< Yoswa 18 >

1 Atagonjetsa dziko lonse Aisraeli anasonkhana ku Silo ndipo anayimikako tenti ya msonkhano.
Dia nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka nanangana ny trano-lay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
2 Koma pa nthawiyo nʼkuti mafuko asanu ndi awiri a Aisraeli asanalandire cholowa chawo.
Ary nisy firenena fito tamin’ ny Zanak’ Isiraely tsy mbola nahazo ny lovany.
3 Ndipo Yoswa anati kwa Aisraeli, “Kodi mudikira mpaka liti kuti mulowe ndi kulanda dziko limene Yehova Mulungu wa makolo anu wakupatsani?
Dia hoy Josoa tamin’ ny Zanak’ Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo?
4 Sankhani amuna atatu kuchokera ku fuko lililonse ndipo ine ndidzawatuma kuti akayendere dzikolo ndi kukalilembera bwino kuti ndiligawe kukhala lawo. Akatero, abwererenso kwa ine.
Mandoava telo lahy avy isam-pirenena, dia haniraka azy aho, ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany ka hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
5 Aligawe dzikolo mʼzigawo zisanu ndi ziwiri; fuko la Yuda lidzakhale ndi dziko lake la kummwera ndi nyumba ya Yosefe ikhalebe mʼdziko lawo la kumpoto.
Ary hizafa azy ho fito toko izy; ny Joda hitoetra any amin’ ny taniny ao atsimo, ary ny taranak’ i Josefa hitoetra any amin’ ny taniny ao avaratra.
6 Mudzalembe mawu ofotokoza za zigawo zisanu ndi ziwiri za dzikolo, ndi kubwera nawo kwa ine. Tsono ineyo ndidzakuchitirani maere pamaso pa Yehova Mulungu wanu.
Ary soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao filokana ho anareo eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika aho.
7 Alevi asakhale ndi dziko pakati panu, chifukwa gawo lawo ndi kutumikira Yehova pa ntchito ya unsembe. Ndipo Gadi, Rubeni ndi theka la fuko la Manase analandira kale cholowa chawo kummawa kwa Yorodani. Mose mtumiki wa Yehova ndiye anawapatsa.”
Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny Levita; fa ny fisoronana amin’ i Jehovah no lovany; ary Gada sy Robena sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase efa nahazo ny lovany any an-dafy atsinanan’ i Jordana, izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy.
8 Anthuwo akupita kukalembera dzikolo, Yoswa anawalangiza kuti, “Pitani mukayendere ndi kulembera dzikolo. Kenaka mukabwere kwa ine, ndidzakuchitirani maere kuno ku Silo pamaso pa Yehova.”
Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary Josoa nandidy izay nandeha hanoratra ny tany ka nanao hoe: Mandehana nitety ny tany, ka soraty izy, dia miverena atỳ amiko, ka eto Silo no hanaovako filokana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah.
9 Ndipo anthu anachoka ndi kukayendera dziko lonse. Iwo analemba bwinobwino mʼbuku za dzikolo, mzinda ndi mzinda. Analigawa magawo asanu ndi awiri, ndipo anabwerera kwa Yoswa ku misasa ya ku Silo.
Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy tamin’ ny taratasy, ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary dia tafaverina tany amin’ i Josoa tao an-toby tao Silo izy.
10 Pambuyo pake Yoswa anawachitira maere ku Silo pamaso pa Yehova, ndipo fuko lililonse la Israeli analigawira dziko lake.
Ary Josoa dia nanao filokana ho azy tao Silo teo anatrehan’ i Jehovah; ary tao no nizaran’ i Josoa ny tany ho an’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fizarany.
11 Maere anagwera mabanja a fuko la Benjamini. Dziko limene anapatsidwa linali pakati pa fuko la Yuda ndi fuko la Yosefe:
Dia nahazo ny loka ny firenena taranak’ i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Josefa.
12 Mbali ya kumpoto malire awo anayambira ku Yorodani nalowera chakumpoto kwa matsitso a ku Yeriko kulowera cha kumadzulo kwa dziko la ku mapiri ndi kukafika ku chipululu cha Beti-Aveni.
Ary ny fari-taniny amin’ ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin’ ny ilan’ i Jeriko amin’ ny avaratra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin’ ny efitr’ i Betavena,
13 Kuchokera kumeneko malirewo analoza ku Luzi nadutsa mʼmbali mwa mapiri kummwera kwa Luzi (ndiye Beteli) ndipo anatsika mpaka ku Ataroti Adari, ku mapiri a kummwera kwa Beti-Horoni wa Kumunsi.
hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin’ ny ilany atsimon’ i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin’ ny tendrombohitra atsimon’ i Beti-horona ambany,
14 Ndipo malirewo analowanso kwina, analunjika kummwera kuchokera kumadzulo kwake kwa phiri loyangʼanana ndi Beti-Horoni, mpaka ku mzinda wa Kiriyati Baala (ndiye Kiriati Yearimu), mzinda wa anthu a fuko la Yuda. Amenewa ndiye anali malire a mbali ya kumadzulo.
dia niolaka tamin’ ny lafiny andrefana ka nianatsimo hatramin’ ny tendrombohitra izay eo anoloan’ i Beti-horona eo atsimo, ka dia nihatra any Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany), tanànan’ ny taranak’ i Joda; izany no lafiny andrefana.
15 Malire a kummwera anayambira mʼmphepete mwenimweni mwa Kiriati Yearimu napita kumadzulo mpaka kukafika ku akasupe a Nefitowa.
Ary ny lafiny atsimo dia hatramin’ ny faran’ i Kiriata-jearima; ary ny fari-tany dia nandroso niankandrefana ka nihatra tamin’ ny loharanon’ i Neftoa,
16 Malire anatsikira mʼmphepete mwa phiri loyangʼanana ndi chigwa cha Beni Hinomu, kumpoto kwa chigwa cha Refaimu. Anapitirira kutsikira ku chigwa cha Hinomu kummwera kwa chitunda cha Ayebusi mpaka ku Eni Rogeli.
dia nidina hatramin’ ny faran’ ny tendrombohitra, izay tandrifin’ ny lohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, eo amin’ ny Lohasahan’ ny Refaïta eo avaratra, ka nidina hatramin’ ny lohasahan’ i Hinoma, hatramin’ ny ilany atsimon’ ny Jebosita, ka nidina hatrany En-rogela,
17 Kenaka anakhotera kumpoto kupita ku Eni-Semesi, kupitirira mpaka ku Geliloti amene amayangʼanana ndi pokwera pa Adumimu. Kenaka malire anatsikira ku Mwala wa Bohani, mwana wa Rubeni.
dia nizotra avy any avaratra ka nandroso hatrany En-semesy sy Gelilota, izay tandrifin’ ny fiakarana Adomima, ka nidina hatramin’ ny vaton’ i Bohana, zanak’ i Robena,
18 Anabzola cha kumpoto kwa chitunda cha Beti Araba ndi kutsikabe mpaka ku chigwa cha Yorodani.
dia nandroso hatramin’ ny ilany avaratra tandrifin’ ny tani-hay ka nidina hatrany amin’ ny tani-hay.
19 Anabzolanso cha kumpoto kwa chitunda cha Beti-Hogila kukafika cha kumpoto ku gombe la Nyanja ya Mchere kumene mtsinje wa Yorodani umathirirako, cha kummwera kwenikweni. Awa anali malire a kummwera.
dia nandroso hatramin’ ny ilany avaratr’ i Beti-hogla, ka dia nihatra tamin’ ny helo-drano avaratra amin’ ny Ranomasin-tsira, eo amin’ ny farany atsimo amin’ i Jordana; izany no lafiny atsimo.
20 Yorodani ndiye anali malire a mbali ya kummawa. Awa anali malire a dziko limene mabanja a fuko la Benjamini analandira.
Ary Jordana no fari-taniny atsinanana. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina amin’ ny fari-taniny manodidina araka ny fokony.
21 Mabanja a fuko la Benjamini anali ndi mizinda iyi; Yeriko, Beti-Hogila, Emeki Kezizi,
Ary ny tanànan’ ny firenena taranak’ i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan’ i Keziza
22 Beti-Araba, Zemaraimu, Beteli
sy Bet-arabà sy Zemaraima sy Betela
23 Avimu, Para, Ofiri,
sy Avima sy Para sy Ofra
24 Kefari-Amoni, Ofini ndi Geba, mizinda khumi ndi awiri ndi midzi yake
sy Kefara-hamony sy Ofny sy Geba: tanàna roa ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny;
25 Panalinso Gibiyoni, Rama, Beeroti,
sy Gibeona sy Rama sy Berota
26 Mizipa, Kefira, Moza
sy Mizpa sy Kefira sy Moza
27 Rekemu, Iripeeli, Tarala,
sy Rekema sy Iripela sy Tarala
28 Zera Haelefu, mzinda wa Ayebusi (ndiye kuti Yerusalemu) Gibeya ndi Kiriati, mizinda 14 ndi midzi yake. Limeneli ndilo dziko limene mabanja a fuko la Benjamini analandira kuti likhale lawo.
sy Zela sy Elefa sy ny Jebosita (Jerosalema izany) sy Gibea sy Kiriata: tanàna efatra ambin’ ny folo sy ny zana-bohiny. Izany no lovan’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony.

< Yoswa 18 >