< Masalimo 104 >
1 Tamanda Yehova, iwe moyo wanga. Inu Yehova Mulungu wanga, ndinu wamkulu kwambiri; mwavala ulemerero ndi ufumu.
Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Jehovah Andriamanitro ô, lehibe indrindra Hianao, Famirapiratana sy voninahitra no fitafinao,
2 Iye wadzifunditsa kuwala ngati chovala; watambasula miyamba ngati tenti
Mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy Ary mamelatra ny lanitra tahaka ny lay,
3 ndipo wayika pa madzi mitanda ya chipinda chake. Iye amasandutsa mitambo kukhala galeta lake, ndi kuwuluka pa mapiko a mphepo.
Ary mametraka ny rairain-drihan’ ny tranony amin’ ny rano, Sady manao ny rahona matevina ho kalesiny ka mandeha amin’ ny elatry ny rivotra,
4 Amapanga mphepo kukhala amithenga ake, malawi amoto kukhala atumiki ake.
Ary manao ny rivotra ho irany Sy ny lelafo ho mpanompony.
5 Anakhazikitsa dziko lapansi pa maziko ake; silingasunthike.
Nanorina ny tany tambonin’ ny fanorenany Izy, Mba tsy hihetseha-ny mandrakizay doria.
6 Munaliphimba ndi nyanja yozama ngati chovala; madzi anayimirira pamwamba pa mapiri.
Ny rano lalina no nasaronao azy tahaka ny lamba; Nandifotra ny tendrombohitra aza ireny.
7 Koma pakudzudzula kwanu madzi anathawa, pa mkokomo wa bingu lanu iwo anamwazika;
Noho ny teny mafy nataonao dia nandositra ny tendrombohitra, Noho ny feon’ ny kotrokoranao dia nirifatra izy
8 Inu munamiza mapiri, iwo anatsikira ku zigwa kumalo kumene munawakonzera.
Nisondrotra ny tendrombohitra, nietry ny lohasaha ho any amin’ izay namboarinao hitoerany.
9 Inu munayika malire ndipo sangathe kudutsa, iwo sadzamizanso dziko lapansi.
Efa nasianao fetra tsy hihoarany izy Mba tsy hiverina hanarona ny tany.
10 Iye achititsa akasupe kutulutsa madzi kupita ku zigwa; madziwo amayenda pakati pa mapiri.
Mampandeha loharano eny amin’ ny lohasaha Izy; Eny anelanelan’ ny tendrombohitra no alehan’ ireny,
11 Iwo amapereka madzi kwa zirombo zonse zakuthengo; abulu akuthengo amapha ludzu lawo.
Ka isotroan’ ny bibi-dia rehetra, Sy analan’ ny boriki-dia ny hetahetany;
12 Mbalame zamlengalenga zimayika zisa mʼmbali mwa madzi; zimayimba pakati pa thambo.
Eo amboniny no itoeran’ ny voro-manidina; Ary eo amin’ ny ran-tsan-kazo no anenoany.
13 Iye amathirira mapiri kuchokera ku zipinda zake zapamwamba; dziko lapansi limakhutitsidwa ndi chipatso cha ntchito yake.
Manondra-drano ny tendrombohitra avy amin’ ny tranony ambony Izy; Ny vokatry ny asanao no mahavoky ny tany.
14 Amameretsa udzu kuti ngʼombe zidye, ndi zomera, kuti munthu azilima kubweretsa chakudya kuchokera mʼdziko lapansi:
Mampaniry ahitra ho an’ ny biby fiompy Izy Sy anana hahasoa ny olona. Ary mamoaka hanina avy amin’ ny tany.
15 vinyo amene amasangalatsa mtima wa munthu, mafuta amene amachititsa nkhope yake kuwala, ndi buledi amene amapereka mphamvu.
Ary divay izay mampifaly ny olona, ka mampinendonendo ny tavany mihoatra noho ny diloilo, Ary mofo hanohanana ny ain’ ny olona.
16 Mitengo ya Yehova ndi yothiriridwa bwino, mikungudza ya ku Lebanoni imene Iye anadzala.
Voky ny hazon’ i Jehovah, Dia ny sederan’ i Libanona, izay namboleny;
17 Mbalame zimamanga zisa zawo; kakowa ali ndi malo ake mʼmikungudzamo.
Izay anaovan’ ny voron-kely ny akaniny; Ary ny vano, dia ao amin’ ny kypreso no anaovany ny tranony.
18 Mapiri ataliatali ndi a mbalale; mʼmingʼalu ya miyala ndi mobisalamo mbira.
Ny tendrombohitra avo dia ho an’ ny osi-dia; Ny harambato no fiarovana ho an’ ny hyraka.
19 Mwezi umasiyanitsa nyengo ndipo dzuwa limadziwa nthawi yake yolowera.
Nanao ny volana ho fotoana Izy, Ary ny masoandro mahalala ny filentehany.
20 Inu mumabweretsa mdima nukhala usiku, ndipo zirombo zonse za ku nkhalango zimatuluka.
Mahatonga aizina Hianao, dia tonga ny alina, Ka mivezivezy ny biby rehetra any an’ ala;
21 Mikango imabangula kufuna nyama, ndi kufunafuna chakudya chawo kuchokera kwa Mulungu.
Ny liona tanora mierona maniry toha Ka mitady ny haniny avy amin’ Andriamanitra.
22 Dzuwa limatuluka ndipo iyo imapita kukabisala; imabwerera kukagona pansi mʼmapanga awo.
Miposaka ny masoandro, dia miverina ireny, Ary ao an-davany no amitsahany.
23 Pamenepo munthu amapita ku ntchito yake, kukagwira ntchito yake mpaka madzulo.
Fa ny olona kosa mivoaka ho any amin’ ny taozavany, Sy ny asany mandra-paharivan’ ny andro.
24 Ntchito zanu ndi zochulukadi Inu Yehova! Munazipanga zonse mwanzeru, dziko lapansi ladzaza ndi zolengedwa zanu.
Endrey ny hamaroan’ ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao ny tany.
25 Kuli nyanja yayikulu ndi yotambalala, yodzaza ndi zolengedwa zosawerengeka, zamoyo zanu zazikulu ndi zazingʼono zomwe.
Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe.
26 Kumeneko sitima zapamadzi zimayenda uku ndi uku, ndiponso Leviyatani amene munamulenga kuti asewere kumeneko.
Any no alehan’ ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any.
27 Zonsezi zimayangʼana kwa Inu kuti muzipatse chakudya chawo pa nthawi yake yoyenera.
Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin’ ny fotoany.
28 Mukazipatsa, zimachisonkhanitsa pamodzi; mukatsekula dzanja lanu, izo zimakhutitsidwa ndi zinthu zabwino.
Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy;
29 Mukabisa nkhope yanu, izo zimachita mantha aakulu; mukachotsa mpweya wawo, zimafa ndi kubwerera ku fumbi.
Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin’ ny vovoka nanalana azy,
30 Mukatumiza mzimu wanu, izo zimalengedwa ndipo mumakozanso maonekedwe a dziko lapansi.
Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin’ ny tany Hianao.
31 Ulemerero wa Yehova ukhalebe mpaka muyaya; Yehova akondwere ndi ntchito ya manja ake;
Ho mandrakizay anie ny voninahitr’ i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin’ ny asany.
32 Iye amene amayangʼana dziko lapansi ndipo limanjenjemera, amene amakhudza mapiri ndipo amatuluka utsi.
Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren’ ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.
33 Ine ndidzayimbira Yehova moyo wanga wonse; ndidzayimbira matamando Mulungu wanga nthawi yonse imene ndili ndi moyo.
Hihira ho an’ i Jehovah aho, raha mbola velona koa; Hankalaza an’ Andriamanitro aho, raha mbola miaina.
34 Zolingalira zanga zikhale zomukomera Iye, pamene ndikusangalala mwa Yehova.
Ho maminy anie ny fisainako Azy; Izaho no hifaly amin’ i Jehovah.
35 Koma anthu ochimwa awonongeke pa dziko lapansi ndipo anthu oyipa asapezekenso. Tamanda Yehova, Iwe moyo wanga. Tamandani Yehova.
Ho lany ringana tsy ho etỳ amin’ ny tany ny mpanota, Ary ny ratsy fanahy tsy ho etỳ intsony. Misaora an’ i Jehovah, ry fanahiko. Haleloia.