< Genesis 31 >

1 Yakobo anamva zimene ana aamuna a Labani ankanena kuti, “Yakobo watenga chilichonse cha abambo athu ndipo wapeza chuma chonsechi pogwiritsa ntchito chuma cha abambo athu.”
Ary Jakoba nandre ny tenin’ ny zanakalahin’ i Labana nanao hoe: Efa lasan’ i Jakoba avokoa izay rehetra nananan’ ny raintsika; ary avy tamin’ ny fananan’ ny raintsika no nahazoany izao voninahitra rehetra izao.
2 Choncho Yakobo anaona kuti Labani sankamuonetsanso nkhope yabwino monga kale.
Ary hitan’ i Jakoba ny tarehin’ i Labana, fa indro tsy mba miramirana taminy tahaka ny taloha izy.
3 Pamenepo Yehova anati kwa Yakobo, “Bwerera ku dziko la makolo ako ndi kwa abale ako, ndipo Ine ndidzakhala nawe.”
Ary hoy Jehovah tamin’ i Jakoba: Modia any amin’ ny tanin’ ny razanao sy any amin’ ny havanao; ary homba anao Aho.
4 Choncho Yakobo anatumiza mawu kukayitana Rakele ndi Leya kuti abwere ku busa kumene ankaweta ziweto zake.
Ary Jakoba naniraka ka nampaka an-dRahely sy Lea hankany an-tsaha ho any amin’ ny ondry aman’ osiny
5 Iye anawawuza kuti, “Abambo anu sakundionetsanso nkhope yabwino monga kale, koma Mulungu wa makolo anga wakhala ali nane.
ka nanao taminy hoe: Hitako ny tarehin’ ny rainareo, fa tsy mba miramirana amiko tahaka ny taloha; fa Andriamanitry ny raiko no efa nomba ahy.
6 Inu mukudziwa kuti ndagwirira ntchito abambo anu ndi mphamvu zanga zonse,
Ary fantatrareo fa tamin’ ny heriko rehetra no nanompoako ny rainareo.
7 chonsecho abambo anu akhala akundinyenga posintha malipiro anga kakhumi konse. Komabe Mulungu sanalole kuti andichitire choyipa
Fa ny rainareo efa namitaka ahy ka efa nanova ny karamako im-polo; nefa tsy navelan’ Andriamanitra hahatonga loza tamiko izy.
8 Pamene abambo anu anati, ‘Zamawangamawanga zidzakhala malipiro ako,’ ziweto zonse zinaswa ana amawangamawanga; ndipo pamene anati, ‘Zamichocholozi zidzakhala malipiro ako,’ ziweto zonse zinaswa ana a michocholozi.
Raha nilaza hoe izy: Ny mara rehetra ho karamanao, dia niteraka mara ny ondry aman’ osy rehetra: ary raha nilaza hoe indray izy: Ny sadika rehetra ho karamanao, dia niteraka sadika ny ondry aman’ osy rehetra.
9 Motero Mulungu walanda abambo anu ziweto zawo ndi kundipatsa.
Dia nalain’ Andriamanitra ny fananan’ ny rainareo ka nomeny ahy.
10 “Pa nthawi imene ziweto zimatenga mawere ndinalota maloto, ndipo ndinaona kuti atonde onse amene ankakwerawo anali amichocholozi, amawangamawanga kapena amathothomathotho
Ary rehefa mby amin’ ny andro izay nikambanan’ ny ondry aman’ osy, dia natopiko ny masoko, ka hitako tamin’ ny nofy, ary indro, sadika sy mara ary sada ny lahy izay nikambana tamin’ ny ondrivavy sy ny osivavy.
11 Kutulo komweko, mngelo wa Mulungu anati, ‘Yakobo.’ Ine ndinayankha, ‘Ee, Ambuye.’
Ary hoy Ilay Anjelin’ Andriamanitra tamiko tamin’ ny nofy: Ry Jakoba; dia hoy izaho: Inty aho.
12 Ndipo iye anati, ‘Tayangʼana ndipo taona kuti atonde onse okwerana ndi ziweto ali amichocholozi, amawangamawanga kapena a mathothomathotho, popeza ndaona zonse zimene Labani wakhala akukuchitira.
Ary hoy Izy: Mba atopazy ny masonao ka jereo, fa sadika sy mara ary sada ny lahy rehetra izay mikambana amin’ ny ondrivavy sy ny osivavy, satria efa hitako izay rehetra nataon’ i Labana taminao.
13 Ine ndine Mulungu amene ndinadza kwa iwe pa Beteli paja. Beteli ndi kumalo kuja kumene unayimika mwala ndi kuwudzoza mafuta, komanso kulumbira kwa Ine. Tsopano choka mʼdziko lino msanga ndi kubwerera ku dziko la kwanu.’”
Izaho no Andriamanitr’ i Betela, izay nanosoranao tsangam-bato sy nivoadianao tamiko; miaingà ankehitriny hiala amin’ ity tany ity, ka modia any amin’ ny tany nahaterahanao.
14 Pamenepo Rakele ndi Leya anayankha, “Kodi ngati ife tilinso ndi gawo ngati cholowa pa chuma cha abambo athu?
Dia namaly Rahely sy Lea ka nanao taminy hoe: Mbola misy anjara sy lova ho anay va ao an-tranon’ ny rainay?
15 Kodi abambo athu samationa ife ngati alendo? Iwo anatigulitsa ndi kuwononga ndalama zonse anazipeza pa ifezo.
Tsy nataony toy ny vahiny va izahay? Fa efa namidiny izahay sady nohaniny lalandava ny volanay rehetra.
16 Chuma chonse chimene Mulungu walanda abambo athu, ndi chathu ndi ana athu. Tsono inu chitani zimene Mulungu wakuwuzani.”
Fa ny harena rehetra izay nalain’ Andriamanitra tamin’ ny rainay, dia anay sy an’ ny zanakay izany; koa ankehitriny, izay rehetra nolazain’ Andriamanitra taminao dia ataovy.
17 Pamenepo Yakobo anakonzeka nakweza ana ake ndi akazi ake pa ngamira,
Dia niainga Jakoba, ka nampitaingeniny ny rameva ny zanany sy ny vadiny;
18 anakusa ziweto zake zonse patsogolo natenga katundu wake yense amene anamupeza ku Padanaramu, ndipo ananyamuka kupita ku Kanaani, ku dziko la abambo ake, Isake.
dia nitondra ny ombiny sy ny ondry aman’ osiny rehetra izy, mbamin’ ny fananana rehetra izay efa nohariny, dia ny omby aman’ ondry izay efa azony tany Mesopotamia, mba hankany amin’ Isaka rainy any amin’ ny tany Kanana.
19 Labani atachoka pa khomo kupita kukameta nkhosa, mʼmbuyomu Rakele anaba timafano ta milungu ta abambo ake.
Ary Labana efa lasa nandeha hanety ny ondry aman’ osiny; dia nangalarin-dRahely ny sampin-drainy.
20 Komanso nthawi iyi nʼkuti Yakobo atamunamiza Labani Mwaramu posamuwuza zoona kuti afuna kuthawa.
Ary Jakoba dia nangala-dia tamin’ i Labana Syriana, fa tsy nambarany taminy ny amin’ ny handosirany.
21 Choncho anathawa ndi zonse anali nazo. Ananyamuka nawoloka mtsinje wa Yufurate kupita cha ku Giliyadi, dziko la mapiri.
Ary nandositra izy ka nitondra ny fananany rehetra; dia niainga izy ka nita ny Ony, ary nizotra hankany an-tendrombohitra Gileada.
22 Patapita masiku atatu, Labani anawuzidwa kuti Yakobo wathawa.
Ary tamin’ ny andro fahatelo dia nisy nanambara tamin’ i Labana fa lasa nandositra Jakoba.
23 Pomwepo anatengana ndi abale ake namulondola Yakobo kwa masiku asanu ndi awiri ndipo anakamupezera ku Giliyadi, dziko la mapiri.
Dia nitondra ny havany homba azy izy ka nanenjika azy lalan-kafitoana, dia nahatratra azy teo an-tendrombohitra Gileada.
24 Koma Mulungu anabwera kwa Labani, Mwaramu kutulo usiku nati kwa iye, “Samala kuti usamuopseze Yakobo mwa njira iliyonse.”
Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Labana Syriana tamin’ ny nofy nony alina ka nanao taminy hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
25 Pamene Labani amamupeza Yakobo, nʼkuti Yakobo atamanga matenti ake ku mapiri a dziko la Giliyadi. Nayenso Labani ndi abale ake anamanga matenti awo komweko.
Ary Labana dia nahatratra an’ i Jakoba. Ary Jakoba dia efa nanorina ny lainy teo an-tendrombohitra; ary Labana sy ny havany kosa nanorin-day teo an-tendrombohitr’ i Gileada.
26 Tsono Labani anati kwa Yakobo, “Kodi ndakuchita chiyani kuti iwe undinamize ndi kutenga ana anga ngati anthu ogwidwa ku nkhondo?
Ary hoy Labana tamin’ i Jakoba: Inona izao ataonao izao, no dia nangala-dia tamiko ianao ka nitondra ny zanako-vavy toy ny babo azo tamin’ ny sabatra?
27 Chifukwa chiyani unandinamiza ndi kuthawa mozemba wosandiwuza? Ukanandiwuza, bwezi titatsanzikana mwa chisangalalo ndi kuyimba nyimbo ndi zisekese ndi azeze.
Nahoana no nandositra mangingina ianao ka nangala-dia tamiko; ary tsy nanambara tamiko ianao mba hanaterako anao amin’ ny fifaliana sy ny hira, amin’ ny ampongatapaka sy ny lokanga,
28 Sunandilole kuti ndingopsompsona adzukulu anga ndi ana anga aakazi motsanzikana nawo. Unachita zopusa.
sady tsy mba navelanao hanoroka ny zanako-lahy sy ny zanako-vavy aho? Fa izao dia efa nanao adaladala ianao.
29 Ndili nayo mphamvu yakukuchita choyipa; koma usiku wapitawu, Mulungu wa abambo ako wandiwuza ine kuti, ‘Usamuopseze Yakobo mwa njira iliyonse.’
Manan-kery hanisy ratsy anareo ny tanako; fa Andriamanitry ny rainareo efa niteny tamiko halina ka nanao hoe: Tandremo mba tsy hasianao teny akory Jakoba, na soa na ratsy.
30 Ndikudziwa kuti unachoka chifukwa unapukwa kufuna kubwerera kwanu kwa abambo ako. Koma nʼchifukwa chiyani unaba milungu yanga?”
Ary ankehitriny, raha mandeha tokoa ianao, satria manina ny tranon’ ny rainao indrindra ianao, nahoana no nangalarinao ny andriamanitro?
31 Yakobo anayankha Labani kuti, “Ine ndinkaopa chifukwa ndinkaganiza kuti mukhoza kundilanda anawa.
Dia namaly Jakoba ka nanao tamin’ i Labana hoe: Satria natahotra aho; fa hoy izaho: Angamba halainao an-keriny amiko ny zanakao-vavy.
32 Koma mukapeza wina aliyense ndi milungu yanu, ameneyo sakhala ndi moyo. Anthu onse akupenya, lozani chilichonse chanu chimene chili ndi ine, ndipo ngati muchipeze tengani. Koma Yakobo sankadziwa kuti Rakele anabadi milunguyo.”
Izay hahitanao ny andriamanitrao dia aza velomina; eto anatrehan’ ny havantsika savao izay ato amiko, ka ento ny anao. Fa tsy fantatr’ i Jakoba fa Rahely no efa nangalatra azy.
33 Choncho Labani analowadi mu tenti ya Yakobo, ya Leya ndi mʼmatenti a adzakazi awiri aja, koma sanapeze kalikonse. Atatuluka mu tenti ya Leya, analowa ya Rakele.
Ary Labana niditra tao an-dain’ i Jakoba sy tao an-dain’ i Lea ary tao an-dain’ ny ankiziny roa vavy, fa tsy nahita. Dia niala tao an-dain’ i Lea izy ka niditra tao an-dain-Rahely.
34 Koma Rakele anatengadi milungu ija ndi kuyiika mʼkati mwa chokhalira cha pa ngamira, iye nʼkukhalapo. Choncho Labani anafunafuna mu tenti monse koma wosapeza kanthu.
Fa efa nalain-dRahely ny sampy ka nataony tao anatin’ ny laselin’ ny rameva, dia nipetraka teo amboniny izy. Ary Labana dia nikaroka eran’ ny lay rehetra, fa tsy nahita.
35 Rakele anati kwa abambo ake, “Pepanitu musandikwiyire mbuye wanga chifukwa choti sinditha kuyimirira pamaso panu chifukwa ndili kumwezi.” Choncho Labani anafunafuna koma sanayipeze milungu ija.
Ary hoy Rahely tamin’ ny rainy: Aza fady aho, tompokolahy, fa tsy mahazo mitsangana eto anatrehanao aho, satria azon’ ny fombam-behivavy. Dia nikaroka fatratra izy, fa tsy nahita ny sampy.
36 Yakobo anapsa mtima nafunsa Labani mwaukali kuti, “Kodi ndalakwa chiyani? Ndi tchimo lanji limene ndachita kuti muchite kundisaka chonchi?
Dia tezitra Jakoba ka nifamaly tamin’ i Labana; ary namaly Jakoba ka nanao tamin’ i Labana hoe: Inona no heloko? inona no otako, no dia niolomay nanenjika ahy ianao?
37 Chifukwa chiyani mwafunyulula katundu wanga? Ndipo mwapeza chiyani cha inu pamenepa? Chimene mwapezapo chiyikeni poyera pamaso pa abale anu ndi anga kuti atiweruze.
Fa efa nosavanao avokoa ny entako rehetra, koa inona no fanaka avy tany an-tranonao hitanao tao? Apetraho eto anatrehan’ ny havako sy ny havanao izany, hitsarany antsika roa lahy,
38 “Ndakhala nanu kwa zaka makumi awiri tsopano ndipo nkhosa ndi mbuzi zanu sizinapoloze, kapena ine kudyapo nkhosa za mʼkhola mwanu.
Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany aminao; ny ondrivavinao sy ny osivavinao tsy mba namotsotra, ary tsy mba nihinana ny ondrilahy avy tamin’ ny ondrinao aho.
39 Chiweto chikakhadzulidwa ndi chirombo, sindinkabwera nacho kwa inu. Ineyo ndinkalipira. Inuyo munkandilipiritsa kalikonse kobedwa masana kapena usiku.
Izay voaviraviram-biby tsy mba nentiko tany aminao, fa izaho no nanolo azy; teo an-tanako no nitadiavanao azy, na ny nangalarina andro, na ny nangalarina alina.
40 Moyo wanga unali wotere: Dzuwa limanditentha masana ndipo usiku ndimazunzika ndi kuzizira. Tulo sindimalipeza konse.
Nony antoandro matin’ ny hain’ andro aho, ary nony alina dia matin’ ny fanala; ary nandositra ny masoko ny torimaso.
41 Zinthu zinali chonchi kwa zaka makumi awiri zimene ndinali mʼnyumba mwanu. Ndinakugwirirani ntchito kwa zaka khumi ndi zinayi chifukwa cha ana anu aakazi awiri ndipo zaka zina zisanu ndi chimodzi chifukwa cha ziweto zanu, ndipo munandisinthira malipiro kakhumi konse.
Izao roa-polo taona izao no nitoerako tany an-tranonao, ka efatra ambin’ ny folo taona no nanompoako anao hahazoako azy mirahavavy zanakao, ary enin-taona kosa hahazoako ny ondry aman’ osinao, ary efa nanova ny karamako im-polo ianao.
42 Akanapanda kukhala nane Mulungu wa abambo anga, Mulungu wa Abrahamu ndi Mulungu amene Isake ankamuopa, mosakayika inu mukanandichotsa chimanjamanja. Koma Mulungu waona zovuta zanga ndi kulimbikira ntchito kwanga, ndipo usiku wapitawu anakudzudzulani.”
Raha tsy Andriamanitry ny raiko, dia Andriamanitr’ i Abrahama, Ilay natahoran’ Isaka, no nomba ahy, dia ho nampandehaninao maina tokoa aho ankehitriny. Andriamanitra efa nitsinjo ny fahoriako sy ny fisasaran’ ny tanako ka nananatra anao halina.
43 Labani anayankha Yakobo nati, “Ana aakaziwa ndi anga, ana awo ndi anganso. Ziwetozi ndi zanga. Chilichonse ukuona apa ndi changa. Koma tsopano ndingachite chiyani ndi ana anga aakaziwa kapena ndi ana awo?
Dia namaly Labana ka nanao tamin’ i Jakoba hoe: Ireo zazavavy ireo dia zanako-vavy ary ireo zazalahy ireo dia zanako-lahy; ary ireo ondry aman’ osy ireo dia ondry aman’ osiko; ary izao rehetra hitanao izao dia ahy avokoa; ary ahoana no hataoko anio amin’ ireto zanako-vavy, na amin’ ny zanany naterany?
44 Tsono, tiye tichite pangano pakati pa iwe ndi ine, ndipo likhale mboni pakati pathu.”
Koa ankehitriny avia hanao fanekena isika, dia izaho sy ianao, ka aoka ho vavolombelona amiko sy aminao izany.
45 Choncho Yakobo anayimiritsa mwala ngati chipilala.
Dia naka vato iray Jakoba ka nanangana azy ho tsangam-bato.
46 Nati kwa abale ake, “Tutani miyala ina.” Choncho anawunjika miyalayo, ndipo anadya chakudya atakhala pa mbali pa muluwo.
Ary hoy Jakoba tamin’ ireo havany: Manangòna vato; dia naka vato izy, ka nataony antontany; ary dia nihinana teo anilan’ ny antontam-bato izy rehetra.
47 Labani anawutcha muluwo Yegara-sahaduta, ndipo Yakobo anawutcha Galeeda.
Ary ny anaran’ ny antontam-bato dia nataon’ i Labana hoe Jegara-sahadota; fa Jakoba kosa nanao azy hoe Galeda.
48 Labani anati, “Mulu uwu ndi mboni pakati pa inu ndi ine lero.” Ndi chifukwa chake unatchedwa Galeeda.
Ary hoy Labana: Ity antontam-bato ity no vavolombelona amintsika anio. Izany no nanaovany ny anarany hoe Galeda.
49 Unatchedwanso Mizipa, chifukwa iye anati, “Yehova aonetsetsa kuti palibe mmodzi mwa ife adzaswe panganoli ngakhale titatalikirana.
Ary nataony hoe Mizpa koa izy, fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy ianao, rehefa tsy mifankahita isika.
50 Ngati ukazunza ana anga kapena kukwatira akazi enanso, ngakhale kuti palibe wina amene ali nafe pano, koma kumbukira kuti Mulungu ndiye mboni pakati pathu.”
Raha tahìny hampahory ny zanako-vavy ianao, na hanambady afa-tsy ireo zanako-vavy ireo ihany, tsy misy olona eto amintsika, fa, indro, Andriamanitra no ho vavolombelona amintsika.
51 Labani anatinso kwa Yakobo, “Taona pano pali miyala ndi chipilala chimene ndayimika pakati pa iwe ndi ine.
Ary hoy indray Labana tamin’ i Jakoba: Indro ity antontam-bato ity, ary indro ity tsangam-bato ity izay naoriko eto anelanelantsika, izaho sy ianao;
52 Mulu wa miyala uwu ndi chipilalachi ndi mboni. Ine sindidzadutsa mulu wa miyalawu kudzalimbana ndi iwe. Iwenso usadzadutse mulu wa miyalawu kudzalimbana nane.
dia aoka ho vavolombelona ity antontam-bato ity, ary aoka ho vavolombelona ity tsangam-bato ity, mba tsy hihoarako ity antontam-bato ity hankany aminao, ary mba tsy hihoaranao ity antontam-bato ity sy ity tsangam-bato ity hankatỳ amiko kosa hanisy ratsy.
53 Mulungu wa Abrahamu ndi Mulungu wa Nahori ndiye adzatiweruze.” Choncho Yakobo analumbira mʼdzina la Mulungu amene Isake, abambo ake ankamuopa.
Ny andriamanitr’ i Abrahama sy ny andriamanitr’ i Nahora, dia ny andriamanitry ny rain’ izy mirahalahy anie hitsara antsika. Fa Ilay natahoran’ i Isaka rainy kosa no nianianan’ i Jakoba.
54 Yakobo anapereka nsembe pa phiri paja, ndipo anayitana abale ake kuti adzadye chakudya. Atadya chakudya anagona pa phiri pomwepo.
Dia namono zavatra hatao fanatitra teo an-tendrombohitra Jakoba ka nanasa ny havany mba hihinan-kanina; dia nihinana izy ka nitoetra teo an-tendrombohitra nandritra ny alina,
55 Mmamawa wake, Labani anapsompsona zidzukulu zake ndi ana ake nawadalitsa. Kenaka ananyamuka kubwerera ku mudzi.
Ary nifoha maraina koa Labana, dia nanoroka ny zananilahy sy ny zananivavy ka nitso-drano azy; dia lasa nandeha Labana nody any amin’ ny fonenany.

< Genesis 31 >