< 1 Samueli 28 >
1 Mʼmasiku amenewo Afilisti anasonkhanitsa ankhondo awo kuti akamenyane ndi Aisraeli. Akisi anawuza Davide kuti, “Udziwe kuti iwe pamodzi ndi anthu ako mudzapita nane ku nkhondo.”
Ary tamin’ izany andro izany ny Filistina dia namory ny miaramilany hanafika ny Isiraely. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Aoka ho fantatrao tsara fa hiara-mivoaka amiko hanafika ianao sy ny olonao.
2 Davide anayankha kuti, “Tsono inu mudzaona zimene mtumiki wanune ndingachite.” Akisi anayankha kuti, “Chabwino ine ndidzakuyika iwe kukhala mlonda wanga moyo wako wonse.”
Ary hoy Davida tamin’ i Akisy: Amin’ izao dia ho fantatrao tokoa izay hain’ ny mpanomponao hatao. Ary hoy Akisy tamin’ i Davida: Noho izany dia hataoko mpiaro ny lohako mandrakizay ianao.
3 Nthawi imeneyi nʼkuti Samueli atamwalira, ndipo Aisraeli onse anamulira namuyika mʼmanda ku mzinda wake wa Rama. Sauli anali atachotsa mʼdzikomo anthu owombeza mawula ndi woyankhula ndi mizimu ya anthu akufa.
(Ary efa maty Samoela, ka ny Isiraely rehetra efa nisaona azy sy nandevina azy tao Rama, dia tao an-tanànany. Ary efa noroahin’ i Saoly hiala amin’ ny tany izay nanao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana.)
4 Tsono Afilisti anasonkhana nabwera kudzamanga misasa yawo ku Sunemu. Nayenso Sauli anasonkhanitsa Aisraeli onse ndi kumanga misasa yawo ku Gilibowa.
Ary ny Filistina nivory, dia tonga ka nitoby tao Sonema; fa Saoly namory ny Isiraely rehetra, ka nitoby tao Gilboa kosa ireo.
5 Sauli ataona gulu lankhondo la Afilisti anaopa ndipo ananjenjemera kwambiri.
Ary Saoly, raha nahita ny miaramilan’ ny Filistina, dia raiki-tahotra sady niemponempona ny fony.
6 Choncho Sauli anafunsa nzeru kwa Yehova koma Yehova sanamuyankhe ngakhale kudzera mʼmaloto, kapena mwa Urimu ngakhalenso kudzera mwa aneneri.
Ary Saoly dia nanontany tamin’ i Jehovah, fa Jehovah tsy namaly azy, na tamin’ ny nofy, na tamin’ ny Orima, na tamin’ ny mpaminany.
7 Kenaka Sauli anawuza nduna zake kuti, “Mundipezere mkazi amene amawombeza mawula kuti ndipite ndikafunse kwa iye.” Nduna zakezo zinamuyankha kuti, “Alipo mkazi woyankhula ndi mizimu ya anthu akufa ku Endori.”
Ary hoy Saoly tamin’ ny mpanompony: Itadiavo vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra aho hankanesako any hanontaniako aminy. Ary hoy ny mpanompony taminy: Indro, misy vehivavy manao azy ho tsindrian-javatra eo Andora.
8 Kotero Sauli anadzizimbayitsa navala zovala zachilendo. Tsono iye pamodzi ndi anthu awiri anapita nakafika kwa mkazi uja usiku, ndipo anamupempha kuti, “Chonde ndifunsireni nzeru kwa mizimu ya anthu akufa. Koma makamaka munditulutsire mzimu wa amene ndimutchule.”
Dia nanova tarehy Saoly ka nitafy fitafiana hafa, dia nandeha izy sy ny olona roa lahy nanaraka azy ka tonga tao amin-dravehivavy nony alina; ary hoy izy: Masìna ianao, manaova fankatovana ho ahy amin’ ny zavatra manindry anao, ka ampiakaro ho etỳ amiko izay hotononiko aminao.
9 Koma mkaziyo anayankha kuti, “Ndithu inu mukudziwa chimene Sauli anachita. Paja iye anachotsa mʼdziko muno anthu onse owombeza ndi woyankhula ndi mizimu ya anthu akufa. Chifukwa chiyani mukutchera moyo wanga msampha kuti ndiphedwe?”
Ary hoy ravehivavy taminy: Indro, fantatrao izay nataon’ i Saoly, dia ny nandroahany ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana hiala amin’ ny tany, ka nahoana ianao no mamandrika ny aiko hahafaty ahy?
10 Koma Sauli analonjeza mkaziyo molumbira nati, “Pali Yehova wamoyo, iweyo sudzalangidwa chifukwa cha zimenezi.”
Ary Saoly nianiana tamin’ i Jehovah ka nanao taminy hoe: Raha velona koa Jehovah, dia tsy hisy heloka hahazo anao amin’ izao zavatra izao.
11 Kenaka mkaziyo anafunsa, “Ndikuyitanireni yani?” Iye anati, “Undiyitanire Samueli.”
Dia hoy ravehivavy: Iza ary no hampiakariko ho eto aminao? Ary hoy izy: Samoela no ampiakaro ho etỳ amiko.
12 Pamene mkaziyo anaona Samueli anakuwa kwambiri, nawuza Sauli kuti, “Nʼchifukwa chiyani inu mwandipusitsa? Inu ndinu Sauli!”
Ary hitan-dravehivavy Samoela, dia nidradradradra tamin’ ny feo mafy izy ka nanao tamin’ i Saoly hoe: Nahoana no namitaka ahy ianao? fa ianao no Saoly.
13 Mfumuyo inamuwuza kuti, “Usaope. Kodi ukuona chiyani?” Mkaziyo anayankha kuti, “Ndikuona mzimu ukutuluka pansi.”
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Aza matahotra; fa inona no hitanao? Ary hoy ravehivavy tamin’ i Saoly: Andriamanitra miakatra avy amin’ ny tany no hitako.
14 Sauli anafunsa, “Kodi mzimuwo ukuoneka motani?” Mkaziyo anayankha kuti, “Amene akutuluka ndi munthu wokalamba ndipo wavala mkanjo.” Apo Sauli anadziwa kuti anali Samueli ndipo anawerama nagunditsa nkhope yake pansi.
Ary hoy izy taminy: Manao ahoana no endriny? Dia hoy izy: Lehilahy antitra no miakatra sady mikapôty izy. Ary fantatr’ i Saoly fa Samoela izay, dia niondrika tamin’ ny tany izy ka niankohoka.
15 Samueli anafunsa Sauli kuti, “Nʼchifukwa chiyani wandivutitsa pondiyitana kuti ndibwere kuno?” Sauli anayankha kuti, “Ine ndavutika kwambiri mʼmaloto. Afilisti akumenyana nane, ndipo Mulungu wandifulatira. Iye sakundiyankhulanso, ngakhale kudzera mwa aneneri kapena maloto. Choncho ndakuyitanani kuti mundiwuze zoti ndichite.”
Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nahoana no korontaninao aho ka ampiakarinao? Dia hoy Saoly: Tery loatra aho, fa miady amiko ny Filistina, ary Andriamanitra efa nahafoy ahy ka tsy mamaly teny ahy intsony, na amin’ ny mpaminany, na amin’ ny nofy; koa izany no nampanalako anao mba hampahalalanao ahy izay hataoko.
16 Samueli anati, “Nʼchifukwa chiyani ukundifunsa ine, pakuti tsopano Yehova wakufulatira ndipo wasanduka mdani wako?
Ary hoy Samoela: Nahoana no manontany amiko ianao, nefa Jehovah efa mahafoy anao ka tonga fahavalonao.
17 Yehova wakuchita zimene ananeneratu kudzera mwa ine. Yehova wachotsa ufumu mʼmanja mwako ndipo waupereka kwa mnansi wako, kwa Davide.
Fa Jehovah efa nanao ho Azy araka ny nampilazainy ahy; fa efa nendahany hiala amin’ ny tananao ny fanjakana ka nomeny an’ i Davida namanao.
18 Yehova wachita zimenezi lero chifukwa sunamvere mawu ake ndipo sunawawonongeretu Aamaleki.
Satria tsy nihaino ny feon’ i Jehovah ianao ka tsy nahatanteraka ny fahatezerany mirehitra tamin’ ny Amalekita, dia izany no nanaovan’ i Jehovah izao zavatra izao taminao androany.
19 Yehova adzapereka ndithu iweyo pamodzi ndi Aisraeli kwa Afilisti. Ndipo mmawa iweyo ndi ana ako mudzakhala ndi ine kuno. Ndithu Yehova adzapereka gulu lankhondo la Aisraeli kwa Afilisti.”
Ary hiaraka hatolotr’ i Jehovah ho eo an-tànan’ ny Filistina ny tenanao sy ny Isiraely; ary rahampitso dia ho etỳ amiko ianao sy ny zanakao; ary ny miaramilan’ ny Isiraely koa dia hatolotr’ i Jehovah eo an-tànan’ ny Filistina.
20 Nthawi yomweyo Sauli anagwa pansi atadzazidwa ndi mantha chifukwa cha mawu a Samueli. Analibenso mphamvu, pakuti sanadye tsiku lonse.
Dia lavo niampatra tamin’ ny tany niaraka tamin’ izay Saoly ka raiki-tahotra indrindra noho ny tenin’ i Samoela; sady efa tsy nisy hery intsony izy, satria tsy nihinan-kanina indray andro sy indray alina maninjitra.
21 Mkazi uja tsono anasendera kufupi ndi Sauli, ndipo ataona kuti Sauli akuchita mantha, anamuwuza kuti, “Taonani, mdzakazi wanune ndakumverani. Ndayika moyo wanga pa chiswe ndipo ndamvera zimene munandiwuza.
Ary nankao amin’ i Saoly ravehivavy ka nahita azy ory indrindra, dia nanao taminy hoe: Indro, ny ankizivavinao nihaino ny feonao, dia nanao ny aiko tsy ho zavatra aho ka nihaino ny teninao izay nolazainao tamiko.
22 Tsono inunso mumvere mawu a mdzakazi wanune. Mundilole kuti ndikupatseni ka buledi pangʼono kuti mukhale ndi mphamvu zoyendera pa ulendo wanu.”
Koa ankehitriny, masìna ianao, mba henoy kosa ny tenin’ ny ankizivavinao, ary aoka aho handroso sombin-kanina kely eo anoloanao; dia hano izany mba hahatanjaka anao, raha handeha amin’ ny alehanao ianao.
23 Iye anakana ndipo anati, “Ayi, ine sindidya.” Koma nduna zake pamodzi ndi mkaziyo anamuwumiriza, ndipo anawamvera. Choncho anadzuka pansi nakhala pa bedi.
Fa tsy nety izy, fa hoy izy: Tsy hihinana aho. Fa ny mpanompony sy ravehivavy mbola nanery azy ihany, ka dia nihaino ny feony izy. Dia nitsangana izy ka nipetraka teo am-parafara.
24 Mkaziyo anali ndi mwana wangʼombe wonenepa ndipo anamupha mwachangu. Anatenga ufa nawukanyanga ndipo anaphika buledi wopanda yisiti.
Ary ravehivavy nanana zanak’ omby mifahy tao an-trano; dia nandeha haingana izy ka namono izany, ary naka koba izy, dia nofetafetainy ka nendasiny ho mofo tsy misy masirasira.
25 Tsono anapereka bulediyo kwa Sauli ndi nduna zake ndipo anadya. Pambuyo pake ananyamuka kupita kwawo usiku womwewo.
Ary narosony teo anoloan’ i Saoly sy teo anoloan’ ny mpanompony izany; dia nihinana izy ireo, ary dia niainga ka lasa nandeha tamin’ iny alina iny ihany.