< ESTHER 6 >

1 Te kah khoyin ah tah manghai te a ih hoelh. Te dongah khokhuen olka poekkoepnah cabu te loh hamla a thui pah. Te vaengah manghai mikhmuh ah aka tae pah ham khaw om uh.
Ary tamin’ iny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; ary novakina teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
2 Te vaengah cingkhaa aka tawt, manghai imkhoem rhoi Bigthan neh Teresh loh manghai Ahasuerus kut hlah thil ham a mae rhoi vaengah Mordekai a puen pah tila a daek te a hmuh.
Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an’ i Bigtana sy Taresy, roa lahy isan’ ny tsindranolahin’ i ny mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an’ i Ahasoerosy mpanjaka.
3 Te dongah manghai loh, “He dongah Mordekai ham umponah neh lennah metlam a saii?” a ti nah. Te vaengah amah taengah aka thotat manghai kah tueihyoeih rhoek loh, “Anih ham hno pakhat khaw a saii pah moenih,” a ti uh.
Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an’ i Mordekay noho izany? Fa hoy ny zatovon’ ny mpanjaka Izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy.
4 Manghai loh, “Vongup kah te unim?” a ti vaengah, Haman tah thing dongah Mordekai kuiok sak ham a tawn te manghai taengah thui hamla manghai im kah vongup khuila lom kun.
Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan’ ny tranon’ ny mpanjaka tamin’ izay hiteny amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny hanantonana an’ i Mordekay amin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
5 Te vaengah manghai kah tueihyoeih rhoek loh a taengah, “Haman vongup ah pai ke,” a ti uh. Te dongah manghai loh, “Ha kun saeh,” a ti nah.
Ka hoy ny zatovon’ ny mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy.
6 Haman a kun van neh a taengah, “Manghai loh amah kah umponah dongah khueh a ngaih hlang ham te manghai loh balae a saii pa eh?” a ti nah. Te vaengah Haman loh a lungbuei ah, “Manghai loh kai lakah aka hoeikhang te umponah saii pah ham unim a ngaih?” a ti.
Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin’ izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho?
7 Te dongah Haman loh manghai taengah, “Manghai loh amah kah umponah dongah khueh a ngaih hlang te,
Ka dia hoy Hamana tamin’ ny mpanjaka: Ny amin’ izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra,
8 manghai amah pum dongkah a bai nawn manghai pueinak, manghai loh a soah a ngol thil marhang, a lu dongah a khuem manghai rhuisam te khuen saeh.
aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
9 Te phoeiah pueinak neh marhang te angrhaeng manghai kah mangpa rhoek lamkah pakhat kut ah pae saeh. Te vaengah manghai loh amah kah umponah dongah khueh ham a ngaih hlang te bai sak saeh. Te phoeiah anih te khopuei toltung la marhang dongah ngol sak saeh lamtah a hmai ah, ‘Manghai loh amah kah umponah khuiah khueh a ngaih hlang ham tah he tlam ni a saii,’ tila doek saeh,” a ti nah.
dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan’ ny anankiray izay malaza indrindra amin’ ny mpanapaka voatendrin’ ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin’ ny lehilahy izay tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra.
10 Te phoeiah manghai loh Haman te, “Na thui bangla pueinak neh marhang te tlek lo lamtah manghai vongka ah aka ngol Judah Mordekai ham saii pah. Na thui boeih te ol pakhat khaw rhul sak boeh,” a ti nah.
Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin’ i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin’ ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
11 Te dongah Haman loh pueinak neh marhang te a loh tih Mordekai te a bai sak. Te phoeiah anih te khopuei toltung la a ngol sak tih a hmai ah, “Manghai loh amah kah umponah khuiah khueh a ngaih hlang ham tah he tlam ni a saii,” tila a doek.
Dia nalain’ i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an’ i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin’ ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin’ ny lehilahy izay tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra.
12 Te phoeiah Mordekai te manghai vongka la mael. Tedae Haman tah a im la mael paitok tih rhahdoe cangpoem ah a lu te a muei.
Ary Mordekay niverina nankeo amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
13 Haman loh a taengah aka thoeng boeih te a yuu Zeresh taeng neh a lungnah boeih taengah a thui. Te vaengah amah te a hlangcueih rhoek neh a yuu Zeresh loh, “Mordekai te Judah tiingan lamkah koinih, a mikhmuh ah cungku sak ham na tong cakhaw anih te na noeng mahpawh, a mikhmuh ah rhep na cungku rhoe na cungku ni,” a ti nah.
Dia nolazain’ i Hamana tamin’ i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
14 Anih te a thui uh li vaengah manghai imkhoem rhoek ha pawk uh tih Haman te Esther kah a saii buhkoknah kung la tlek a khuen uh.
Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin’ ny mpanjaka ka naka faingana an’ i Hamana ho ny amin’ ny fanasana izay efa namboarin’ i Estera.

< ESTHER 6 >