< Masalimo 34 >
1 Salimo la Davide. Pamene iye ananyengezera misala pamaso pa Abimeleki, amene anamupirikitsa, iyeyo nʼkuchoka. Ndidzayamika Yehova nthawi zonse; matamando ake adzakhala pa milomo yanga nthawi zonse.
Nataon’ i Davida tamin’ izy nody adala teo anatrehan’ i Abimeleka, dia noroahiny ka lasa nandeha. Hisaotra an’ i Jehovah lalandava aho; ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.
2 Moyo wanga udzanyadira Yehova; anthu osautsidwa amve ndi kukondwera.
Jehovah no reharehan’ ny fanahiko; hahare izany ny mpandefitra ka ho fay.
3 Lemekezani Yehova pamodzi ndi ine; tiyeni pamodzi tikuze dzina lake.
Miaraha mankalaza an’ i Jehovah amiko; ary aoka hiara-manandratra ny anarany isika.
4 Ine ndinafunafuna Yehova ndipo Iye anandiyankha; anandilanditsa ku mantha anga onse.
Mitady an’ i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy ka manafaka ahy amin’ ny tahotro rehetra.
5 Iwo amene amayangʼana kwa Iye, nkhope zawo zimanyezimira; nkhope zawo sizikhala zophimbidwa ndi manyazi.
Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
6 Munthu wosauka uno anayitana, ndipo Yehova anamumva; Yehova anamupulumutsa ku mavuto ake onse.
Ity olo-mahantra ity niantso, dia nihaino Jehovah ka namonjy azy tamin’ ny fahoriany rehetra.
7 Mngelo wa Yehova amatchinjiriza amene amakonda Iye ndi kuwalanditsa.
Ny Anjelin’ i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
8 Lawani ndipo onani kuti Yehova ndi wabwino; wodala munthu amene amathawira kwa Iye.
Andramo ka izahao fa tsara Jehovah; sambatra izay olona mialoka aminy.
9 Wopani Yehova inu oyera mtima ake, pakuti iwo amene amaopa Iye sasowa kanthu.
Matahora an’ i Jehovah, ianareo olony masìna; fa tsy hanan-java-mahory izay matahotra Azy.
10 Mikango itha kulefuka ndi kumva njala koma iwo amene amafunafuna Yehova sasowa kanthu kalikonse kabwino.
Na dia ny liona tanora aza tsy ampy hanina ka noana. Fa izay mitady an’ i Jehovah kosa dia tsy ho orin-java-tsoa akory.
11 Bwerani ana anga, mundimvere; ndidzakuphunzitsani kuopa Yehova.
Avia, anaka, mihainoa ahy; ny fahatahorana an’ i Jehovah no hampianariko anareo.
12 Aliyense wa inu amene amakonda moyo wake ndi kukhumba kuti aone masiku abwino ambiri,
Na iza na iza ianao no maniry fiainana ka tia andro maro hahitana ny soa,
13 asunge lilime lake ku zoyipa ndi milomo yake kuti isayankhule zonama.
Dia arovy ny lelanao amin’ ny ratsy ary ny molotrao mba tsy hiteny fitaka.
14 Tembenuka kuchoka ku zoyipa ndipo chita zabwino; funafuna mtendere ndi kuwulondola.
Halaviro ny ratsy, manaova soa; mitadiava fihavanana, ka araho izany.
15 Maso a Yehova ali pa olungama ndipo makutu ake ali tcheru kumva kulira kwawo;
Ny mason’ i Jehovah dia mitsinjo ny marina, ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.
16 nkhope ya Yehova ikutsutsana ndi amene amachita zoyipa, kuwachotsa kuti asawakumbukirenso pa dziko lapansi.
Ny tavan’ i Jehovah tezitra amin’ ny mpanao ratsy kosa, mba hofongorany tsy ho eo amin’ ny tany ny fahatsiarovana azy.
17 Olungama amafuwula, ndipo Yehova amawamva; Iye amawalanditsa ku mavuto awo onse.
Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin’ ny fahoriany rehetra.
18 Yehova ali pafupi kwa osweka mtima ndipo amapulumutsa iwo amene asweka mu mzimu.
Akaikin’ izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.
19 Munthu wolungama atha kukhala ndi mavuto ambiri, Koma Yehova amamulanditsa ku mavuto onsewo,
Maro ny fahorian’ ny marina; nefa Jehovah manafaka azy amin’ izany rehetra izany.
20 Iye amateteza mafupa ake onse, palibe limodzi la mafupawo limene lidzathyoledwa.
Miaro ny taolany rehetra izy; tsy hisy ho tapaka ireny na dia iray akory aza.
21 Choyipa chidzapha anthu oyipa; adani a olungama adzapezeka olakwa.
Hahafaty ny ratsy fanahy ny fahoriana; ary ny mankahala ny olo-marina hohelohina.
22 Yehova amawombola atumiki ake; aliyense amene amathawira kwa Iye sadzapezeka wolakwa.
Fa Jehovah manavotra ny fanahin’ ny mpanompony, ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.