< Thothuengnah 20 >

1 BOEIPA loh Moses te a voek tih,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Israel ca rhoek taengah thui pah. Israel ca rhoek neh Israel taengah aka bakuep yinlai khui lamkah hlang khat khat loh a tiingan te Molek taengah a paek atah vang khuikah pilnam loh lungto neh dae uh saeh lamtah duek rhoela duek saeh.
Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’ i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
3 Tekah hlang te kai loh ka hmai ka khueh thil ni. A tiingan te Molek taengla a paek tih ka rhokso te a poeih phoeiah ka ming cim te a thae sak dongah a pilnam khui lamkah ka khoe ni.
Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an’ i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masìna sy hanamavoany ny anarako masìna.
4 Tedae Molek taengah a tiingan aka pae hlang te khohmuen pilnam loh a mik a him a him thil uh tih a duek sak uh pawt atah,
Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an’ i Moloka ny zanany,
5 tekah hlang neh a huiko te kai loh ka hmai ka khueh thil van vetih anih neh anih taengkah aka cuk aka halh boeih khaw, Molek taengah aka cuk aka halh khaw a pilnam khui lamkah ka khoe ni.
dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin’ ny fireneny izy mbamin’ izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’ i Moloka.
6 Rhaitonghma neh hnam hnukah cukhalh ham aka mael hinglu te khaw ka hmai ka khueh thil bal ni. Tekah hlanghing te a pilnam khui lamkah ka khoe ni.
Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny izy.
7 Kai tah na BOEIPA Pathen la ka om dongah nangmih khaw ciim uh lamtah a cim la om uh.
Dia manamasìna ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masìna ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
8 Kai kah khosing he ngaithuen uh lamtah vai uh. Kai tah nangmih aka ciim BOEIPA ni.
Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasìna anareo.
9 Hlang khuikah hlang loh a manu neh a napa te a tap atah duek rhoe duek saeh. A manu a napa a tap dongah amah thii te amah pum ah tla saeh.
Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
10 Hlang yuu neh aka samphaih tih, a hui kah a yuu neh aka samphaih hlang te aka samphaih pa khaw aka samphaih nu khaw duek rhoe duek rhoi saeh.
Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ ny vadin’ olona, dia izay mijangajanga amin’ ny vadin’ ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
11 Hlang te a napa yuu taengah yalh tih a napa kah a yah te a poelyoe pah atah amih rhoi te duek rhoe duek rhoi saeh lamtah a thii te amamih dongah om saeh.
Ary ny olona izay mandry amin’ ny vadin-drainy dia efa nandry tamin’ izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
12 Hlang te a langa taengah a yalh atah amih rhoi te duek rhoe duek saeh. Amah thii te amah dongah pitpom ham a saii rhoi.
Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
13 Huta thingkong bangla tongpa neh tongpa aka yalh te khaw tueilaehkoi ni. Amamih rhoi kah a saii vanbangla duek rhoe duek rhoi saeh lamtah a thii te amamih rhoi tlak thil saeh.
Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny lehilahy, tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
14 Tongpa pakhat loh huta neh a manu te rhen a loh te khaw khonuen rhamtat ni. Amih te hmai neh hoeh uh. Te daengah ni nangmih khui ah khonuen rhamtat a om pawt eh.
Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin’ ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.
15 Rhamsa taengah a tamtah aka khueh hlang te tah duek rhoe duek sak lamtah rhamsa te ngawn uh.
Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa.
16 Rhamsa boeih te khaw amah taengah kui sak ham ni huta loh a paan atah huta te ngawn lamtah rhamsa khaw duek rhoe duek sak uh. A thii te amah pum dongah tla saeh.
Ary raha misy vehivavy manatona handry amin’ ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
17 A napa canu, a manu canu, amah ngannu aka lo tih a napa kah a yah aka so neh a manu kah a yah aka so hlang he khaw rhaidaeng. A pilnam boeina mikhmuh lamkah khoe saeh. A ngannu kah a yah a hli a phen dongah amah kah thaesainah te phuei saeh.
Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin’ ny rainy, na zanakavavin’ ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason’ ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin’ ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
18 Hlang pakhat loh pumthim aka tlo huta te a yalh puei atah anih kah a yah ni a hli a phen pah tih pumthim ni a tai pah. Huta amah long khaw a rhoi tih a thii pumthim te a tai dongah amih rhoi te pilnam khui lamkah khoe uh saeh.
Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan’ ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan’ ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy roroa.
19 Na nu kah a tanu neh na pa ngannu kah a yah khaw hliphen boeh. Te dongah amah saa aka yan tah amamih kah thaesainah te phuei uh saeh.
Ary aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao, na amin’ ny anabavin-drainao; fa mandry amin’ ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka.
20 Hlang pakhat mai long ni a napi te a yalh puei atah a nupu kah a yah ni a hli a phen. Te dongah a tholh te phuei saeh lamtah cakol la duek saeh.
Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vadin’ ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.
21 U bang hlang long khaw a manuca kah a yuu aka rhawt pah tah rhalawt la om. A manuca kah a yah te a hliphen dongah cakol la duek saeh.
Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin’ izay nandrian’ ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
22 Te dongah ka khosing te ngaithuen lamtah ka laitloeknah boeih te vai uh. Te daengah ni kai loh kam pha sak khohmuen loh nangmih te n'lok thil pawt vetih a khuiah te kho na sak uh eh.
Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
23 Namtom kah khosing bangla pongpa uh boeh. Te boeih te a saii uh tih amih te ka muei a puel dongah nangmih mikhmuh lamkah ka haek.
Ary aza manaraka ny fanaon’ ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako.
24 Tedae amih kah khohmuen te na pang ham, ‘Suktui neh khoitui aka long khohmuen pang ham khaw nangmih taengah kamah loh kam paek ni,’ tila nangmih taengah ka thui. Nangmih kah Pathen BOEIPA kamah long ni pilnam khui lamkah nangmih kan hoep.
Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ ny firenena samy hafa.
25 Te dongah rhamsa aka cuem te rhalawt khui lamloh, vaa rhalawt te khaw a cuem lamloh hoep uh. Na hinglu te rhamsa nen khaw, vaa nen khaw, diklai kah aka colh boeih nen khaw rhun uh boeh. Te tah nangmih ham aka poeih uh lam ni ka hoep.
Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin’ ny biby, na amin’ ny vorona, na amin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.
26 BOEIPA kamah ka cim dongah kai taengah a cim la om uh. Kamah taengah om sak ham ni pilnam rhoek khui lamkah nangmih te kan hoep.
Ary aoka ho masìna ho Ahy ianareo, satria masìna Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.
27 Te dongah tongpa khaw huta khaw, rhaitonghma neh hnam te a om atah duek rhoe duek saeh. Amih te lungto neh dae uh saeh lamtah a thii te amamih dongah tla saeh,” a ti nah.
Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.

< Thothuengnah 20 >