< Hagai 1 >
1 Chaka chachiwiri cha Mfumu Dariyo, tsiku loyamba la mwezi wachisanu ndi chimodzi, Yehova anapatsa mneneri Hagai uthenga wopita kwa Zerubabeli mwana wa Sealatieli, bwanamkubwa wa Yuda, ndiponso kwa mkulu wa ansembe Yoswa mwana wa Yehozadaki:
Tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa mpanjaka no nahatongavan’ ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany tamin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora tany Joda, sy tamin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, nanao hoe:
2 Yehova Wamphamvuzonse akuti, “Anthu awa amanena kuti, ‘Nthawi sinafike yoti nʼkumanga Nyumba ya Yehova.’”
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ity firenena ity nanao hoe: Tsy mbola tonga ny andro tokony hihaviana hanaovana ny tranon’ i Jehovah.
3 Tsono Yehova anayankhula ndi mneneri Hagai kuti,
Dia tonga ny tenin’ i Jehovah nentin’ i Hagay mpaminany nanao hoe:
4 “Kodi ino ndi nthawi yoti inuyo muzikhala mʼnyumba zomanga bwino, pamene Nyumba yangayi ikanali bwinja?”
Moa andro tokony hitoeran’ ny tenanareo ao amin’ ny tranonareo misy valin-drihana va izao, kanefa rava ity trano ity?
5 Tsono zimene Yehova Wamphamvuzonse akunena ndi izi, “Ganizirani bwino njira zanu.
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
6 Mwadzala zambiri, koma mwakolola zochepa. Mumadya, koma simukhuta. Mumamwa, koma ludzu lanu silitha. Mumavala, koma simumva kutentha. Mumalandira malipiro, koma ndalama zanu zimatha ngati mwaziyika mʼthumba lobowoka.”
Efa namafy be ianareo, nefa kely no taomina: mihinana ianareo, nefa tsy voky; misotro ianareo, nefa tsy afa-po; mitafy ianareo, nefa tsy misy mafana; ary izay mahazo karama dia mahazo karama hatao an-kitapo loaka.
7 Yehova Wamphamvuzonse akuti, “Ganizirani bwino njira zanu.
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hevero ny lalanareo.
8 Pitani ku mapiri ndipo mukatenge matabwa oti mudzamangire Nyumba yanga, kuti ndikondwere nayo ndi kulandiramo ulemu,” akutero Yehova.
Miakara any an-tendrombohitra, ka makà hazo, ary ataovy ny trano, dia hankasitrahako izany, sady hankalazaina Aho, hoy Jehovah.
9 “Mumayembekezera zambiri, koma taonani mwapeza pangʼono pokha. Zimene munazibweretsa ku nyumba, Ine ndinazimwaza. Nʼchifukwa chiyani?” Akutero Yehova Wamphamvuzonse. “Chifukwa Nyumba yanga ikanali bwinja, pamene aliyense wa inu watanganidwa kumanga nyumba yake.
Nanampo be ianareo, kanjo indro, kely monja; ary nony notaominareo, dia notsofiko. Nahoana? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Satria efa rava ny tranoko, nefa ianareo samy mihazakazaka hanao ny tranonareo avy.
10 Choncho, chifukwa cha inu, mitambo yaleka kugwetsa mvula ndipo dziko lapansi laleka kutulutsa zomera.
Ary noho izany dia ny aminareo no nitsaharan’ ny lanitra tsy hampilatsaka ando sy nitsaharan’ ny tany tsy hahavokatra.
11 Ndabweretsa chilala pa minda ndi pa mapiri, chilala chawumitsa tirigu, mphesa, mafuta a olivi ndi chilichonse chimene chimamera pa nthaka, pa anthu ndi pa ngʼombe, ndi pa ntchito zonse za manja anu.”
Ary niantso ny fahamainana Aho hamely ny tany sy ny tendrombohitra sy ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo sy izay vokatry ny tany ary ny olona sy ny biby fiompy mbamin’ izay rehetra efa nisasaran’ ny tanana.
12 Pamenepo Zerubabeli mwana wa Sealatieli, mkulu wa ansembe Yoswa mwana wa Yehozadaki, ndi anthu onse otsala anamvera mawu a Yehova Mulungu wawo ndi uthenga wa Hagai, chifukwa anatumidwa ndi Yehova Mulungu wawo. Ndipo anthuwo anaopa Yehova.
Ary Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Josoa, zanak’ i Jozadaka, mpisoronabe, mbamin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka, dia nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamaniny sy ny tenin’ i Hagay mpaminany, araka ny nanirahan’ i Jehovah Andriamaniny azy, ary natahotra teo anatrehan’ i Jehovah ny olona.
13 Tsono Hagai, mthenga wa Yehova, anapereka kwa anthuwo uthenga uwu wa Yehova: “Ine ndili nanu,” akutero Yehova.
Ary nambaran’ i Hagay, irak’ i Jehovah, ny teny nampitondrain’ i Jehovah ho amin’ ny olona nanao hoe: Izaho no momba anareo, hoy Jehovah.
14 Kotero Yehova anakhudza mtima wa Zerubabeli mwana wa Sealatieli, bwanamkubwa wa Yuda, mtima wa Yoswa mwana wa Yehozadaki, mkulu wa ansembe, ndiponso mitima ya anthu onse otsala. Iwo anabwera ndi kuyamba ntchito yomanga Nyumba ya Yehova Wamphamvuzonse, Mulungu wawo,
Dia notairin’ i Jehovah ny fanahin’ i Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, governora any Joda, sy ny fanahin’ i Josoa, zanak’ i Jozadaka mpisoronabe, sy ny fanahin’ ny sisa rehetra amin’ ny vahoaka; ary dia avy izy ka nandrafitra ny tranon’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Andriamaniny,
15 pa tsiku la 24 la mwezi wachisanu ndi chimodzi, wa chaka chachiwiri cha Mfumu Dariyo.
tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ ny volana fahenina tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Dariosa.