< Olrhaepnah 22 >

1 Na manuca kah vaito khaw, a tu khaw a tloeng te na hmuh vaengah thuh pah boeh. Na manuca taengah thak rhoe la thak.
Raha hitanao mania ny omby na ny ondrin’ ny rahalahinao, dia aza atao tsy ho raharahanao izany, fa avereno any amin’ ny rahalahinao mihitsy izany.
2 Te dongah nang te na manuca neh na yoei pawt tih anih te na ming pawt atah namah im khui la khuen lamtah na manuca loh han tlap tih anih taengla na bal hil namah taengah om saeh.
Ary raha tsy akaiky anao, na tsy fantatrao, ny rahalahinao, dia ento mody any aminao ilay nania, ary aoka hitoetra aminao mandra-pitadin’ ny rahalahinao azy, dia haverinao any aminy.
3 Te vanbangla a laak khaw saii pah lamtah a himbai khaw saii pah. Te phoeiah na manuca kah hnohma boeih khaw te tlam te saii pah. Anih taengkah aka hma te na hmuh atah om vapsa hamla ngaih boeh.
Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny borikiny, na ny fitafiany, na ny zavatry ny rahalahinao, na inona na inona izay very ka hitanao; fa aza atao tsy ho raharahanao izany.
4 Na manuca kah laak khaw, a vaito khaw long ah a cungku te na hmuh lalah te lamkah te thuh uh boeh. Anih te thoh rhoela thoh puei.
Ary raha hitanao ny borikin’ ny rahalahinao, na ny ombiny, potraka any an-dalana, dia aza atao tsy ho raharahanao izany; fa manampia ny rahalahinao hanarina azy.
5 Tongpa kah hnopai te huta pum dongla om boel saeh lamtah huta himbai te tongpa loh bai boel saeh. Te tla aka saii boeih te BOEIPA na Pathen kah a tueilaehkoi ni.
Aoka ny vehivavy tsy hitafy ny fitafian-dehilahy; ary aoka ny lehilahy tsy hitafy ny fitafiam-behivavy; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany.
6 Na mikhmuh kah long taengah thing boeih dongah khaw, diklai dongah vaa bu khaw, vapuel neh a duei khaw a tong mai ni. Tedae vapuel so neh a duei soah aka oi a manu khaw a manu te a ca neh lo boeh.
Raha sendra mahita akanim-borona eo anoloanao eny an-dalana ianao, na amin’ ny efa foy, na mbola atodiny, ary ny reniny manomba ny efa foy, na mikotrika ny atodiny, dia aza maka ny reniny mbamin’ ny zanany.
7 Vapuel te namah ham na lo mai cakhaw a manu tah hlah rhoe hlah. Te daengah ni namah ham khaw then vetih na hinglung a vang eh.
Alefaso mihitsy ny reniny, fa ny zanany ihany no alao ho anao, mba hahita soa ianao ka ho maro andro.
8 Im thai na sak atah na imphu ah longkhawn na saii ni. Te daengah ni te lamkah aka cungku loh cungku cakhaw na imphu kah hlang thii na yook pawt eh.
Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin’ ny rà ho ao an-tranonao ianao.
9 Na misur aka coom te tue boeh. Cangtii na tuh kah a thaihhmin neh misur thaih te na poeih ve.
Aza fafazana voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao, fandrao samy ho lasa ho sazy ny vokatry ny voan-javatra nafafinao sy ny vokatry ny tanim-boalobokao.
10 Vaito neh laak te hmaih bok boeh.
Aza mampikambana omby sy boriky hiasa tany.
11 Tumul neh hlamik a yaep te hmaih bai boeh.
Aza mitafy lamba volon’ ondry sy rongony mifamahofaho.
12 Na himbai dongkah a hmoi pali dongah namah loh sihno bang lamtah bai.
Asio somotraviaviny ny zorony efatra amin’ ny lambanao izay itafianao.
13 Hlang pakhat loh yuu a loh tih a kun thil coeng dae a hmuhuet dongah,
Raha misy lehilahy mampaka-bady ary mandry aminy, ka tsy tiany indray ravehivavy,
14 a olka, a khoboe khaw a yuu taengah a tloe la vik a khueh mai ni. Te phoeiah anih te ming thae phueih sak ham a ngaih tih, “Hekah huta he ka loh tih a taengla ka kun vaengah anih he a cuemnah ka hmuh moenih,” a ti thai.
dia haratsiny sy alàny baraka ka ataony hoe: Efa nampakatra ity vehivavy ity aho, nefa raha nandry taminy, dia tsy hitako ny famantarana azy ho virijina:
15 Te vaengah hula te hula amah kah a napa neh a manu loh lo saeh. Te phoeiah hula te hula kah cuemnah neh khopuei vongka kah patong rhoek taengah thak saeh.
dia halain’ ny ray aman-drenin-drazazavavy ny famantarana azy ho virijina ka ho entiny ho eo amin’ ny loholona amin’ ny tanàna eo am-bavahady.
16 Te vaengah hula kah a napa loh patong rhoek taengah, “Hekah hlang taengah a yuu la ka canu ka paek dae vik a hnoel.
Dia hiteny amin’ ny loholona ny rain-drazazavavy hoe: Ny zanako-vavy nomeko ho vadin’ io lehilahy io, kanefa tsy tiany indray izy;
17 Te dongah a khoboe neh ol a saii tih, ‘Na canu te a cuemnah ka hmu pawh,’ a ti tarha. Tedae ka canu kah a cuemnah tah he pawn ni,” ti saeh lamtah khopuei patong rhoek kah mikhmuh ah himbai te phaih uh saeh.
ary indro fa efa noharatsiny izy ka nataony hoe: Tsy hitako ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina; kanefa indreto ny famantarana ny zanakao-vavy ho virijina. Dia hamelatra ny lamba eo anatrehan’ ny loholona amin’ ny tanàna izy mivady.
18 Te vaengah tekah hlang te khopuei patong rhoek loh lo uh saeh lamtah toel uh saeh.
Ary halain’ ny loholona amin’ ny tanàna izany lehilahy izany ka hofaizany.
19 Anih loh Israel oila te ming thae a phueih sak dongah tangka yakhat neh sah sak uh saeh lamtah hula kah a napa te pae uh saeh. Te daengah anih yuu la om vetih a hing tue khuiah anih te tueih hamla a noeng pawt eh.
Dia hosaziny sekely volafotsy zato koa izy, ka homeny ny rain-drazazavavy izany, satria nahafa-baraka ny virijina anankiray tamin’ ny Isiraely ralehilahy; nefa dia ho vadiny ihany razazavavy ka tsy azony hisaorana amin’ ny andro rehetra hiainany.
20 Tedae olka he oltak la om tih hula kah hula a cuemnah te a hmuh uh pawt mai ni.
Fa raha marina kosa izany lazainy izany, ka tsy hita ny famantarana an-drazazavavy ho virijina,
21 Te vaengah hula te a napa im kah thohka taengla khuen uh saeh. Te phoeiah anih te khopuei kah tongpa rhoek loh lungto neh dae uh saeh lamtah duek saeh. A napa im kah a cukhalh neh Israel khuiah boethae halang a saii. Te dongah boethae na khui lamloh khoe.
dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan’ ny mponina amin’ ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
22 Va loh a yuunah tangtae huta te tongpa loh a yalh puei vaengah a uum atah hlang yuu taengah aka yalh tongpa khaw huta khaw a boktlap la duek saeh. Te dongah boethae tah Israel khui lamloh khoe.
Raha misy lehilahy azo mandry amim-behivavy vadin’ olona, dia samy hatao maty izy roroa, na ralehilahy izay nandry tamin-dravehivavy, na ravehivavy koa; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy.
23 Hula tanu oila te tongpa ham a bae pah coeng dae khopuei khuikah tongpa pakhat loh a hmuh tih a yalh puei mai ni.
Raha misy zazavavy virijina voafofo ho vadin’ olona, ary misy lehilahy mahita azy eo an-tanàna ka mandry aminy,
24 Te vaengah amih rhoi te khopuei vongka la khuen uh. Tekah dumlai dongah hula tanu long khaw khopuei khuiah pang kangna boel saeh. Tongpa khaw a hui kah a yuu te dumlai la a puei dongah lungto neh dae uh lamtah duek saeh. Te dongah boethae tah na khui lamloh khoe uh.
dia ho entinareo mivoaka ho eo amin’ ny vavahadin’ izany tanàna izany izy roroa ka hotorahanareo vato ho faty: razazavavy moa, satria tsy niantso, nefa tao an-tanàna ihany; ary ralehilahy koa, satria nandry tamin’ ny vadin’ ny namany; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
25 Hlang loh a bae tangtae hula te tongpa pakhat loh kohong ah a uum mai ni. Te vaengah tongpa loh anih te a paco tih a yalh puei atah anih aka yalh puei tongpa amah bueng mah dawk duek saeh.
Fa raha any an-tsaha kosa no ahitan-dralehilahy an-drazazavavy voafofo ho vadin’ olona, ary misavika azy ralehilahy ka mandry aminy, dia ralehilahy izay nandry taminy ihany no hatao maty.
26 Tedae hula taengah tah dumlai saii boeh. A duek ham tueng tholhnah khaw hula taengah a om moenih. Tongpa loh a hui a tlai thil tih a hinglu a ngawn pah vanbangla tahae kah dumlai he khaw om van.
Fa ravehivavy dia tsy hasianao na inona na inona; fa tsy misy ota tokony hahafaty azy; fa tahaka ny olona mitsangana hamely ny namany ka mahafaty azy no hevitr’ izany zavatra izany.
27 A bae tangtae hula tanu te kohong ah a uum tih tekah hula loh a pang thil lalah anih te a rhun moenih.
Fa tany an-tsaha no nahitany azy; ary niantso ihany razazavavy voafofo ho vadin’ olona, nefa tsy nisy hamonjy azy.
28 A bae hlan hula, tanu, oila te tongpa loh a uum tih a tuuk mai ni. Te vaengah anih a yalh puei a uum uh mai ni.
Raha misy lehilahy mahita zazavavy virijina, izay tsy voafofo ho vadin’ olona, ka misavika azy sady mandry aminy, koa hita izy roroa,
29 Te vaengah hula kah a napa te hula aka yalh puei tongpa loh tangka sawmnga neh sah saeh. Tedae anih te a puei coeng dongah anih yuu la om saeh. Amah tue khuiah tah anih te hlak hamla a coeng moenih.
dia hanome sekely volafotsy dimam-polo ho an’ ny rain-drazazavavy ralehilahy izay nandry taminy; ary hovadiny izy, satria efa nosavihiny sady nandriany; ary tsy azony hisaorana izy amin’ ny andro rehetra hiainany.
30 Tongpa loh a napa kah a yuu te rhawt boel saeh lamtah a napa kah a mul khaw nawn pah boel saeh.
Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin’ izay nandrian-drainy.

< Olrhaepnah 22 >