< Numeri 24 >

1 Tsopano Balaamu ataona kuti kunakomera Yehova kudalitsa Israeli, sanapitenso ku mawula monga ankachitira kale, koma kuyangʼana ku chipululu.
Ary rehefa hitan’ i Balama fa sitrak’ i Jehovah ny hitahy ny Isiraely, dia tsy nandeha tahaka ny teo hanao sikidy intsony izy, fa nitodika nanatrika ny efitra fotsiny.
2 Balaamu atayangʼana, anaona Aisraeli atamanga misasa yawo fuko ndi fuko. Pamenepo mzimu wa Mulungu unabwera pa iye
Dia natopin’ i Balama ny masony, ka nahita ny Isiraely mitoby araka ny fireneny izy; ary ny Fanahin’ Andriamanitra tonga tamin’ i Balama.
3 ndipo ananena uthenga wake: “Uthenga wa Balaamu mwana wa Beori, uthenga wa amene diso lake ndi lotsekuka,
Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony
4 uthenga wa amene amamva mawu a Mulungu, yemwe amaona masomphenya wochokera kwa Wamphamvuzonse, yemwe amagwa chafufumimba, koma maso ake ali chipenyere:
Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
5 “Matenti ako ndi okongola kwambiri iwe Yakobo, misasa yako, iwe Israeli!
Endrey ny hatsaran’ ny lainao, ry Jakoba ô! sy ny lasinao, ry Isiraely ô!
6 “Monga zigwa zotambalala, monga minda mʼmbali mwa mtsinje, monga aloe wodzalidwa ndi Yehova, monga mikungudza mʼmbali mwa madzi.
Tahaka ny lohasaha malalaka, tahaka ny saha ao amoron’ ony, tahaka ny hazo manitra nambolen’ i Jehovah, tahaka ny hazo sedera ao amoron-drano.
7 Madzi adzayenderera mʼmitsuko yake; mbewu zake zidzakhala ndi madzi ambiri. “Mfumu yake idzakhala yamphamvu kuposa Agagi; ufumu wake udzakwezedwa.
Hisy rano mandeha avy eo amin’ ny sininy, ary ny taranany ho any amoron’ ny renirano maro. Hisandratra noho Agaga ny mpanjakany, ary handroso voninahitra ny fanjakany.
8 “Mulungu womutulutsa mʼdziko la Igupto ali ndi mphamvu ngati za njati. Amawononga mitundu yomuwukira ndi kuphwanya mafupa awo, amalasa ndi mivi yake.
Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy. Ary manan-kery toy ny ombimanga; Handany ny jentilisa fahavalony izy, ka hotapatapahiny ny taolany, ary haripany amin’ ny zana-tsipìkany.
9 Monga mkango waumuna, amabisala nagona pansi, monga mkango waukazi, adzamuputa ndani? “Amene adalitsa iwe, adalitsike ndipo amene atemberera iwe, atembereredwe!”
Mamitaka izy, mandry toy ny liona, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy? Hohasoavina anie izay manisy soa anao, ary ho voaozona anie izay manozona anao!
10 Kenaka Balaki anakwiyira Balaamu. Anawomba mʼmanja ndi kunena naye kuti, “Ndinakuyitana kuti utemberere adani anga, koma taona, wawadalitsa katatu konseka.
Dia nirehitra tamin’ i Balama ny fahatezeran’ i Balaka, ka niteha-tanana izy; dia hoy izy tamin’ i Balama: Hanozona ny fahavaloko no niantsoako anao, kanjo efa nitso-drano azy intelo ianao izao.
11 Tsopano choka msanga uzipita kwanu! Ndinanena kuti ndidzakulipira bwino kwambiri, koma Yehova sanafune kuti ulandire malipirowo.”
Koa ankehitriny, mandosira ho any amin’ ny fonenanao ianao. Hoy izaho teo: Hanome voninahitra anao tokoa aho; fa, indro, Jehovah efa nisakana anao tsy hahazo voninahitra.
12 Balaamu anayankha Balaki kuti, “Kodi sindinawawuze amithenga amene munawatumiza kwa ine,
Dia hoy Balama tamin’ i Balaka: Moa tsy efa nilaza tamin’ ny irakao izay nirahinao tamiko va aho ka nanao hoe:
13 kuti ngakhale Balaki atandipatsa nyumba yake yaufumu yodzaza ndi siliva ndi golide sindingathe kuchita zinthu mwa ine ndekha, zabwino kapena zoyipa, kuposa lamulo la Yehova ndi kuti ndiyenera kunena zokhazo zimene Yehova akunena?
Na dia homen’ i Balaka volafotsy sy volamena eran’ ny tranony aza aho, dia tsy mahazo manoatra ny didin’ i Jehovah, na hanao soa, na hanao ratsy, avy amin’ ny saiko; izay holazain’ i Jehovah ihany no holazaiko?
14 Tsopano ndikupita kwa anthu anga, koma tabwerani ndikuchenjezeni zimene anthu awa adzachitira anthu anu masiku akubwerawa.”
Ary ankehitriny, indro, efa handeha ho any amin’ ny fireneko aho, dia aoka hananatra anao aho ny amin’ izay hataon’ ity firenena ity amin’ ny vahoakanao any am-parany.
15 Ndipo iye ananena uthenga wake nati, “Uthenga wa Balaamu mwana wa Beori, uthenga wa amene diso lake ndi lotsekuka.
Dia nanao oha-teny izy ka nilaza hoe: Hoy Balama, zanak’ i Beora, dia ny lehilahy izay voakimpy ny masony;
16 Uthenga wa amene amamva mawu a Mulungu, amene ali ndi nzeru zochokera kwa Wammwambamwamba, amene amaona masomphenya wochokera kwa Wamphamvuzonse, amene amagwa chafufumimba koma diso lake lili lotsekuka:
Izay mandre ny tenin’ Andriamanitra sady mahalala ny fahalalan’ ny Avo Indrindra, izay mahita fahitana avy amin’ ny Tsitoha, torana, kanefa voahiratra ny masony:
17 “Ndikumuona iye koma osati tsopano; ndikumupenya iye koma osati pafupi. Nyenyezi idzatuluka mwa Yakobo; ndodo yaufumu idzatuluka mwa Israeli. Iye adzagonjetsa Mowabu ndi kugonjetsa ana onse a Seti.
Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
18 Edomu adzagonjetsedwa; Seiri, mdani wake, adzawonongedwa koma mphamvu za Israeli zidzachuluka.
Edoma sy Seïra fahavalony dia samy lasany ho azy, ary ny Isiraely mandroso amin-kery.
19 Wolamulira adzachokera mwa Yakobo ndipo adzawononga otsala a mu mzindamo.”
Ary avy amin’ i Jakoba no isehoan’ Izay hanapaka ka handringana izay sisa avy ao an-tanàna.
20 Kenaka Balaamu anaona Aamaleki ndipo ananena uthenga wake uwu: “Aamaleki anali oyamba mwa mitundu ya anthu koma potsiriza pake adzawonongeka.”
Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin’ ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.
21 Kenaka anaonanso Akeni ndipo ananena uthenga wake, “Malo amene mukukhalamo ndi otetezedwa, chisa chanu chinayikidwa pa thanthwe;
Ary nahita ny Kenita izy, dia nanao oha-teny hoe: Mafy orina ny fonenanao, ary atao ao amin’ ny vatolampy ny akaninao.
22 komabe inu Akeni mudzawonongedwa, pamene Asuri adzakutengeni ukapolo.”
Kanefa ho ringana Kaina, alohan’ ny hamaboan’ i Asyra anao.
23 Ndipo ananenanso uthenga wina kuti, “Aa, ndani adzakhala ndi moyo Mulungu akachita zimenezi?
Dia nanao oha-teny koa izy ka nilaza hoe: Indrisy! iza no ho velona, raha manao izany Andriamanitra?
24 Sitima zapamadzi zidzabwera kuchokera ku madooko a Kitimu; kupondereza Asuri ndi Eberi, koma iwonso adzawonongeka.”
Ary hisy sambo avy any amin’ ny tany Kitima, dia hampietry an’ i Asyra sy Ebera, ka ho lany ringana no hiafarany.
25 Pamenepo Balaamu ananyamuka ndi kubwerera kwawo ndipo Balaki anapitanso njira yake.
Dia niainga Balama ka lasa nody tany amin’ ny fonenany; fa Balaka kosa nandeha tany amin’ izay nalehany.

< Numeri 24 >