< Rute 3 >

1 Tsiku lina Naomi anafunsa mpongozi wake Rute kuti, “Mwana wanga, kodi si kwabwino kuti ndikupezere kokhala kuti zinthu zizikuyendera bwino?
Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?
2 Bowazi amene adzakazi ake wakhala nawo nthawi yonseyi, si wachibale wathu kodi? Usiku uno akhala akupeta barele ku malo opunthira.
Ary ankehitriny tsy isan’ ny havantsika va Boaza, tompon’ ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.
3 Samba ndi kudzola mafuta onunkhira, ndipo uvale zovala zako zabwino kwambiri. Kenaka upite ku malo opunthirako tirigu ndi barele koma munthuyo asakakuzindikire kufikira atamaliza kudya ndi kumwa.
Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
4 Akamakagona, iwe ukaonetsetse malo amene wagonawo. Kenaka upite ndi kuvundukula chofunda ku mapazi ake ndi kugona. Iyeyo akakuwuza zoti uchite.”
Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao.
5 Rute anayankha kuti, “Ndichita zonse zimene mwanena.”
Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.
6 Choncho Rute anapita ku malo opunthirawo ndipo anachita monga momwe apongozi ake anamuwuza.
Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian’ ny rafozani-vavy azy.
7 Atamaliza kudya ndi kumwa, Bowazi anakhala wosangalala, ndipo anakagona pa mbali pa mulu wa barele. Tsono Rute anapita mwa kachetechete, navundukula chofunda ku mapazi ake ndi kugona.
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin’ ny faran’ ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
8 Tsono pakati pa usiku Bowazi anadzidzimuka, natembenuka, ndipo anangoona mkazi akugona ku mapazi ake.
Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.
9 Iye anafunsa kuti, “Ndiwe yani?” Ndipo anayankha kuti, “Ndine mdzakazi wanu Rute. Popeza ndinu wachibale amene muyenera kundiwombola, ndiye mundilowe chokolo.”
Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao.
10 Ndipo Bowazi anati, “Mwana wanga, Yehova akudalitse popeza kukoma mtima kumene wasonyeza panoku kwaposa koyamba kaja. Iwe sunathamangire anyamata olemera kapena osauka.
Dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin’ ny ato aoriana ianao noho ny tamin’ ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.
11 Ndipo tsopano mwana wanga usaope. Ine ndidzakuchitira chilichonse udzapemphe popeza anzanga onse amʼmudzi muno akudziwa kuti ndiwe mkazi wa khalidwe labwino.
Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr’ izay rehetra ao an-tanànan’ ny fireneko fa vehivavy tsara ianao.
12 Ngakhale kuti ndinedi wachibale woyenera kukusamala, koma alipo wachibale weniweni kuposa ine.
Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.
13 Gona konkuno usiku uno mpaka mmawa. Tsono ngati iyeyu adzakulowa chokolo, chabwino alowe. Koma ngati safuna kutero, ine ndikulumbira pamaso pa Yehova Wamoyo kuti ndidzakulowa chokolo. Ugone kuno mpaka mmawa.”
Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain’ ny andro.
14 Choncho Rute anagona ku mapazi ake mpaka mmawa, koma anadzuka mmamawa kusanayere chifukwa Bowazi anati, “Aliyense asadziwe kuti kopondera barele kunabwera mkazi.”
Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain’ ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr’ olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy.
15 Bowazi anati kwa Rute, “Bwera nacho kuno chofunda wavalacho ndipo uchiyale pansi.” Ndipo atayala, Bowazi anathira makilogalamu makumi awiri a barele ndi kumusenzetsa Rute. Rute anapita nakalowa mu mzinda.
Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin’ ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.
16 Rute atafika kwa apongozi ake anamufunsa kuti, “Zinayenda bwanji mwana wanga?” Kenaka iye anafotokoza zonse zimene Bowazi anamuchitira.
Ary rehefa tonga tany amin’ ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.
17 Ndipo anati, “Munthuyo anandipatsa makilogalamu makumi awiri awa a barele, nandiwuza kuti usapite kwa apongozi ako wopanda kanthu.”
Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin’ ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin’ ny rafozanao-vavy.
18 Kenaka Naomi anati, “Mwana wanga, dikira mpaka titaona mmene zinthu zikhalire chifukwa munthuyu salekera pomwepo, mpaka zinthuzi zitakonzeka lero.”
Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan’ ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.

< Rute 3 >