< 2 Mbiri 33 >
1 Manase anali wa zaka khumi ndi ziwiri pamene anakhala mfumu, ndipo analamulira mu Yerusalemu kwa zaka 55.
Roa ambin’ ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema.
2 Iye anachita zoyipa pamaso pa Yehova, potsatira machitidwe a mitundu imene Yehova anayithamangitsa pamaso pa Aisraeli.
Ary nanao izay ratsy eo mason’ i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
3 Iyeyo anamanganso malo opembedzerapo mafano amene Hezekiya abambo ake anawaphwasula; anamanganso maguwa ansembe a Baala ndi kupanga mafano a Asera. Iye amagwadira zolengedwa zonse zamlengalenga ndi kumazipembedza.
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay efa noravan’ i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an’ ireo Bala izy sady nanao Aseraha sy niankohota teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra ka nanompo azy
4 Manase anamanga maguwa mʼNyumba ya Yehova, mʼmene Yehova ananena kuti, “Ine ndidzakhala mu Yerusalemu mpaka muyaya.”
sady nanorina alitara tao an-tranon’ i Jehovah, dia tao amin’ ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Any Jerosalema no hitoeran’ ny anarako mandrakizay.
5 Mʼmabwalo onse awiri a Nyumba ya Yehova anamangamo maguwa ansembe a zolengedwa zonse zamlengalenga.
Fa nanao alitara teo anatin’ ny kianja roa amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.
6 Iye ankakapereka ana ake aamuna ngati nsembe yopsereza ku chigwa cha Hinomu, ankachita zamatsenga, kuwombeza ndi ufiti, ankakafunsira kwa woyankhula ndi mizimu ya anthu akufa. Iye anachita zoyipa zambiri pamaso pa Yehova, kumukwiyitsa Iyeyo.
Ary ny zanany nampamakiny ny afo teo an-dohasahan’ ny taranak’ i Hinoma, sady nanandro sy nanao sikidy izy sy nanana ody ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, dia nahery nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
7 Manase anatenga fano losema limene anapanga ndi kuliyika mʼNyumba ya Mulungu, zimene Mulungu ananena kwa Davide ndi kwa mwana wake Solomoni kuti, “Mʼnyumba ya Mulungu muno, mu Yerusalemu muno, malo amene ndawasankha pakati pa mafuko onse a Israeli, ndidzakhalamo mpaka muyaya.
Ary izay sarin-javatra voasokitra momba ny sampy nataony dia napetrany tao an-tranon’ Andriamanitra, izay nolazain’ Andriamanitra tamin’ Davida sy Solomona zanany hoe: Eto amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay;
8 Ine sindidzachotsanso phazi la Aisraeli kuchoka mʼdziko limene ndawapatsa makolo ako, ngatitu iwowa adzasamalira kuchita chilichonse chimene ndinawalamulira za malamulo onse, malangizo ndi miyambo imene inapatsidwa kudzera mwa Mose.”
ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin’ ny tany izay efa notendreko ho an’ ny razanareo Aho, raha mba hitandrina koa izy hanao araka izay rehetra nandidiako azy, dia araka ny lalana rehetra sy ny didy ary ny fitsipika izay nampilazaina an’ i Mosesy.
9 Koma Manase anasocheretsa anthu a ku Yuda ndi Yerusalemu, kotero anachita zoyipa zambiri kupambana mitundu imene Yehova anayiwononga pamaso pa Aisraeli.
Kanjo nampivily ny Joda sy ny mponina tany Jerosalema Manase mba hanao ratsy mihoatra noho ny firenena izay naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ isiraely.
10 Yehova anayankhula kwa Manase ndi anthu ake, koma iwo sanasamaleko.
Ary Jehovah niteny tamin’ i Manase sy ny vahoakany, nefa tsy nety nihaino izy.
11 Kotero Yehova anawatumizira atsogoleri a ankhondo a ku Asiriya amene anagwira Manase ukapolo, anayika ngowe mʼmphuno mwake, namumanga ndi zingwe zamkuwa ndi kupita naye ku Babuloni.
Dia nentin’ i Jehovah hamely azy ny komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Asyria, dia nosamborin’ ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona.
12 Ali pa mavuto akewo anafunafuna kuti Yehova Mulungu wake amukomere mtima ndipo anadzichepetsa kwakukulu pamaso pa Mulungu wa makolo ake.
Ary nony azom-pahoriana mafy izy, vao nifona tamin’ i Jehovah Andriamaniny sady nanetry tena indrindra teo anatrehan’ Andriamanitry ny razany
13 Ndipo atapemphera, Yehova anakhudzidwa ndi kupempha kwakeko ndipo anamvera madandawulo ake. Kotero anamubweretsanso ku Yerusalemu ndi ku ufumu wake. Ndipo Manase anadziwa kuti Yehova ndi Mulungu.
ka nivavaka taminy; ary Jehovah nanaiky ka nihaino ny fifonany, dia nampody azy ho any Jerosalema ho any amin’ ny fanjakany. Ka dia fantatr’ i Manase fa Jehovah no Andriamanitra.
14 Zitapita izi iye anamanga khoma la kunja kwa Mzinda wa Davide kumadzulo kwa kasupe wa Gihoni ku chigwa mpaka polowera ku Chipata cha Nsomba kuzungulira phiri la Ofeli. Iyeyo anakweza kwambiri khomalo. Anayikanso atsogoleri a nkhondo ku mizinda yonse yotetezedwa ya Yuda.
Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan’ ny Tanànan’ i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin’ ny lohasahan-driaka, ka hatramin’ ny fidirana amin’ ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an’ i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin’ ny miaramila ho any amin’ ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
15 Iye anachotsa milungu yonse yachilendo ndi fano mʼNyumba ya Yehova komanso maguwa ansembe onse amene anamanga pa phiri la Nyumba ya Mulungu ndi mu Yerusalemu, nazitayira kunja kwa mzinda.
Dia nesoriny ireny andriamani-kafa sy ny sampy tao an-tranon’ i Jehovah mbamin’ ny alitara rehetra izay efa naoriny teo an-tendrombohitry ny tranon’ i Jehovah sy tany Jerosalema ka nariany teny ivelan’ ny tanàna.
16 Kenaka anabwezeretsa guwa lansembe la Yehova ndi kupereka zopereka zachiyanjano ndiponso zopereka zamatamando ndipo anawuza Yuda kuti atumikire Yehova Mulungu wa Israeli.
Ary nanorina indray ny alitaran’ i Jehovah izy ka namono zavatra hatao fanati-pihavanana sy fanati-pisaorana teo amboniny, dia nandidy ny Joda hanompo an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
17 Komabe anthu anapitiriza kupereka nsembe ku malo achipembedzo, koma kwa Yehova, Mulungu wawo yekha.
Fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany, kanefa kosa ho an’ i Jehovah Andriamaniny ihany.
18 Zina ndi zina zokhudza ulamuliro wa Manase, kuphatikiza mapemphero ake kwa Mulungu wake ndi mawu amene alosi anayankhula kwa iye mʼdzina la Yehova Mulungu wa Israeli, zalembedwa mʼmabuku a mafumu a Israeli.
Ary ny tantaran’ i Manase sisa mbamin’ ny vavaka nataony tamin’ Andriamaniny sy ny tenin’ ireo mpahita izay niteny taminy tamin’ ny anaran’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely indro, ao amin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
19 Pemphero lake ndi momwe Mulungu anakhudzidwira ndi kupempha kwakeko, pamodzinso ndi machimo ake onse ndi kusakhulupirika kwake, ndiponso malo onse amene anamanga, malo azipembedzo ndi mafano a Asera ndi mafano asanadzichepetse, zonse zalembedwa mʼmbiri ya alosi.
Ary koa, ny vavaka nataony sy ny naneken’ Andriamanitra izany ary ny fahotany sy ny fahadisoany rehetra mbamin’ ny fitoerana izay nanorenany fitoerana avo sy nananganany Aseraha sy sarin-javatra voasokitra, fony izy tsy mbola nanetry tena, indro, efa voasoratra ao amin’ ny tenin’ i Hozay izany.
20 Manase anamwalira ndipo anayikidwa mʼmanda mʼnyumba yake yaufumu. Ndipo Amoni mwana wake analowa ufumu mʼmalo mwake.
Ary Manase lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-tranony; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
21 Amoni anali wa zaka 22 pamene anakhala mfumu ndipo analamulira mu Yerusalemu kwa zaka ziwiri.
Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema.
22 Iye anachita zoyipa pamaso pa Yehova, monga anachitira Manase abambo ake. Amoni analambira ndi kupereka nsembe kwa mafano onse amene anapanga Manase.
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah tahaka ny nataon’ i Manase rainy ihany izy; fa ny sarin-javatra voasokitra rehetra nataon’ i Manase rainy dia namonoan’ i Amona zavatra hatao fanatitra ka notompoiny;
23 Koma kusiyana ndi abambo ake Manase, iye sanadzichepetse pamaso pa Yehova. Amoni anawonjeza kulakwa kwake.
ary tsy nanetry tena teo anatrehan’ i Jehovah tahaka ny nataon’ i Manase rainy izy, fa mainka nanota bebe kokoa aza.
24 Akuluakulu a Amoni anamuchita chiwembu ndipo anamupha mʼnyumba yake yaufumu.
Dia nikomy taminy ny mpanompony ka namono azy tao an-tranony.
25 Koma anthu a mʼdzikomo anapha onse amene anakonzera chiwembu mfumu Amoni, ndipo anayika mwana wake Yosiya kukhala mfumu mʼmalo mwake.
Fa ny vahoaka kosa namono izay rehetra efa nikomy tamin’ i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an’ i Josia zanany hisolo azy.