< Levitiko 18 >

1 Yehova anawuza Mose kuti,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
2 “Yankhula ndi Aisraeli ndipo uwawuze kuti, ‘Ine ndine Yehova Mulungu wanu.
Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
3 Musamachite zomwe amachita anthu a ku Igupto kumene munkakhala kuja, ndiponso musamachite zomwe amachita anthu a ku Kanaani kumene ndikukupititsani. Musatsatire miyambo yawo.
Aza manao araka ny fanaon’ ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon’ ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
4 Inu muzimvera malamulo anga ndipo muzisamalitsa kutsatira malangizo anga. Ine ndine Yehova Mulungu wanu.
Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
5 Choncho sungani malangizo ndi malamulo anga, popeza munthu amene amvera zimenezi adzakhala ndi moyo. Ine ndine Yehova.
Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’ izany izy: Izaho no Jehovah.
6 “‘Munthu aliyense asagonane ndi wachibale wake. Ine ndine Yehova.
Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho no Jehovah.
7 “‘Usachititse manyazi abambo ako pogonana ndi amayi ako. Iwo ndi amayi ako. Usagonane nawo.
Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
8 “‘Usagonane ndi mkazi wa abambo ako (osakhala amayi okubala). Ukatero ukuchititsa manyazi abambo ako.
Aza mandry amin’ ny renikelinao; fa nandrian’ ny rainao izy.
9 “‘Usagonane ndi mlongo wako, mwana wamkazi wa abambo ako, kapena mwana wamkazi wa amayi ako, kaya anabadwira mʼnyumba mwanu kapena kwina.
Aza mandry amin’ ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
10 “‘Usagonane ndi mdzukulu wako: mwana wa mwana wako wamwamuna kapena mwana wa mwana wako wamkazi. Kutero nʼkudzichotsa ulemu.
Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin’ ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian’ izy roa.
11 “‘Usagonane ndi mwana wamkazi wa mkazi wa abambo ako, amene abambo akowo anabereka; popeza ameneyo ndi mlongo wako.
Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
12 “‘Usagonane ndi mlongo wa abambo ako; popeza ameneyo ndi thupi limodzi ndi abambo ako.
Aza mandry amin’ ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
13 “‘Usagonane ndi mchemwali wa amayi ako chifukwa ameneyo ndi thupi limodzi ndi amayi ako.
Aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
14 “‘Usachititse manyazi mchimwene wa abambo ako pogonana ndi mkazi wake popeza amenewo ndi azakhali ako.
Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin’ ny rahalahin-drainao izy.
15 “‘Usagonane ndi mpongozi wako popeza ameneyo ndi mkazi wa mwana wako. Choncho usamuchititse manyazi.
Aza mandry amin’ ny vinantovavinao; fa vadin’ ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
16 “‘Usagonane ndi mkazi wa mchimwene wako popeza potero ukuchititsa manyazi mʼbale wakoyo.
Aza mandry amin’ ny vadin-drahalahinao; fa nandrian’ ny rahalahinao izy.
17 “‘Usagonane ndi mkazi ndiponso mwana wake wamkazi. Usagonane ndi mwana wamkazi wa mwana wake wamwamuna, kapena mwana wamkazi wa mwana wake wamkazi. Amenewo ndi thupi limodzi ndi mkaziyo. Kutero ndikuchita chinthu choyipa kwambiri.
Aza mandry amin’ ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin’ ny zananilahy, na ny zanakavavin’ ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
18 “‘Usakwatire mchemwali wa mkazi wako ndi kumagonana naye mkazi wakoyo ali moyo ngati wopikisana naye.
Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin’ ny rahavaviny izay mbola velona.
19 “‘Usamuyandikire mkazi kuti ugonane naye pa nthawi yake yosamba.
Ary aza mila vehivavy mararin’ ny fadim-bolany handry aminy.
20 “‘Usagonane ndi mkazi wa mnzako ndi kudziyipitsa naye.
Ary aza mandry amin’ ny vadin’ ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
21 “‘Usapereke mwana wako aliyense kuti akhale nsembe yamoto kwa Moleki ndi kuyipitsa dzina la Yehova. Ine ndine Yehova.
Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’ i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
22 “‘Usagonane ndi mwamuna ngati mkazi; chimenecho ndi chinthu chonyansa.
Aza mandry amin’ ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
23 “‘Usagonane ndi nyama ndi kudziyipitsa nayo. Mkazi asadzipereke kwa nyama kuti agonane nayo. Chimenecho ndi chisokonezo.
Ary aza mandry amin’ ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian’ ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
24 “‘Musadzidetse ndi zinthu zimenezi chifukwa umo ndi mmene mitundu ina imene ndikuyithamangitsa pamaso panu inadzidetsera.
Aza mandoto ny tenanareo amin’ izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
25 Choncho dziko linayipa ndipo ndinalilanga chifukwa cha tchimo lake. Motero dzikolo linasanza anthu ake okhalamo.
Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ ny tany ny mponina eo.
26 Koma inu mukasunge malangizo ndi malamulo anga. Mbadwa ndiponso alendo amene akukhala pakati panu asakachite china chilichonse cha zinthu zonyansazi,
Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
27 pakuti zinthu zonsezi ndi zomwe ankachita anthu amene ankakhala mʼdzikomo inu musanafike, ndipo dziko linayipitsidwa.
(fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
28 Koma inu musachite zimenezi kuti dziko lingakusanzeni mutaliyipitsa monga linasanzira mitundu imene imakhalamo inu musanafike.
mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
29 “‘Aliyense wochita zinthu zonyansa zimenezi achotsedwe pakati pa anthu anzake.
Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
30 Choncho mverani malangizo anga oletsa kuchita miyambo yonyansayi imene ankatsatira anthu amene analipo inu musanafike ndi kudziyipitsa nayo. Ine ndine Yehova Mulungu wanu.’”
Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’ izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.

< Levitiko 18 >