< Deuteronomo 31 >
1 Tsono Mose anapita ndi kukayankhula mawu awa kwa Aisraeli onse:
Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin’ ny Isiraely rehetra
2 “Tsopano ndili ndi zaka 120, ndipo sindingathenso kukutsogolerani. Yehova wandiwuza kuti, ‘Iwe sudzawoloka Yorodani.’
ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao.
3 Mwini wake Yehova Mulungu wanu ndiye amene adzakutsogolerani powoloka. Iye adzawononga mitundu ina yonse, ndipo inu mudzatenga dziko lawo. Yoswa adzakutsogoleraninso powoloka, monga momwe ananenera Yehova.
Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
4 Ndipo Yehova adzawawononga iwo monga momwe anawonongera Sihoni ndi Ogi, mafumu Aamori, amene Iye anawawononga pamodzi ndi dziko lawo.
Ary Jehovah hanao amin’ ireo tahaka ny nataony tamin’ i Sihona sy Oga, mpanjakan’ ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin’ ny taniny.
5 Ambuye adzawapereka kwa inu, ndipo inu mukawachitire zonse zimene ndakulamulani.
Dia hatolotr’ i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo.
6 Khalani amphamvu ndi olimba mtima. Musachite nawo mantha kapena kunjenjemera pamaso pawo, chifukwa Yehova Mulungu wanu apita nanu. Sadzakusiyani kapena kukutayani.”
Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.
7 Pamenepo Yehova anayitana Yoswa pamaso pa Aisraeli onse ndipo anamuwuza kuti, “Khala wamphamvu ndi wolimba mtima, pakuti iwe udzatsogolera anthu awa ku dziko limene Yehova analumbira kulipereka kwa makolo awo, ndipo iwe ukaligawe pakati pawo kuti likakhale cholowa chawo.
Ary Mosesy niantso an’ i Josoa ka niteny taminy teo imason’ ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany.
8 Yehova mwini ndiye akukutsogolerani ndipo adzakhala nanu. Sadzakusiyani kapena kukutayani. Usachite mantha ndiponso usataye mtima.”
Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.
9 Choncho Mose analemba malamulo awa nawapereka kwa ansembe, ana Alevi, amene amanyamula Bokosi la Chipangano la Yehova, ndiponso kwa akuluakulu onse a Aisraeli.
Dia nosoratan’ i Mosesy izany lalàna izany ka natolony ireo mpisorona, taranak’ i Levy, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra.
10 Kenaka Mose anawalamula kuti, “Pamapeto pa zaka zisanu ndi ziwiri zilizonse, chaka cha kukhululukidwa ngongole, pa nthawi ya Chikondwerero cha Misasa,
Dia nandidy azy Mosesy ka nanao hoe: Isam-pito taona, dia amin’ ny taom-panafahana, amin’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo,
11 pamene Aisraeli onse abwera kudzaonekera pamaso pa Yehova Mulungu wanu pamalo pamene Iye adzasankhe, mudzawerenge malamulo onsewa iwo akumva.
ka avy hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidiny ny Isiraely rehetra, dia aoka hovakinao eo anatrehan’ ny Isiraely rehetra ny tenin’ ity lalàna ity hihainoany azy.
12 Mudzasonkhanitse anthu onse pamodzi, amuna, akazi ndi ana pamodzi ndi alendo amene akukhala mʼmizinda yanu, kuti adzawamve ndi kuphunzira kuopa Yehova Mulungu wanu ndi kutsatira mosamala mawu onse a mʼmalamulowa.
Vorio ny vahoaka rehetra, na lehilahy, na vehivavy, na ankizy madinika, na ny vahiny ao an-tanànanao, hihainoany sy hianarany ka hatahorany an’ i Jehovah Andriamanitrao sy hitandremany hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.
13 Ana awo amene sadziwa malamulo awa, ayenera kuwamva ndi kuphunzira kuopa Yehova Mulungu wanu nthawi zonse pamene mukukhala mʼdziko limene mukuwoloka Yorodani kukalitenga.”
Ary ny zanany koa, izay tsy nahalala, dia handre ka hianatra hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny andro rehetra hiainanareo eo amin’ ny tany, izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.
14 Yehova anawuza Mose kuti, “Nthawi ya kufa kwako yafika. Itana Yoswa ndipo mubwere ku tenti ya msonkhano, kumene Ine ndidzamulangiza.” Choncho Mose ndi Yoswa anabwera ku tenti ya msonkhano.
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro, antomotra ny andro hahafatesanao; koa miantsoa an’ i Josoa, ary mitoera ao amin’ ny trano-lay fihaonana ianareo mba handidiako azy. Dia nandeha Mosesy sy Josoa ka nitoetra tao amin’ ny trano-lay fihaonana.
15 Pamenepo Yehova anaonekera ku tenti mʼchipilala cha mtambo, ndipo mtambowo unayima pamwamba pa khomo lolowera mu tenti.
Ary Jehovah niseho teo amin’ ny trano-lay tamin’ ny andri-rahona; dia nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay ny andri-rahona.
16 Ndipo Yehova anawuza Mose kuti, “Iwe ukupita kukapuma kumene kuli makolo ako, ndipo ukangomwalira, anthu awa adzayamba kupembedza milungu yachilendo ya mʼdziko limene akukalowamo. Adzanditaya ndi kuphwanya pangano lomwe ndinachita nawo.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro fa hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao; ary hitsangana ity firenena ity ka hijangajanga hanaraka ny andriamani-kafa any amin’ ny tany izay efa hidirany honenana, dia hahafoy Ahy izy ka hivadika ny fanekeko izay nataoko taminy.
17 Tsiku limenelo Ine ndidzawakwiyira ndi kuwataya. Ndidzawabisira nkhope yanga, ndipo adzawonongedwa. Masautso ambiri ndi zovuta zambiri zidzawagwera, ndipo tsiku limenelo adzafunsa kuti, ‘Kodi masautso awa sanagwere ife chifukwa Yehova Mulungu wathu sali nafe?’
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
18 Ndipo Ine ndidzabisa ndithu nkhope yanga pa tsiku limenelo chifukwa cha zoyipa zimene anachita potembenukira kwa milungu ina.
Ary Izaho dia hanafina ny tavako tokoa amin’ izany andro izany noho ny ratsy rehetra izay nataony, fa nivily nanaraka andriamani-kafa izy.
19 “Tsopano ulembe mawu a nyimbo iyi ndipo uwaphunzitse Aisraeli, uwawuze kuti aziyimba, kuti ikhale mboni yanga yowatsutsa.
Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak’ Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin’ ny Zanak’ Isiraely.
20 Pamene ndawalowetsa mʼdziko loyenda mkaka ndi uchi, dziko limene ndinalonjeza mwalumbiro kwa makolo awo, ndipo pamene adzadya ndi kukhuta ndi kumasangalala, iwo adzatembenukira kwa milungu ina ndi kumayipembedza, kundikana Ine ndi kuphwanya pangano langa.
Fa rehefa entiko any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely, izay nianianako tamin’ ny razany homena azy izy, ary hihinana ka ho voky sy hihamatavy, dia hivily hanaraka andriamani-kafa izy ka hanompo azy, ary handà Ahy ka hivadika ny fanekeko.
21 Ndipo pamene masautso ambiri ndi zovuta zambiri zidzawagwera, nyimbo iyi idzakhala mboni yanga yowatsutsa, chifukwa zidzukulu zawo sizidzayiwala nyimboyi. Ine ndikudziwa zimene iwo akulingalira kuchita, ngakhale kuti sindinawalowetse mʼdziko limene ndinalonjeza mwa lumbiro.”
Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ ny tany izay nianianako homena azy izy.
22 Choncho Mose analemba nyimbo iyi tsiku limenelo ndi kuwaphunzitsa Aisraeli.
Dia nosoratan’ i Mosesy androtrizay ihany izao fihirana izao ka nampianariny ny Zanak’ Isiraely.
23 Yehova analamula Yoswa mwana wa Nuni kuti, “Khala wamphamvu ndipo limba mtima, chifukwa udzalowetsa Aisraeli mʼdziko limene ndinawalonjeza mwa lumbiro, ndipo Ine mwini ndidzakhala nawe.”
Ary Jehovah nandidy an’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka nanao hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao no hitondra ny Zanak’ Isiraely hiditra ao amin’ ny tany izay nianianako taminy homena azy, ary homba anao Aho.
24 Mose atatha kulemba malamulowa mʼbuku, osasiyako kanthu,
Ary rehefa voasoratr’ i Mosesy teo amin’ ny boky avokoa ny tenin’ ity lalàna ity,
25 analamula Alevi amene ananyamula Bokosi la Chipangano la Yehova kuti,
dia nandidy ny Levita, izay mpitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah, izy ka nanao hoe:
26 “Tengani Buku ili la Malamulo ndi kuliyika pambali pa Bokosi la Chipangano la Yehova Mulungu wanu. Likhale kumeneko ngati mboni yokutsutsani.
Raiso ity bokin’ ny lalàna ity, ka apetraho eo anilan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo mba ho vavolombelona aminao.
27 Pakuti Ine ndikudziwa kuwukira kwanu ndi kuwuma mtima kwanu. Ngati inu mwakhala mukuwukira Yehova ine ndili moyo ndiponso ndili nanu pamodzi, nanga mudzawukira motani ine ndikamwalira!
Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin’ i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.
28 Mundisonkhanitsire atsogoleri onse a mafuko anu pamodzi ndi akuluakulu onse, kuti ndiyankhule mawu awa iwo akumva ndipo kumwamba ndi dziko lapansi zikhale mboni yowatsutsa.
Vorio ho eto amiko ny loholona rehetra amin’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo, mba holazaiko eo anatrehany izao teny izao; ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aminy aho.
29 Chifukwa ndikudziwa kuti ine ndikamwalira mudzayipa kwambiri ndi kutembenuka kuleka njira imene ndinakulamulani. Masiku amene akubwera, masautso adzakugwerani chifukwa mudzachita zoyipa pamaso pa Yehova ndi kuputa mkwiyo wake chifukwa cha zimene manja anu anapanga.”
Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin’ ny asan’ ny tananareo.
30 Ndipo Mose ananena mawu a nyimbo iyi kuyiimba koyambira mpaka potsiriza gulu lonse la Aisraeli likumva:
Dia nolazain’ i Mosesy teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ny tenin’ izao fihirana izao mandra-pahavitany.