< Nambar 4 >
1 Angraeng mah Mosi hoi Aaron khaeah,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
2 Angmacae acaeng hoi imthung takoh ah kaom kami baktih toengah, Levi acaeng ah kaom Kohath ih caanawk to kroek ah,
Alao isa ny taranak’ i Kehata eo amin’ ny taranak’ i Levy, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
3 amkhuenghaih kahni imthung ah toksak hanah, saning qui thumto hoi saning qui pangato kaom nongpanawk to kroek boih ah.
hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra miditra amin’ ny antokony hanao raharaha ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
4 Kohath caanawk mah khetzawn ih kaminawk amkhuenghaih kahni im loe, ciimcai koek ahmuen ah oh.
Izao no ho fanompoan’ ny taranak’ i Kehata ao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia ny zavatra masìna indrindra:
5 Ohhaih ahmuen angpuen o naah, Aaron hoi a caanawk to angzo o tih, nihcae mah a nuiah khuk ih kahni to khring o ueloe, hnukung ah kaom thingkhong to khuk o tih.
Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran’ ny Vavolombelona’ izany;
6 To pacoengah tuipui caham ih ahin hoiah khuk o tih; to hmuen ih a nuiah rong kamiing kahni to khuk o ueloe, cung to angmah ih ahmuen ah suem o tih.
ary hodi-takasy no hataony sarona eo amboniny, ka lamba volon’ ondry manga tokam-bolo no hovelariny hasarony eo ambonin’ io, dia hataony eo aminy ny baony.
7 Caboi nui ih takaw to kahni kamiing hoiah kraeng o tih, to ah sabaenawk, kathuk sabaenawk, naek han koi tui lawnhaih boengloengnawk, takawnawk to apet ai ah suem o tih;
Ary hamelatra lamba, volon’ ondry manga eo ambonin’ ny latabatry ny mofo aseho izy, ka hataony eo ny lovia sy ny lovia kely sy ny kapoaka ary ny fitoeran-divay ho fanidinana; ary ny mofo aseho dia hataony eo amboniny.
8 to ih hmuen nuiah kamling kahni to baih o tih; a nuiah tuipui caham ih ahin hoiah khuk o ueloe, cung to angmah ahmuen ah suem o tih.
Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin’ ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.
9 Kahni kamiing to la o ueloe, hmaithawk, hmaiim, hmai ataephaih taitaehnawk, hmai cenhaih boengloeng, hmaitui suekhaih boengloengnawk boih to khuk o tih; to tiah nihcae mah toksah o tih.
Dia haka lamba volon’ ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
10 To pacoengah to ih laom sabaenawk boih to tuipui caham ih ahin hoiah ayaw o hmoek pacoengah, aputhaih to sah o tih.
ary ireo sy ny fanaka rehetra momba azy dia hataony ao anatin’ ny sarona hodi-takasy ka hatainginy eo ambonin’ ny filanjana azy.
11 Sui hmaicam nuiah kahni kamiing to baih o ueloe, tuipui caham ih ahin hoiah khuk o tih; aputhaih cung to angmah ohhaih ahmuen ah suem o tih.
Ary hamelatra lamba manga eo ambonin’ ny alitara volamena izy, dia hosaronany sarona hodi-takasy, ary hataony eo aminy ny baony;
12 Hmuenciim thungah toksak naah hmuenmaenawk to la o boih ueloe, kahni kamiing hoiah ayaw o tih; tuipui caham hin hoi khuk o pacoengah, aputhaih to sah o tih.
dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna, ka hataony ao anaty lamba volon’ ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin’ ny filanjana azy.
13 Nihcae mah hmaicam pong ih maiphunawk to takhoek o ueloe, a nuiah kahni kamling hup to khuk o tih.
Dia hanaisotra ny lavenona amin’ ny alitara izy ka hamelatra lamba volomparasy eo amboniny.
14 To hmaicam ah toksak naah kangaih hmuennawk, laom sabaenawk, moi banghaih sumnawk, moi thunhaih sumnawk, hmai kamngaeh sohhaih sum kangphaeknawk, tui bawhhaih boengloengnawk hoi hmaicam ih laom sabaenawk to a nuiah suem o boih tih; to hmuen to tuipui caham hin hoiah khuk o ueloe, aputhaih cung to a ohhaih ahmuen ah suem o tih.
Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran’ afony sy ny fitrebiny sy ny sotron’ afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.
15 Ataihaih ahmuen angpuen han oh naah, Aaron hoi a caanawk loe, hmuenciim hoi hmuenciim ih laom sabaenawk to khuk o pacoengah, to hmuennawk to aput hanah, Kohath ih caanawk angzo o tih; toe nihcae loe kaciim hmuen to sui o mak ai; sui o nahaeloe dueh o tih. Hae hmuennawk loe kaminawk amkhuenghaih kahni im ah Kohath ih caanawk mah sak han koi tok ah oh.
Ary rehefa vitan’ i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masìna sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak’ i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masìna izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan’ ny taranak’ i Kehata.
16 Qaima Aaron capa Eleazar mah sak han koi tok loe hmaitui, hmai thlaek koi hmuihoih, ni thokkruek paek ih cang hoi lu bawhhaih situi, kahni im hoi a thung ih hmuennawk boih, hmaicam hoi a thung ih laom sabaenawk boih to khenzawn tih, tiah a naa.
Ary ny raharahan’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan’ andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin’ ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin’ ny fitoerana masìna sy ny fanaka momba azy.
17 Angraeng mah Mosi hoi Aaron khaeah,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
18 Kohath imthung takoh to Levi acaeng thung hoiah takhoe ving hmah;
Ataovy izay tsy hahafongotra ny fokon’ ny Kehatita tsy ho amin’ ny Levita:
19 to pongah kaciim koek ahmuen ah caeh hoi naah, duekhaih thung hoiah loih moe, hing thai hanah, hae tiah nihcae han sah paeh; Aaron hoi a caanawk to hmuenciim thungah akun o hmaloe ueloe, kaminawk boih mah sak han koi hmuen hoi tok to tapraek pae tih:
fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masìna indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin’ ny fanompoany avy sy amin’ ny entany avy;
20 toe ciimcai hmuennawk kraeng nathuem ah, to hmuennawk khet hanah Kohath ih caanawk a thungah caehsak hmah; to tih ai nahaeloe dueh o moeng tih, tiah a naa.
fa izy dia tsy hiditra hijery ny fitoerana masìna, na dia indray mipi-maso akory aza, fandrao maty.
21 Angraeng mah Mosi khaeah,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
22 Gershon caanawk doeh angmacae ih acaeng hoi imthung takoh ah kami ih ahmin to la ah;
Alao isa koa ny taranak’ i Gersona, araka ny fianakaviany sy ny fokony avy;
23 amkhuenghaih kahni imthung ah kaom kaminawk angaihaih toksak hanah, saning qui thumto hoi saning qui pangato kaom nongpanawk to kroek boih ah.
ny hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin’ ny antokony hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
24 Gershon imthung takoh mah sak moe, aput han koi hmuennawk loe hae tiah oh;
Izao no ho fanompoan’ ny fokon’ ny Gersonita hanompoany sy hitondrany entana:
25 kahni im ah payang ih kahni, rangpui amkhuenghaih kahni im, a nui khuk ih kahninawk, a nui khukhaih tuipui caham ahinnawk, kaminawk amkhuenghaih kahni im, amkhuenghaih kahni im thok taengah payang ih kahninawk,
ny ambain’ ny tabernakely sy ny trano-lay fihaonana sy ny firakony sy ny sarona hodi-takasy izay eo amboniny, ary ny varavarana lamba amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana,
26 kahni im hoi hmaicam taeng ih longhmaa ah payang ih kahni, longhma thok taengah payang ih kahni, toksak naah patoh ih quinawk hoi kangaih hmuennawk loe Gershon ih caanawk mah sah o boih tih.
ary ny fefy lamban’ ny kianja sy ny vavahady lamba amin’ ny vavahadin’ ny kianja, izay manodidina ny tabernakely sy ny alitara, ary ny kofehiny mbamin’ ny fiasana rehetra momba azy; ary izay rehetra hatao amin’ ireo no ho fanompoany.
27 Gershon acaengnawk mah sak ih hmuen hoi aput han koi hmuennawk boih loe, Aaron hoi a caanawk mah thuih ih lok baktih toengah sah o tih; nihcae mah aput han koi hmuenawk boih to thui pae o tih.
Araka ny tenin’ i Arona sy ny zanany no hanaovan’ ny Gersonita ny fanompoany amin’ ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.
28 Hae hmuennawk loe Gershon imthung takoh mah, kami amkhuenghaih kahni imthung ah sak han koi tok ah oh; nihcae toksakhaih loe Aaron capa qaima Ithamar mah khenzawn tih.
Izany no ho fanompoan’ ny fokon’ ny Gersonita ny amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ny ho mpifehy azy amin’ izany anjara-raharahany izany dia Itamara, zanak’ i Arona mpisorona.
29 Merari ih caanawk doeh angmacae ih acaeng hoi imthung takoh ah kaom kaminawk baktih toengah kroek ah;
Ny amin’ ny taranak’ i Merary, dia araka ny fokony sy ny fianakaviany no handaminanao azy;
30 kaminawk amkhuenghaih kahni imthung ah toksak han kangzo, saning qui thumto hoi saning qui pangato kaom nongpa to kroek boih ah.
ny hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona no halaminao, dia izay rehetra miditra amin’ ny antokony hanao ny fanompoana momba ny trano-lay fihaonana.
31 Nihcae mah kaminawk amkhuenghaih kahni im to sak moe, aput o han koi tok loe, kahni im sakhaih thingnawk, pakhang ih thingnawk, tungnawk hoi tung padoethaih hmuennawk,
Ary izao no ho anjara-raharahany ny amin’ ny entana araka ny fanompoany rehetra ao amin’ ny trano-lay fihaonana: ny zana-kazo amin’ ny tabernakely sy ny barany sy ny andriny sy ny faladiany,
32 longhma taeng boih ah kaom tungnawk, tung padoethaih hmuennawk, sumnawk, quinawk, toksak naah patoh ih hmuennawk to sah o boih tih; nihcae mah aput ih hmuennawk to pakuem moe, kroek boih han oh.
sy ny tsangantsangan’ ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
33 Hae hmuen loe Aaron capa qaima Ithamar mah khethaih tlim ah, kaminawk amkhuenghaih kahni im ah Merari ih caanawk mah sak han koi tok ah oh, tiah a naa.
Izany no ho fanompoan’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, araka ny fanompoany rehetra ao amin’ ny trano-lay fihaonana, ary Itamara, zanak’ i Arona mpisorona, no ho mpifehy azy.
34 Mosi, Aaron hoi amkhueng kaminawk zaehoikung kacoeh koek mah, angmacae acaeng hoi imthung takoh khosakhaih baktih toengah, Kohath ih caanawk to kroek o.
Ary Mosesy sy Arona ary ny lohan’ ny fiangonana nandamina ny taranaky ny Kehatita, araka ny fokony sy ny fianakaviany avy,
35 Kaminawk amkhuenghaih kahni im ah toksak han kangzo, saning qui thumto hoi saning qui pangato kaom nongpa boih,
hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin’ ny antokony hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana.
36 angmacae imthung takoh ih kami to kroek o boih naah, sang hnet, cumvai sarih, qui pangato oh o.
Ary izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia dimam-polo amby fiton-jato sy roa arivo.
37 Hae kaminawk loe Angraeng mah Mosi khaeah thuih ih lok baktih toengah, Mosi hoi Aaron mah amkhuenghaih kahni im ah toksak hanah kaom Kohath ih caa ah oh o.
Ireo no nalamina tamin’ ny fokon’ ny Kehatita, dia izay rehetra manao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana, izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah nampitondrainy an’ i Mosesy.
38 Gershon ih caanawk loe angmacae acaeng hoi imthung takoh to kroek o boih.
Ary izay nalamina tamin’ ny taranak’ i Gersona, araka ny fokony sy ny fianakaviany,
39 Amkhuenghaih kahni im ah toksak han kangzo, saning qui thumto hoi saning qui pangato kaom nongpa boih,
hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra amin’ ny antokony hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana
40 angmacae ih acaeng hoi imthung takoh to kroek o boih naah, sang hnet, cumvai taruk, qui thumto oh o.
izay nalamina taminy, araka ny fokony sy ny fianakaviany, dia telo-polo amby enin-jato sy roa arivo.
41 Hae kaminawk loe Angraeng mah thuih ih lok baktih toengah, Mosi hoi Aaron mah kroek ih, kahni im ah toksah koi kami ah oh o.
Ireo no nalamina tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Gersona, izay rehetra manao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah.
42 Merari ih caanawk mah angmacae acaeng hoi imthung takoh to kroek o boih.
Ary izay nalamina tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, araka ny fokony sy ny fianakaviany
43 Kaminawk amkhuenghaih im ah toksak han kangzo kami saning qui thumto hoi saning qui pangato kaom nongpa boih,
hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra tamin’ ny antokony, hanao fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana,
44 angmacae acaeng hoi imthung takoh to kroek o boih naah, kami sang thum, cumvai hnetto oh o.
izay nalamina taminy, araka ny fokony, dia roan-jato sy telo arivo;
45 Hae kaminawk loe Angraeng mah Mosi khaeah thuih ih lok baktih toengah, Mosi hoi Aaron mah kroek ih Merari ih caa ah oh o.
ireo no nalamina tamin’ ny fokon’ ny taranak’ i Merary, izay nalamin’ i Mosesy sy Arona araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
46 Levi caanawk loe Mosi, Aaron hoi Israel zaehoikungnawk mah, angmacae acaeng hoi imthung takoh to kroek pae boih.
Ny tontalin’ ny taranak’ i Levy izay nalamin’ i Mosesy sy Arona mbamin’ ny lohan’ ny Isiraely, araka ny fokony sy ny fianakaviany
47 Kaminawk amkhuenghaih kahni im ah toksak moe, aput han angzo saning qui thumto hoi saning qui pangato kaom nongpa boih,
hatramin’ ny telo-polo taona ka hatramin’ ny dimam-polo taona, dia izay rehetra niditra hanao raharaha amin’ ny fanompoana sy ny fitondrana entana ao amin’ ny trano-lay fihaonana,
48 nihcae to kroek o boih naah, sang tazet, cumvai panga, qui tazetto oh o.
izay nalamina taminy dia valo-polo amby diman-jato sy valo arivo.
49 Angraeng mah Mosi khaeah paek ih lok baktih toengah, kami boih mah sak o ih tok hoi aput koi tok to khet moe, nihcae ih milu to a kroek.
Araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin’ ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.