< 2 Samueli 7 >
1 Mfumu itakhazikika mʼnyumba yake yaufumu, Yehova atayipatsa mpumulo kwa adani ake onse woyizungulira,
Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin’ i Jehovah tamin’ ny fahavalony rehetra manodidina azy izy,
2 mfumuyo inawuza mneneri Natani kuti, “Ine pano ndikukhala mʼnyumba yomanga ndi mitengo ya mkungudza, pomwe Bokosi la Mulungu lili mu tenti.”
dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin’ ny trano sedera, nefa ny fiaran’ Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
3 Natani anayankha mfumu kuti, “Chitani chilichonse chimene chili mu mtima mwanu chifukwa Yehova ali nanu.”
Dia hoy Natana tamin’ ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao.
4 Usiku umenewo mawu a Yehova anafika kwa Natani ndipo anati,
Ary tamin’ ny alin’ iny ihany dia tonga tamin’ i Natana ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
5 “Pita kamuwuze mtumiki wanga Davide kuti, ‘Yehova akunena kuti: kodi ndiwe amene udzandimangira Ine nyumba yokhalamo?
Andeha, lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianao va no hanao trano hitoerako?
6 Ine sindinakhalepo mʼnyumba kuyambira tsiku limene ndinatulutsa Aisraeli mʼdziko la Igupto mpaka lero lino. Ndakhala ndikuyenda uku ndi uku ndipo mokhala mwanga munali mu tenti.
Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin’ ny nitondrako ny Zanak’ Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana.
7 Konse ndakhala ndikuyenda ndi Aisraeli onse, kodi ndinanenapo kwa wina aliyense atsogoleri awo, amene ndinamulamula kuweta anthu anga Aisraeli kuti, nʼchifukwa chiyani simunandimangire nyumba ya mitengo ya mkungudza?’”
Ary tamin’ izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin’ ny Zanak’ Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen’ Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo?
8 “Ndipo tsopano umuwuze mtumiki wanga Davide kuti, ‘Yehova Wamphamvuzonse akuti: Ine ndinakutenga ku busa ukuweta nkhosa kuti ukhale mtsogoleri wa anthu anga Aisraeli.
Koa lazao amin’ i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin’ ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
9 Ineyo ndinali nawe kulikonse kumene unkapita, ndipo ndachotsa adani ako onse pamaso pako. Tsopano ndidzakuza dzina lako kuti likhale mʼgulu la mayina a anthu otchuka kwambiri pa dziko lapansi.
Ary nomba anao tamin’ izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran’ izay lehibe ambonin’ ny tany ianao.
10 Ndipo ndidzawapatsa malo anthu anga Aisraeli ndipo ndidzawadzala pamalo awoawo kuti asadzavutitsidwenso. Anthu oyipa sadzawazunzanso monga ankachitira poyamba paja,
Ary hifidy tany ho an’ ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin’ ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha
11 monga akhala akuchitira kuchokera nthawi imene ndinasankha atsogoleri a anthu anga Aisraeli. Ine ndidzakupatsaninso mpumulo kwa adani anu onse. “‘Yehova akulengeza kwa iwe kuti Iye mwini adzakhazikitsa banja lako:
sy tahaka ny hatramin’ ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin’ ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain’ i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.
12 Masiku ako akadzatha ndipo ukadzakapuma ndi makolo ako, Ine ndidzawutsa mphukira yako imene idzalowa mʼmalo mwako, imene idzachokera mʼthupi mwako, ndipo ndidzakhazikitsa ufumu wake.
Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
13 Iye ndiye amene adzamangire nyumba Dzina langa, ndipo Ine ndidzakhazikitsa ufumu wake kwamuyaya.
dia io no hanao trano ho an’ ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan’ ny fanjakany ho mandrakizay.
14 Ine ndidzakhala abambo ake, ndipo iye adzakhala mwana wanga. Akadzachita choyipa, Ineyo ndidzamulanga ndi ndodo ndi zikwapu za anthu.
Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin’ ny tsorakazon’ ny olona sy ny kapoky ny zanak’ olombelona;
15 Koma sindidzasiya kumukonda, monga ndinachitira ndi Sauli, amene ndinamuchotsa iwe usanakhale mfumu.
nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin’ i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.
16 Nyumba yako ndi ufumu wako zidzakhala zamuyaya pamaso panga. Mpando wako waufumu udzakhazikika kwamuyaya!’”
Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.
17 Natani anafotokozera Davide mawu onse avumbulutso limene analandira.
Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain’ i Natana tamin’ i Davida.
18 Choncho Davide analowa mu tenti nakhala pamaso pa Yehova, ndipo anati: “Inu Yehova Wamphamvuzonse, ine ndine yani, ndipo banja langa nʼchiyani kuti mundifikitse pamene ndafikapa?”
Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?
19 Ndipo kukhala ngati izi ndi zosakwanira pamaso panu, Inu Ambuye Wamphamvuzonse, mwayankhula zatsogolo la banja la mtumiki wanu. Kodi umu ndi mmene mumachitira ndi munthu, Inu Ambuye Wamphamvuzonse?
Ary mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa voalazanao koa ny amin’ ny taranaky ny mpanomponao hatramin’ ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany dia fanaon’ ny olona, Jehovah Tompo ô.
20 Kodi Davide anenenso chiyani kwa Inu? Pakuti Inu Ambuye Wamphamvuzonse mukumudziwa mtumiki wanu.
Ka inona intsony no holazain’ i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, no mahalala ny mpanomponao.
21 Chifukwa cha mawu anu komanso mwa chifuniro chanu, mwachita chinthu chachikulu ichi ndipo mwachiwulula kwa mtumiki wanu.
Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, hampahalalanao ny mpanomponao.
22 Inu ndinu wamkulu, Yehova Wamphamvuzonse! Palibe wina wofanana nanu, ndipo palibe Mulungu wina koma Inu nokha, monga tamvera ndi makutu athu.
Koa amin’ izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren’ ny sofinay.
23 Ndipo ndi ndani wofanana ndi anthu anu Aisraeli, mtundu wokhawo pa dziko lapansi umene Mulungu wake anapita kukawuwombola monga anthu akeake ndi kukadzitchukitsa yekha pochita zinthu zodabwitsa zazikulu, pothamangitsa mitundu ina ndi milungu yawo pamaso pa anthu ake, amene Inu munawawombola ku Igupto?
Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan’ Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an’ ny taninao teo anatrehan’ ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin’ ny firenen’ i Egypta sy ny andriamaniny?
24 Inu mwawapanga anthu anu Aisraeli kukhala anuanu kwamuyaya, ndipo Inu, Inu Yehova ndinu Mulungu wawo.
Dia nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
25 “Ndipo tsopano Yehova Mulungu, sungani kwamuyaya lonjezo limene mwachita ndi mtumiki wanu ndi banja lake. Chitani monga mwalonjezera,
Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin’ ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
26 kotero dzina lanu lidzakhala lotchuka mpaka muyaya. Ndipo anthu adzanena kuti, ‘Yehova Wamphamvuzonse ndi Mulungu wa Israeli!’ Ndipo banja la mtumiki wanu Davide lidzakhazikika pamaso panu.
Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon’ ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak’ i Davida mpanomponao.
27 “Inu Yehova Wamphamvuzonse, Mulungu wa Israeli, mwaululira mtumiki wanu ponena kuti, ‘Ine ndidzakumangira iwe nyumba!’ Nʼchifukwa chake ine mtumiki wanu ndalimba mtima kupemphera motere.
Fa Hianao, Jehovah Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin’ ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.
28 Inu Ambuye Wamphamvuzonse, ndinu Mulungu! Mawu anu ndi odalirika, ndipo mwalonjeza zinthu zabwinozi kwa mtumiki wanu.
Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ ny mpanomponao,
29 Ndipo tsopano chikukomereni kudalitsa banja la mtumiki wanu, kuti likhale mpaka muyaya pamaso panu. Pakuti Inu, Yehova Wamphamvuzonse, mwayankhula, ndipo ndi mʼdalitso wanu banja la mtumiki wanu lidzakhala lodalitsika mpaka muyaya.”
dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.