hmaitung tang neh a tubael boeih neh bo-ul hmueihtuk,
sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka momba azy, sy ny fanaovan-jiro tsara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra
9 Hmueihhlutnah hmueihtuk neh a tubael boeih, baeldung neh a kho khaw,
sy ny alitara fandoroana ny fanatitra odorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ary ny tavy, sy ny faladiany.
10 Hnithun himbai neh khosoih Aaron kah hmuencim himbai khaw, aka khosoih ham a ca rhoek himbai khaw,
ary ny fitafiana makarakara sy ny fitafiana masìna ho an’ i Arona mpisorona sy ny fitafian’ ny zanany ho entiny misorona,
11 koelhnah situi neh hmuencim kah bo-ul botui khaw nang kang uen bangla boeih a saii uh bitni,” a ti nah.
ary ny diloilo fanosorana sy ny ditin-kazo manitra ho ao amin’ ny fitoerana masìna: araka izay rehetra nandidiako anao no aoka hataon’ ireo.
12 BOEIPA loh Moses te a voek tih,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
13 “Namah loh Israel ca rhoek te voek lamtah, 'Ka Sabbath he kai laklo neh nang laklo kah miknoek la tuem. Na cadilcahma ham khaw nangmih aka ciim tah Yahweh kamah ni tila aka ming sak la om saeh.
Ary dia milaza amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao hoe: Ny Sabatako no tandremo; fa famantarana ho amiko, sy ho aminareo hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasìna anareo.
14 Nangmih ham a cim dongah Sabbath te tuem uh. Te te aka poeih tah duek rhoe duek saeh. Te vaengah bitat aka saii boeih khaw a hinglu te a pilnam khui lamloh hnawt pah saeh.
Koa tandremo ny Sabata, fa masìna aminareo izany; izay tsy manamasìna azy dia hatao maty tokoa, fa izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
15 Hnin rhuk khuiah bitat te saii saeh. Tedae hnin rhih dongkah koiyaeh Sabbath tah BOEIPA ham khaw cim saeh. Sabbath hnin ah bitat aka saii boeih tah duek rhoe duek saeh.
Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena fitsaharana ka masìna ho an’ i Jehovah: izay rehetra manao raharaha amin’ ny andro Sabata dia hatao maty tokoa.
16 Te dongah Israel ca rhoek loh Sabbath te tuem saeh. Sabbath a saii te a cadilcahma ham khaw kumhal kah paipila om saeh.
Dia hotandreman’ ny Zanak’ Isiraely ny Sabata hankatoavany azy hatramin’ ny taranany fara mandimby, dia fanekena mandrakizay izany.
17 Kai laklo neh Israel ca rhoek laklo ah kumhal kah miknoekla om ni. BOEIPA loh hnin rhuk ah vaan neh diklai a saii. Tedae hnin rhih dongah a toeng tih tha a sai sak ta,'ti nah,” a ti nah.
Ho famantarana amiko sy amin’ ny Zanak’ Isiraely mandrakizay izany; fa tamin’ ny henemana no nanaovan’ i Jehovah ny lanitra sy ny tany, ary tamin’ ny andro fahafito dia nitsahatra Izy ka niala sasatra.
18 Anih taengah a thui te a khah nen tah Sinai tlang ah Pathen kah kutdawn loh lungto cabael a daek tih olphong cabael panit la Moses taengah a paek.
Ary rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny azy ny vato fisaka roa, izay nisy ny Vavolombelona, dia vato fisaka voasoratry ny rantsan-tànan’ Andriamanitra.