< Masalimo 139 >
1 Kwa mtsogoleri wa mayimbidwe. Salimo la Davide. Inu Yehova, mwandisanthula ndipo mukundidziwa.
Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida.
2 Inu mumadziwa pamene ndikhala pansi ndi pamene ndidzuka; mumazindikira maganizo anga muli kutali.
Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.
3 Mumapenyetsetsa pamene ndikutuluka ndi kugona kwanga; mumadziwa njira zanga zonse.
Voadinikao ny toetro, na mandeha aho, na mandry; Ary fantatrao tsara ny alehako rehetra.
4 Mawu asanatuluke pa lilime langa mumawadziwa bwinobwino, Inu Yehova.
Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatrao eo amin’ ny lelako, Jehovah ô.
5 Mumandizinga kumbuyo ndi kutsogolo komwe; mwasanjika dzanja lanu pa ine.
Manodidina ahy eo ivohoko sy eo anatrehako Hianao, Ary apetrakao amiko ny tananao.
6 Nzeru zimenezi ndi zopitirira nzeru zanga, ndi zapamwamba kuti ine ndizipeze.
Fahalalana mahagaga ahy loatra izany, Eny, avo loatra ka tsy tratro.
7 Kodi ndingapite kuti kufuna kuzemba Mzimu wanu? Kodi ndingathawire kuti kuchoka pamaso panu?
Aiza no hialako amin’ ny Fanahinao? Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
8 Ndikakwera kumwamba, Inu muli komweko; ndikakagona ku malo a anthu akufa, Inu muli komweko. (Sheol )
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao; Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao. (Sheol )
9 Ngati ndiwulukira kotulukira dzuwa, ngati ndikakhala ku malekezero a nyanja,
Na dia maka ny elatry ny maraina aza aho, Mba hitoetra any am-paran’ ny ranomasina,
10 kumenekonso dzanja lanu lidzanditsogolera, dzanja lanu lamanja lidzandigwiriziza.
Dia mbola entin’ ny tananao ihany aho, na dia izany aza, Sy hazonin’ ny tananao ankavanana.
11 Ndikanena kuti, “Zoonadi, mdima udzandibisa ndithu ndipo kuwunika kukhale mdima mondizungulira,”
Ary na dia hoy izaho aza: Aoka ny maizina hanarona ahy, Ary aoka ny mazava manodidina ahy ho tonga alina,
12 komabe mdimawo sudzakhala mdima kwa Inu; usiku udzawala ngati masana, pakuti mdima uli ngati kuwunika kwa Inu.
Tsia, fa ny maizina aza tsy mahamaizina aminao; Fa ny alina dia mahazava toy ny andro ihany, Ka sahala ny mazava sy ny maizina.
13 Pakuti Inu munalenga za mʼkati mwanga; munandiwumba pamodzi mʼmimba mwa amayi anga.
Fa Hianao no nahary ny voako; Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
14 Ndimakuyamikani chifukwa ndinapangidwa mochititsa mantha ndi modabwitsa; ntchito zanu ndi zodabwitsa, zimenezi ndimazidziwa bwino lomwe.
Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy; Mahagaga ny asanao; Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
15 Mapangidwe anga sanabisike pamaso panu pamene ndimapangidwa mʼmalo achinsinsi, pamene ndinkawumbidwa mwaluso mʼmimba ya amayi anga.
Ny tenako tsy niafina taminao, Fony natao tao amin’ ny miafina aho, Ka noforoninao hisy endrika tany ambanin’ ny tany.
16 Maso anu anaona thupi langa lisanawumbidwe. Masiku onse amene anapatsidwa kwa ine, analembedwa mʼbuku lanu asanayambe nʼkuwerengedwa komwe.
Ny masonao efa nahita ahy na dia fony tsy mbola ary fady aza aho; Voasoratra teo amin’ ny bokinao avokoa ny andro voatendry, Fony tsy mbola nisy na dia iray akory aza.
17 Zolingalira zanu pa ine ndi zamtengowapatali, Inu Mulungu, ndi zosawerengeka ndithu!
Endrey, zava-tsoa amiko indrindra ny hevitrao, Andriamanitra ô! Akory ny hamaron’ ny isany!
18 Ndikanaziwerenga, zikanakhala zochuluka kuposa mchenga; pamene ndadzuka, ndili nanube.
Raha hanisa azy aho, dia maro isa lavitra noho ny fasika izy; Raha mifoha aho, dia mbola aminao ihany.
19 Ndi bwino mukanangopha anthu oyipa, Inu Mulungu! Chokereni inu anthu owononga anzanu!
Haringanao mihitsy ny ratsy fanahy, Andriamanitra ô, Ary mialà amiko, ianareo mpandatsa-drà.
20 Amayankhula za Inu ndi zolinga zoyipa; adani anu amagwiritsa ntchito dzina lanu molakwika.
Dia izay manonona Anao ho enti-mamitaka, Jehovah ô, Eny, ny fahavalonao izay manonona Anao foana.
21 Kodi ine sindidana nawo amene amakudani, Inu Yehova? Kodi sindinyansidwa nawo amene amakuwukirani?
Tsy hankahala izay mankahala Anao va aho, Jehovah ô, Sy ho tezitra amin’ izay mitsangana hanohitra Anao?
22 Ndimadana nawo kwathunthu; ndi adani anga.
Halako dia halako marina tokoa ireny; Efa fahavaloko ireny.
23 Santhuleni, Inu Mulungu ndipo mudziwe mtima wanga; Yeseni ndipo mudziwe zolingalira zanga.
Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
24 Onani ngati muli mayendedwe aliwonse oyipa mwa ine, ndipo munditsogolere mʼnjira yanu yamuyaya.
Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin’ ny lalana mandrakizay aho.