< 1 Timoti 1 >
1 Mi äpeia Khritaw Jesuh ja mi küikyan Bawi Pamhnama khü, Khritaw Jesuha ngsä Pawluh üngkhyüh ni —
Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy araka ny didin’ Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy Kristy Jesosy fanantenantsika,
2 Jumnak üng ka ca kcang Timotia veia: Mi Pa Pamhnam ja mi Bawipa Khritaw Jesuh naw bäkhäknak, mpyenmseinak ja dimdeihnak ning pe se.
mamangy an’ i Timoty, tena zanako amin’ ny finoana: fahasoavana, famindram-po, fiadanana avy amin’ Andriamanitra Ray sy Kristy Jesosy Tompontsika.
3 Maketawnih hne da ka ceh üng ka ning cüka kba Ephet mlüha na awma vai ka hlüeiki. Khyang avang naw akhye mcuhmthehnake ami jah mthei cän jah him kawm ti.
Toy ny nangatahako anao hitoetra any Efesosy, rehefa hankany Makedonia aho, mba handidianao ny sasany tsy hanao fampianarana hafahafa,
4 Jumeinak üng mi ksinga Pamhnama bü cun am khüi u lü jah ngcuhngkaihsak khai khuikam ja pakhui tähnake cän ami jah hawih vaia jah mtheh bä.
na hitandrina ny anganongano sy ny tantaram-pirazanana tsy hita lany izay mahatonga ady hevitra, fa tsy mampandroso ny fitondrana araka an’ Andriamanitra amin’ ny finoana, dia toy izany koa no ataoko ankehitriny.
5 Ahin ka tinak hlü ta, mlung angcim, ngcimkia ksingnak ja jumeinak kcange üngkhyüh lawkia mhläkphyanak a ve law vaia ni.
Fa ny anton’ ny didy dia fitiavana avy amin’ ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy,
6 Khyang avange cun ahine üngkhyüh nglat u lü amdanga ngthähnak am ami lam mkhyühki he.
izay nivilian’ ny sasany, ka nania ho amin’ ny taria foana izy,
7 Pamhnama thum jah mthei hlü u lüpi, mkhühüpnak üng a mi pyena mawnge ja amimäta ngthukhyü pi am ksing u.
dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany.
8 Thum cun sumeinak vai üng mi sumei cun dawki tia mi ksingkie.
Nefa fantatsika fa tsara ny lalàna, raha entin’ ny olona araka izay antony,
9 Acuna thume cun khyang kdawa phäh am kya, lüpi thum lümkanki he, khyangksee, Pamhnam am ksing lü mkhyekatkie, hjawkkhah ning ja Ngmüimkhya lam am ksingkie, ami nupa hnimki he ja khyang hnimki he,
ka fantany fa tsy ny olona marina no nanaovana ny lalàna, fa ny mpandika lalàna sy ny maditra, dia ny tsy matahotra an’ Andriamanitra sy ny mpanota, ny olona tsy manaja izay masìna sy ny olona vetaveta, ny mpamono ray sy ny mpamono reny, ny mpamono olona,
10 ami vecawh am dawki he, hüipawmkie, khyang pinmankie, hleihlak lü cangkia mcuhmthehnak kpet lü akhyea saksi jah pekie ja akdaw ngthei ngkhawngnak üng ngsukhyekie ni.
ny mpijangajanga, ny sodomita, ny mpangalatra olona, ny mpandainga, ny mpianian-tsy tò, ary na inona na inona manohitra ny fampianarana tsy misy kilema,
11 Acuna mtheinak cun Pamhnama hlüngtainak ja jodawnak cun thangkdaw üngkhyüh kya lü acun hin sang khaia kei üng a na ap ni.
araka ny filazantsaran’ ny voninahitr’ Andriamanitra finaritra, izay natolotra ho adidiko.
12 Ka khüibinak üng ngjuktha na pekia mi Bawipa Khritaw Jesuh cun ka jenaki. Ania khut bi khaia ka lawingkawihkia ngai lü a na mcawna phäh ka jenak ni.
Misaotra an’ i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin’ ny fanompoana,
13 Ahlana ani cun mkhuimkha lü ksekha na lü am adawa mawng ka pyen khawi kyawki. I ka pawh käh ksing lü jumnak am tak ham üngpi Pamhnam naw na mpyeneiki.
dia izaho, izay mpiteny ratsy fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin’ ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana.
14 Khritaw Jesuh üng mi yümmatnaka kyaki mhläkphyanak ja jumnak cun kei üng na pe lü mi Bawipa naw a bäkhäknak akda keia khana buiki.
Fa be indrindra ny fahasoavan’ ny Tompontsika tamin’ ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
15 Khritaw Jesuh khawmdeka a law hin mkhyeki he jah küikyan khaia lawki ti hin dokham lü jum kcang vai ti cun akcang pyena kyaki. Kei cun ami ksunga akse säih ni,
Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany.
16 lüpi Pamhnam naw kei a na mpyenei hin Khritaw Jesuha mlung saünak kei üng mdanki. Akse säiha mkhyeki he hnua jumei law u lü sak ngsäi xünnak ami yah vaia msuimcäpnaka ka kyaki. (aiōnios )
Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon’ i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an’ izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay. (aiōnios )
17 Pamhnam mat däka kyaki, am thi thei lü am hmuh theia kyaki angsäia sangpuxanga thawnki ania veia hlüngtainak ja mküimtonak am angläta ve se! Amen. (aiōn )
Ary ho an’ ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an’ Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. (aiōn )
18 Ka ca Timoti aw, ahina ngthupet cun nang üng ka ning ap ni, a hin cun ajana sahmae naw ami pyen kawia ngthukhyüa kyaki ni. Acäna ngthukhyüe cän akdawa na ngtukahnak vaia likcima jah sumei lü,
Izao didy izao no omeko anao, ry Timoty zanako, araka ireo faminaniana natao fahiny ny aminao ireo, mba ho entinao miady ny ady tsara ireo,
19 na jumnak kcüng lü na cungaihnak pi vai kawm. Khyang avang naw ami ngcungihnak käh ngai u lü ami jumeinak kpyakie ni.
amin’ ny itananao ny finoana sy ny fieritreretana tsara, izay efa narian’ ny sasany, ka toy ny olona vaky sambo izy ny amin’ ny finoana;
20 Acune ksunga Himenias ja Aleksanda cun Khawyama johita k'uma jah ap lü ka jah mkhuimkha ni; ahin naw Pamhnam ami hmakatsak ami hawih vaia jah mthei khai ni.
naman’ ireny Hymeneo sy Aleksandro, izay natolotro ho an’ i Satana mba hofaizana tsy hiteny ratsy.