< Masalimo 55 >
1 Kwa mtsogoleri wa mayimbidwe. Ndakatulo ya Davide. Pa zoyimbira za zingwe. Mvetserani pemphero langa, Inu Mulungu, musakufulatire kupempha kwanga,
Ho an’ ny mpiventy hira. Hampiarahina amin’ ny valiha. Maskila nataon’ i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin’ ny fitarainako.
2 mverani ndipo mundiyankhe. Maganizo anga akundisautsa ndipo ndathedwa nzeru
Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho,
3 chifukwa cha mawu a adani anga, chifukwa cha kupondereza kwa anthu oyipa; pakuti andidzetsera masautso ndipo akundizunza mu mkwiyo wawo.
Noho ny feon’ ny fahavalo sy ny fampahorian’ ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin’ ny fahatezerana no ankahalany ahy.
4 Mtima wanga ukupweteka mʼkati mwanga; mantha a imfa andigwera.
Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana.
5 Mantha ndi kunjenjemera zandizinga; mantha aakulu andithetsa nzeru.
Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro.
6 Ndinati, “Ndithu, ndikanakhala ndi mapiko ankhunda! Ndikanawulukira kutali ndi kukapuma.
Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako;
7 Ndikanathawira kutali ndi kukakhala mʼchipululu.
Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. (Sela)
8 Ndikanathamangira kumalo anga a chitetezo; kutali ndi mphepo yaukali ndi yamkuntho.”
Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon’ ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra.
9 Sokonezani maganizo a oyipa, Inu Ambuye, tsutsani mawu awo; pakuti ine ndikuona chiwawa ndi mkangano mu mzinda.
Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho.
10 Usana ndi usiku iwo akuzungulirazungulira pa makoma ake; nkhwidzi ndi kuzunza kuli mʼkati mwake.
Hodidininy andro aman’ alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy;
11 Mphamvu zowononga zili pa ntchito mu mzinda; kuopseza ndi mabodza sizichoka mʼmisewu yake.
Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin’ ny lalàmbeny.
12 Akanakhala mdani akundinyoza, ine ndikanapirira; akanakhala mdani akudzikweza yekha kutsutsana nane, ndikanakabisala.
Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy, ― fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho;
13 Koma iweyo mnzanga, mnzanga woyenda naye, bwenzi langa la pondaapanʼpondepo, ndi amene ukuchita zimenezi.
Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra,
14 Mnzanga amene nthawi ina tinkasangalala pa chiyanjano chokoma ku nyumba ya Mulungu.
Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin’ ny maro ho ao an-tranon’ Andriamanitra.
15 Mulole imfa itenge adani anga mwadzidzidzi; alowe mʼmanda ali amoyo pakuti choyipa chili pakati pawo. (Sheol )
Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin’ ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin’ ny fonenany, dia ao afovoany. (Sheol )
16 Koma ine ndinafuwulira kwa Mulungu, ndipo Yehova anandipulumutsa.
Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy.
17 Madzulo, mmawa ndi masana ndimalira mowawidwa mtima, ndipo Iye amamva mawu anga.
Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy,
18 Iye amandiwombola ine osavulazidwa pa nkhondo imene yafika kulimbana nane, ngakhale kuti ndi ambiri amene akunditsutsa.
Ka hanavotra ny fanahiko ho amin’ ny fiadanana hahafahako amin’ ny adin’ ireny amiko, fa maro no miady amiko.
19 Mulungu amene ali pa mpando wake kwamuyaya, adzandimenyera nkhondo; adzawatsitsa adani anga, chifukwa safuna kusintha njira zawo zoyipa ndipo saopa Mulungu.
Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin’ ny taloha, (Sela) ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an’ Andriamanitra.
20 Mnzanga woyenda naye wathira nkhondo abwenzi ake; iye akuphwanya pangano ake.
Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy.
21 Mawu ake ndi osalala kuposa batala komabe nkhondo ili mu mtima mwake; mawu ake ndi osalala kwambiri kuposa mafuta, komatu mawuwo ndi malupanga osololoka.
Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny.
22 Tulani nkhawa zanu kwa Yehova ndipo Iye adzakulimbitsani; Iye sadzalola kuti wolungama agwe.
Apetraho amin’ i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.
23 Koma Inu Mulungu mudzawatsitsa anthu oyipa kulowa mʼdzenje lachiwonongeko; anthu okhetsa magazi ndi anthu achinyengo sadzakhala moyo theka la masiku awo, koma ine ndimadalira Inu.
Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao.