< Levitiko 10 >
1 Ana a Aaroni, Nadabu ndi Abihu, aliyense anatenga chofukizira lubani chake nayikamo makala a moto ndi kuthiramo lubani. Iwo anapereka pamaso pa Yehova moto wachilendo, moto umene Yehova sanawalamule.
Ary Nadaba sy Abiho, zanak’ i Arona, samy naka ny fitondran’ afony avy ka nanisy afo teo anatiny, ary nanisy ditin-kazo manitra teo, dia nanatitra afo tsy izy teo anatrehan’ i Jehovah, izay tsy nandidiany azy.
2 Choncho moto unatuluka pamaso pa Yehova ndi kuwapsereza, ndipo anafa pamaso pa Yehova.
Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan’ i Jehovah izy.
3 Pamenepo Mose anawuza Aaroni kuti, “Pajatu Yehova ananena kuti, “‘Kwa iwo amene amandiyandikira ndidzaonetsa ulemerero wanga; pamaso pa anthu onse ndidzalemekezedwa.’” Aaroni anakhala chete wosayankhula.
Dia hoy Mosesy tamin’ i Arona: Izany dia ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Amin’ izay akaiky Ahy no hisehoako ho masìna, ary eo anatrehan’ ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
4 Mose anayitana Misaeli ndi Elizafani, ana a Uzieli, abambo angʼono a Aaroni, ndipo anawawuza kuti, “Bwerani kuno mudzachotse abale anuwa pa malo wopatulika ndi kuwatulutsira kunja kwa msasa.”
Ary Mosesy dia nampaka an’ i Misaela sy Elzafana, zanak’ i Oziela, rahalahin-drain’ i Arona, ka nanao taminy hoe: Manatòna, ka ento ny rahalahinareo hiala eo anoloan’ ny fitoerana masìna ho eny ivelan’ ny toby.
5 Choncho anabwera atavala minjiro yawo ndipo anawatenga ndi kuwatulutsa kunja kwa msasawo monga momwe Mose analamulira.
Dia nanatona izy roa lahy ka nitondra azy, mbola miakanjo ny akanjo lavany ihany, ho eny ivelan’ ny toby, araka izay efa nolazain’ i Mosesy.
6 Ndipo Mose anawuza Aaroni ndi ana ake Eliezara ndi Itamara kuti, “Musalileke tsitsi lanu nyankhalala ndipo musangʼambe zovala zanu kuti mungafe, ndi mkwiyo wa Yehova ungagwere anthu onsewa. Koma abale anu okha, kutanthauza fuko lonse la Israeli ndiwo ayenera kulira omwalira aja amene Yehova wawapsereza ndi moto.
Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara, zananilahy: Aza mirakaraka volo, na mandriatra ny akanjonareo, fandrao mba maty koa ianareo, sady hisy fahatezerana hahatratra ny olona rehetra; fa aoka ny rahalahinareo, dia ny taranak’ Isiraely rehetra, no hitomany noho ny fahamaizana izay narehitr’ i Jehovah.
7 Musatuluke kunja kwa tenti ya msonkhano, mungafe, chifukwa munadzozedwa ndi mafuta a Yehova kukhala ansembe.” Choncho iwo anachita monga Mose ananenera.
Ary aza miala eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, fandrao maty ianareo; fa efa mby aminareo ny diloilo fanosoran’ i Jehovah. Dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy izy.
8 Pambuyo pake Yehova anayankhula ndi Aaroni nati,
Ary Jehovah niteny tamin’ i Arona ka nanao hoe:
9 “Iwe ndi ana ako musamamwe vinyo kapena chakumwa chilichonse choledzeretsa pamene mukulowa mu tenti ya msonkhano kuti mungafe. Ili ndi lamulo lamuyaya pa mibado yanu yonse.
Aza misotro divay na toaka ianao, na ny zanakao, raha miditra ao amin’ ny trano-lay fihaonana, mba tsy ho faty ianareo (ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany),
10 Muzisiyanitsa pakati pa zinthu zopatulika ndi zinthu wamba, pakati pa zinthu zodetsedwa ndi zinthu zoyeretsedwa,
ary mba hahaizanareo manavaka ny masìna sy ny tsy masìna, ary ny madio sy ny tsy madio,
11 ndipo muyenera kuphunzitsa Aisraeli onse malamulo amene Yehova wakupatsani kudzera mwa Mose.”
ary mba hampianarinareo ny Zanak’ Isiraely ny didy rehetra izay nasain’ i Jehovah holazain’ i Mosesy taminy.
12 Mose anawuza Aaroni ndi ana ake otsalawo, Eliezara ndi Itamara kuti, “Tengani zopereka zachakudya zopanda yisiti zimene zatsala pa nsembe zopsereza za kwa Yehova ndipo muzidye pafupi ndi guwa pakuti ndi zopatulika kwambiri.
Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona ary tamin’ i Eleazara sy Itamara zananilahy sisa: Alao ny fanatitra hohanina izay sisa amin’ ny fanatitra natao tamin’ ny afo ho an’ i Jehovah, ka hano eo anilan’ ny alitara izany, nefa aza asiana masirasira; fa masìna dia masìna izany.
13 Muzidye pa malo wopatulika chifukwa zimenezi ndi gawo lako ndi la ana ako pa zopereka zopsereza kwa Yehova. Izitu ndi zimene Yehova anandilamulira.
Ary hano eo amin’ izay fitoerana masìna izany, fa anjaranao sy ny zanakao avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany; fa izany no nandidiany ahy.
14 Koma iwe pamodzi ndi ana ako aamuna ndi aakazi muzidya chidale chimene chinaweyulidwa ndi ntchafu zimene zinaperekedwa nsembe. Muzidye pamalo woyeretsedwa. Zimenezi zaperekedwa kwa iwe ndi ana ako monga gawo lanu pa zopereka zachiyanjano zimene apereka Aisraeli.
Ary ny tratrany ahevaheva sy ny sorony asandratra hohaninareo eo amin’ izay fitoerana madio, dia ianao mbamin’ ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy koa; fa nomena ho anjaranao sy ny zanakao ireo avy amin’ ny fanati-pihavanana aterin’ ny Zanak’ Isiraely.
15 Ntchafu imene inaperekedwayo ndi chidale chomwe chinaweyulidwacho abwere nazo pamodzi ndi nsembe ya mafuta ya Yehova yotentha pa moto, ndipo uziweyule kuti zikhale zopereka zoweyula pamaso pa Yehova. Zimenezi zizikhala zako ndi ana ako nthawi zonse monga walamulira Yehova.”
Ny sorony asandratra sy ny tratrany ahevaheva mbamin’ ny saborany izay fanatitra atao amin’ ny afo dia ho entiny mba hahevaheva ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; dia ho anao sy ny zanakao koa ireo, ho anjaranareo mandrakizay, araka izay nandidian’ i Jehovah.
16 Pambuyo pake Mose anafunafuna mbuzi ya nsembe yopepesera machimo koma anapeza kuti anayitentha kale. Apa Mose anakalipira Eliezara ndi Itamara, ana a Aaroni otsala aja nati,
Ary Mosesy nitady fatratra ny osilahy izay natao fanatitra noho ny ota, kanjo efa voadotra izany; dia tezitra tamin’ ny zanak’ i Arona sisa izy, dia tamin’ i Eleazara sy Itamara, ka hoy izy:
17 “Chifukwa chiyani simunadyere pamalo wopatulika nsembe yopepesera machimo ija? Kodi imene ija siyopatulika? Kodi Yehova sanapereke nyamayo kwa inu kuti muchotse machimo a mpingo wonse powachitira mwambo wa nsembe yopepesera machimo pamaso pa Yehova?
Nahoana no tsy nohaninareo teo amin’ ny fitoerana masìna ny fanatitra noho ny ota? fa masìna dia masìna izany, ary efa nomeny anareo izy hitondranareo ny heloky ny fiangonana, hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
18 Pakuti magazi ake sanalowe nawo ku Malo Wopatulika, mukanadya nyama ya mbuziyo pa malo wopatulikawo monga Yehova analamulira.”
Indro, ny ràny tsy nampidirina tao anatin’ ny fitoerana masìna, koa tokony ho nihinana azy mihitsy teo amin’ ny fitoerana masìna ianareo, araka izay nandidiako.
19 Aaroni anamuyankha Mose kuti, “Lero anthu apereka nsembe yawo yopepesera machimo ndiponso nsembe yawo yopsereza pamaso pa Yehova komabe zinthu zoterezi zandichitikira. Kodi Yehova akanakondwa ndikanadya nsembe yopepesera machimo lero?”
Ary Arona niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Indro, androany no nanaterany ny fanatiny noho ny ota sy ny fanatitra dorany teo anatrehan’ i Jehovah, ary efa azon’ izao manjo izao aho; koa raha tàhiny nihinana ny fanatitra noho ny ota androany aho, moa ho tsara teo imason’ i Jehovah va izany?
20 Pamene Mose anamva zimenezi, anakhutira.
Ary raha ren’ i Mosesy izany, dia nankasitrahany.