< Amosi 4 >
1 Imvani mawu awa, inu ngʼombe zazikazi za ku Basani, okhala pa Phiri la Samariya, inu akazi amene mumapondereza anthu osauka ndi kuzunza anthu osowa ndi kumanena kwa amuna anu kuti, “Tipatseni zakumwa!”
Mihainoa izao teny izao, ianareo vantotr’ ombivavin’ i Basana, izay eny an-tendrombohitr’ i Samaria, dia ianareo izay mampahory ny mahantra sy manorotoro ny malahelo ary manao amin’ ny vadinareo hoe: Mitondrà hosotrointsika.
2 Ambuye Yehova, mwa kuyera mtima kwake walumbira kuti, “Nthawi idzafika ndithu pamene adzakukokani ndi ngowe, womaliza wa inu adzakokedwa ndi mbedza.
Jehovah Tompo efa nianiana tamin’ ny fahamasinany hoe: Indro, ho avy aminareo ny andro hitarihany anareo amin’ ny farango sy izay sisa aminareo amin’ ny fintana.
3 Mudzatulukira mʼmingʼalu ya pa khoma aliyense payekhapayekha, ndipo mudzatayidwa ku Harimoni,” akutero Yehova.
Ary avy eo amin’ ny banga no hivoahanareo, samy amin’ izay hitsiny avy; Ary horoahina ho any Harmona ianareo, hoy Jehovah.
4 “Bwerani ku Beteli mudzachimwe; ndi ku Giligala kuti mudzapitirize kuchimwa. Bweretsani nsembe zanu mmawa uliwonse, bweretsani chakhumi chanu masiku atatu aliwonse.
Mankanesa any Betela, ka manotà, ary any Gilgala, ka manotà fatratra; Ento isa-maraina ny fanatitrareo alatsa-drà ary isan-kateloana ny fahafolon-karenareo;
5 Wotchani buledi wokhala ndi yisiti ngati nsembe yachiyamiko ndi kumanyadira poyera za zopereka zanu zaufulu. Inu Aisraeli, zinyadireni nsembezo, pakuti izi ndi zimene mumakonda kuchita,” akutero Ambuye Yehova.
Mandoroa zavatra misy masirasira ho fanati-pisaorana, ary miantsoa fanati-tsitrapo, eny, ambarao izany! Satria ny toy izany no sitrakareo, ry Zanak’ Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
6 “Ndine amene ndinakusendetsani milomo mʼmizinda yanu yonse, ndipo munasowa chakudya mʼmizinda yanu. Komatu inu simunabwerere kwa Ine,” akutero Yehova.
Fa Izaho dia efa nanome anareo ny mahamavovava tao an-tanànanareo rehetra, sy ny tsi-fahampian-kanina tamin’ ny fonenanareo rehetra; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
7 “Ndinenso amene ndinamanga mvula patangotsala miyezi itatu kuti mukolole. Ndinagwetsa mvula pa mzinda wina, koma pa mzinda wina ayi, mvula inkagwa pa munda wina; koma sinagwe pa munda wina ndipo mbewu zinawuma.
Ary Izaho koa efa nampihantona ny orana tsy ho aminareo, raha mbola telo volana sisa tsy ho fararano, ka tamin’ ny tanàna iray no nampilatsahako orana, ary tamin’ ny tanàna iray kosa tsy mba nampilatsahako azy; Ny saha iray nilatsahan’ ny orana. Ary ny saha iray kosa tsy mba nilatsahany ka maina.
8 Anthu ankayenda mzinda ndi mzinda kufuna madzi, koma sanapeze madzi okwanira kumwa. Komabe inu simunabwerere kwa Ine,” akutero Yehova.
Dia nivembena ny tanàna roa aman-telo nitady rano tany amin’ ny tanàna iray, kanjo tsy afa-ketaheta izy; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
9 “Nthawi zambiri ndinakantha mbewu zanu ndiponso minda ya mpesa, ndinayikantha ndi chinsikwi ndiponso ndi chiwawu. Dzombe linawononga mikuyu yanu ndi mitengo ya olivi. Komabe inu simunabwerere kwa Ine,” akutero Yehova.
Efa nasiako tamin’ ny vary main’ ny rivotra sy maty fotsy ianareo; Ny habetsahan’ ny tanimbolinareo sy ny tanim-boalobokareo sy ny aviavinareo sy ny hazo olivanareo dia nohanin’ ny valala; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
10 “Ine ndinabweretsa miliri pakati panu monga ndinachitira ku Igupto. Ndinapha anyamata anu ndi lupanga, ndinapereka akavalo anu kwa adani. Ndinakununkhitsani fungo la mitembo lochokera mʼmisasa yanu ya nkhondo. Komatu inu simunabwerere kwa Ine,” akutero Yehova.
Efa naterako areti-mandringana tahaka ny any Egypta ianareo; Novonoiko sabatra ny zatovonareo sady nobaboina koa ny soavalinareo; Ary nampakariko ho eo am-bavoronareo ny hamaimboan’ ny tobinareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
11 “Ndinawononga ena mwa inu monga ndinawonongera Sodomu ndi Gomora. Inu munali ngati chikuni choyaka chimene chafumulidwa pa moto. Komabe inu simunabwerere kwa Ine,” akutero Yehova.
Efa nisy noravako teo aminareo tahaka ny nandravan’ Andriamanitra an’ i Sodoma sy Gomora, ka efa tahaka ny forohana nosarihana tamin’ ny afo ianareo; Nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo, hoy Jehovah.
12 “Choncho izi ndi zimene ndidzakuchitire iwe Israeli, chifukwa ndidzakuchitira zimenezi, konzekera kukumana ndi Mulungu wako, iwe Israeli.”
Koa izao no hataoko aminao, sy Isiraely, satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin’ Andriamanitrao, ry Isiraely ô.
13 Iye amene amawumba mapiri, amalenga mphepo, ndipo amawululira munthu za mʼmaganizo ake, Iye amene amasandutsa usana kuti ukhale mdima, ndipo amayenda pa zitunda za dziko lapansi, dzina lake ndi Yehova Mulungu Wamphamvuzonse.
Fa indro Ilay mamorona ny tendrombohitra sy manao na rivotra ary mampahafantatra ny olombelona izay heviny, dia Ilay mahatonga ny maraina ho aizina ary mandia ny fitoerana avo amin’ ny tany: Jehovah, Andriamanitry ny maro, no anarany.