< Nehemiya 4 >

1 Sanibalati atamva kuti tikumanganso khoma anapsa mtima nayamba kuseka ndi kunyogodola Ayuda kwambiri.
Ary rehefa ren’ i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy,
2 Ndipo anayankhula pamaso pa abale ake ndi asilikali a Samariya kuti, “Kodi Ayuda ofowokawa akuchita chiyani? Kodi iwo nʼkumanganso khoma? Kodi adzaperekanso nsembe? Kodi adzatsiriza ntchitoyi tsiku limodzi? Kodi adzachita kutenga miyala yakale ija ndi mmene inapseramo?”
dia niteny teo anatrehan’ ny namany sy ny miaramilan’ i Samaria hoe: Inona no ataon’ ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo? Hahatsangana ny vato avy amin’ ny lavenona miavosa va ireo?
3 Tobiya wa ku Amoni, amene anali naye anati, “Chimene akumangacho ngati nkhandwe itakwerapo, itha kugwetsa khoma lawolo!”
Ary Tobia Amonita dia teo anilan’ i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboahaolo aza miakatra eo amin’ izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony.
4 Tsono ndinayamba kupemphera kuti, “Timvereni, Inu Mulungu wathu, mmene akutinyozera. Mulole kuti mawu awo onyoza awabwerere, ndipo atengedwe ukapolo ku dziko lachilendo.
Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin’ ny tany izay ahababoany izy.
5 Musawakhululukire mphulupulu zawo kapena kufafaniza machimo awo pamaso panu popeza aputa ukali wanu pamaso pa anthu omanga khoma.”
Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan’ ireo mandrafitra izy.
6 Choncho ife tinamangabe khomalo kufikira lonse litafika theka la msinkhu wake, chifukwa chakuti anthu anagwira ntchitoyo ndi mtima wawo wonse.
Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin’ ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona.
7 Koma pamene Sanibalati, Tobiya, Aarabu, Aamoni ndi anthu a ku Asidodi anamva kuti ntchito yokonzanso makoma a Yerusalemu ikupitirirabe ndipo kuti mipata ikutsekedwa, anapsa mtima kwambiri.
Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’ i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.
8 Tsono onse anapangana za chiwembu kuti abwere ndi kudzathira nkhondo anthu a ku Yerusalemu ndi kuyambitsa mapokoso pakati pawo.
Ary niray tetika izy rehetra handeha hamely an’ i Jerosalema ka hanimba ny asa.
9 Koma ife tinapemphera kwa Mulungu wathu ndipo tinayika alonda otiteteza kwa adaniwo usiku ndi usana.
Dia nivavaka tamin’ Andriamanitra izahay ka nametraka mpiambina hiandry azy andro aman’ alina noho ny fahatahoranay azy.
10 Pa nthawi yomweyi anthu a ku Yuda anati, “Mphamvu za anthu onyamula zinyalala zikutha ndipo pali zinyalala zambiri. Choncho ife sititha kumanga khomali.”
Ary hoy ny Joda: Mihena ny herin’ ny mpitondra entana, ary be ny korontam-bato sy ny tany; ka dia tsy maharafitra ny manda izahay.
11 Adani athunso anati, “Iwo asanadziwe izi, kapena kutiona, tidzakhala tili pakati pawo ndipo tidzawapha ndi kuyimitsa ntchitoyo.”
Ary hoy kosa ny fahavalonay: Tsy hahalala izy, na hahita, raha tsy tonga eo afovoany isika ka mahafaty azy ary mampitsahatra ny asa.
12 Ndipo Ayuda amene ankhala pafupi ndi adani athuwo anabwera kakhumi konse kuchokera konse kumene ankakhala kudzatiwuza kuti tibwereko ku ntchito.
Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay,
13 Choncho kumbuyo kwa khoma, cha mʼmunsi mwake komanso malo amene anali asanathe ndinayikamo anthu mʼmabanja atatenga malupanga, mikondo ndi mauta awo.
dia nasiako olona teo amin’ ny fitoerana ambany, teo ivelan’ ny manda sy teo an-karihary; eny, nalahatro ny olona araka ny fokony avy, samy nitàna sabatra sy lefona ary tsipìka.
14 Popeza anthu ankachita mantha, tsono ndinawawuza anthu olemekezeka, akuluakulu ndiponso anthu onse kuti, “Musawaope. Kumbukirani kuti Ambuye ndi wamkulu ndipo ndi woopsa. Choncho menyerani nkhondo abale anu, ana aamuna ndi aakazi, akazi anu ndi nyumba zanu.”
Dia nijery aho sady nitsangana ka nilaza tamin’ ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka sisa hoe: Aza matahotra azy ianareo; ny Tompo lehibe sy mahatahotra no tsarovy, ka miadia hiaro ny rahalahinareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny vadinareo ary ny tranonareo.
15 Adani athu atamva kuti ife tadziwa za chiwembu chawo, anadziwanso kuti Yehova walepheretsa zimene ankafuna kutichita. Choncho tinabwerera aliyense ku ntchito yake yomanga khoma.
Ary nony ren’ ny fahavalontsika fa efa fantatray izany, sady efa nofoanan’ Andriamanitra ny heviny, dia niverina ho amin’ ny manda izahay rehetra, samy ho amin’ ny asany avy indray.
16 Kuyambira tsiku limenelo mpaka mʼtsogolo mwake, theka la antchito anga linkagwira ntchito, pamene theka linalo limatenga mikondo, zishango, mauta ndi kuvala malaya azitsulo. Akuluakulu ankalimbikitsa Ayuda onse
Ary hatramin’ izay andro izay ny antsasaky ny zatovoko dia nanao ny asa, ary ny antsasany kosa nitàna lefona aman’ ampinga sy tsipìka ary akanjo fiarovan-tratra; ary ny mpanapaka dia teo ivohon’ ny fianakaviana rehetra amin’ ny Joda.
17 amene ankamanga khoma. Anthu onyamula zinyalala aja ankagwira ntchito ndi dzanja limodzi, dzanja linali atanyamula chida chankhondo.
Ary izay nandrafitra ny manda sy ny mpitondra entana izay nanangona ny korontam-bato sy ny tany dia samy niasa tamin’ ny tànany anankiray, ary nitan-defona kosa ny tànany anankiray.
18 Mʼmisiri aliyense ankamangirira lupanga lake mʼchiwuno mwake akamagwira ntchito. Koma munthu woyimba lipenga anali pambali panga nthawi zonse.
Ary ny mpandrafitra rehetra dia samy nanana ny sabany voafehy tamin’ ny valahany avy, ka dia nandrafitra. Ary ny mpitsoka ny anjomara dia teo anilako.
19 Ndipo ine ndinati kwa anthu olemekezeka ndi anthu ena onse, “Ntchitoyi ndi yayikulu ndipo ili padera lalikulu ndipo ifeyo takhala motayanatayana kwambiri pa khoma.
Ary hoy izaho tamin’ ny manan-kaja sy ny mpanapaka ary ny vahoaka sisa: Be sady malalaka ny asa, ka dia misaratsaraka eny ambonin’ ny manda isika ka mifanalavitra.
20 Tsono kulikonse kumene muliko, mukamva kulira kwa lipenga bwerani mudzasonkhane kumene kuli ine kuno. Mulungu wathu adzatimenyera nkhondo.”
Koa eo amin’ izay fitoerana andrenesanareo ny feon’ ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.
21 Choncho enafe tinapitiriza kugwira ntchito, pamene theka lina linkanyamula mikondo kuyambira mʼbandakucha mpaka nyenyezi zitaoneka.
Dia nanao ny asa izahay, ary ny antsasany kosa nitan-defona hatramin’ ny mazavaratsy ka mandra-piposaky ny kintana.
22 Pa nthawi imeneyo ndinawuzanso anthuwo kuti, “Aliyense pamodzi ndi wantchito wake agone mu Yerusalemu kuti tikhale ndi otilondera usiku ndi kuti masana tizigwira ntchito.”
Ary tamin’ izany andro izany dia hoy koa aho tamin’ ny olona: Samia mitoetra ato Jerosalema ianareo mbamin’ ny zatovonareo, mba hiambina antsika raha alina ireo ary hiasa raha antoandro.
23 Choncho ine, anzanga, antchito anga, ndi anthu otiteteza amene ankanditsata panalibe ndi mmodzi yemwe anavula zovala zake pogona. Aliyense anasunga chida chake chankhondo pambali pake.
Fa izaho sy ny rahalahiko mbamin’ ny zatovoko sy ny mpiambina, izay nanaraka ahy, dia samy tsy niala akanjo, sady tsy nisy nandro akory.

< Nehemiya 4 >