< Solomon Laa 1 >

1 Laa rhoek khuikah Laa he Solomon kah ni.
Ny tonon-kira tsara indrindra, izay nataon’ i Solomona.
2 Namah hlo tah misurtui lakah then tih a ka dongkah moknah neh kai m'mok lah sue.
Enga anie ka hanoroka ahy amin’ ny fanorohan’ ny vavany izy! Fa tsara noho ny divay ny fitiavanao.
3 Namah tah situi bo neh na then pai tih situi loh na ming a puem pai. Te dongah ni hula rhoek long nang n'lungnah.
Mani-pofona ny menakao tsara, menaka manitra voaidina ny anaranao, koa izany no itiavan’ ny zatovovavy anao.
4 Namah hnukah kai m'mawt lamtah yong mai sih. Kai he manghai loh amah imhman la n'khuen coeng. Rhoihui Namah ah ka omngaih uh tih ka kohoe uh. Nang kah hlo rhoek tah misurtui lakah ka poek uh tih vanat la nang n'lungnah uh.
Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
5 Ka muem cakhaw Jerusalem nu rhoek tah Kedar dap banglam khaw, Solomon himbaiyan banglam khaw rhoeprhui mai.
Mivalomainty aho, nefa tsara tarehy, ry zanakavavin’ i Jerosalema, toy ny lain’ i Kedara, toy ny ambain-dain’ i Solomona.
6 Khomik loh kai n'hmuh tih ka muem dongah nim kai nan hmuh pawh? Ka manu ca rhoek te kai taengah sai tih misurdum aka hung la kai n'khueh uh. Kamah taengkah ka misurdum ka hung pawt ah.
Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon’ ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak’ ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an’ ny tenako, tsy mba nandrasako.
7 Ka hinglu kah a lungnah te kamah taengah thui lah. Melam na luem sak? Khothun ah melam na kol sak? Te boel tah balae tih na hui rhoek kah tuping taengah aka kulup bangla ka om?
Lazao amiko, ry ilay tian’ ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin’ ny andian’ ny namanao?
8 Huta rhoek khuiah sakthen te na ming pawt atah boiva kholaeh ah namah cet. Na maae-ca te aka dawn rhoek kah dungtlungim ah luem sak.
Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin’ ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian’ ny ondry aman’ osy, ary andraso eny amin’ ny lain’ ny mpiandry ondry ny zanak’ osinao.
9 Ka cangyaeh namah tah Pharaoh leng dongkah ka marhang manu kam puet sak.
Ry tompokovavy havako, ianao dia ampitahaiko amin’ ny soavalivaviko mitarika ny kalesin’ i Farao.
10 Na kam te aitlaeng neh, na rhawn khaw oidik neh damyal mai.
Mahatsara ny tarehinao ireo voahangy voatohy; Manendrika ny vozonao ireo rado.
11 Nang hamla sui aitlaeng neh cak hnathawn khaw n'saii bitni.
Nefa rojo volamena misy voavola mibontsimbontsina kosa no hataonay ho anao.
12 Kamah kah rhai-ul tah manghai amah loh a caboei dongah a hmuehmuei la a khueh.
Raha mipetraka amin’ ny latabany ny mpanjaka, dia mamerovero tsara ny nardako.
13 Kamah hlo kah myrrah cun tah kamah ham ka rhangsuk laklo ah rhaeh coeng.
Ny malalako dia miora am-pehezana madinika mandry eo an-tratrako.
14 Kamah taengkah kamah hlo tah Engedi misurdum kah tlansum thaihsu ni.
Ny malalako dia tahaka ny vonin’ ny kofera amiko, any an-tanimbolin’ i En-jedy.
15 Ka cangyaeh tah na rhoep ne, vahui na mik khaw na sakthen ne.
Indro, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako; Indro, tsara tarehy ianao; Voromailala ny masonao.
16 Ka hlo nang tah na sakthen ne, mah kah soengca hingsuep khaw naepnoi bal.
Indro, tsara tarehy ianao, ry malalako, eny, mahafinaritra; Maitso ny fandriantsika.
17 Lamphai tah mah im kah tungpum saeh lamtah hmaical tah mah kah paekhop saeh.
Sedera ny sakamandimbin’ ny tranontsika, ary kypreso ny peta-drindrintsika.

< Solomon Laa 1 >