< 1 Mafumu 16 >
1 Ndipo Yehova anayankhula kudzera mwa Yehu mwana wa Hanani, mawu odzudzula Baasa kuti,
Ary tonga tamin’ i Jeho, zanak’ i Hanany, ny tenin’ i Jehovah ny amin i Basa nanao hoe:
2 “Ine ndinakukuza kuchokera pa fumbi ndipo ndinakupanga kuti ukhale mtsogoleri wa anthu anga Aisraeli, koma iwe wakhala ukuyenda mʼnjira za Yeroboamu ndi kuchimwitsa anthu anga Aisraeli naputa mkwiyo wanga chifukwa cha machimo awo.
Satria nasandratro avy tamin’ ny vovoka ianao ka notendreko ho mpanapaka ny Isiraely oloko; nefa kosa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama ihany ianao ary nampanota ny Isiraely oloko ka nampahatezitra Ahy tamin’ ny fahotany,
3 Taonani, Ine ndatsala pangʼono kuwononga Baasa pamodzi ndi nyumba yake, ndipo ndidzachitira nyumba yake zimene ndinachita pa nyumba ya Yeroboamu mwana wa Nebati.
dia, indro, hofongorako Basa sy ny taranany, ary ny taranakao hataoko tahaka ny taranak’ Jeroboama, zanak’ i Nebata.
4 Agalu adzadya aliyense wa banja la Baasa amene adzafere mu mzinda, ndipo mbalame za mu mlengalenga zidzadya iwo amene adzafere kuthengo.”
Koa izay tamingan’ i Basa maty ao an-tanàna dia hohanin’ ny alika; ary izay tamingany maty any an-tsaha dia hohanin’ ny voro-manidina.
5 Tsono ntchito zina za Baasa ndi zamphamvu zake zimene anachita, kodi sizinalembedwe mʼbuku la mbiri ya mafumu a Israeli?
Ary ny tantaran’ i Basa sisa mbamin’ izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
6 Baasa anamwalira nayikidwa mʼmanda amene anayikidwa makolo ake ku Tiriza. Ndipo Ela mwana wake anakhala mfumu mʼmalo mwake.
Ary Basa lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Tirza; ary Elaha zanany no nanjaka nandimby azy.
7 Komatu Yehova anayankhula kwa Baasa pamodzi ndi banja lake lonse kudzera mwa mneneri Yehu mwana wa Hanani, chifukwa cha zoyipa zonse zimene iye anachita pamaso pa Yehova, kukwiyitsa Yehovayo nakhala ngati nyumba ya Yeroboamu ndiponso chifukwa anawonongeratu banja la Yeroboamu.
Ary Jeho mpaminany zanak’ i Hanany, dia nampitondraina ny tenin’ i Jehovah ny amin’ i Basa sy ny taranany, satria nanao ratsy teo imason’ i Jehovah ka nampahatezitra Azy tamin’ ny asan’ ny tanany, ka dia tonga tahaka ny mpianakavin’ i Jeroboama, ary satria namono ireo izy.
8 Mʼchaka cha 26 cha ufumu wa Asa mfumu ya Yuda, Ela mwana wa Baasa anakhala mfumu ya Israeli, ndipo analamulira ku Tiriza zaka ziwiri.
Tamin’ ny taona fahenina amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Elaha, zanak’ i Basa, tamin’ ny Isiraely tao Tirza, ary nanjaka roa taona izy.
9 Zimuri, mmodzi mwa akuluakulu ake, amene ankalamulira theka la magaleta ake, anamuchitira chiwembu. Nthawi imeneyi Ela anali ku Tiriza, akumwa koledzera nako mʼnyumba ya Ariza, munthu amene ankayangʼanira nyumba yaufumu ku Tiriza.
Ary Zimry mpanompony, komandin’ ny antsasaky ny kalesiny, nikomy taminy, raha nisotro ho mamo tao Tirza, tao an-tranon’ i Arza, lehiben’ ny tao an-dapa tao Tirza, izy.
10 Zimuri anadzalowa, namukantha ndi kumupha mʼchaka cha 27 cha Asa mfumu ya Yuda. Ndipo Zimuriyo anakhala mfumu mʼmalo mwake.
Dia niditra Zimry ka namely an’ i Elaha ho faty tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary izy no nanjaka nisolo azy.
11 Zimuri atangoyamba kulamulira, anapha banja lonse la Baasa. Sanasiyepo munthu wamwamuna ndi mmodzi yemwe, wachibale kapena bwenzi lake.
Ary nony vao nanjaka Zimry ka nipetraka tamin’ ny seza fiandrianany, dia namono ny mpianakavin’ i Basa rehetra izy; ka tsy navelany hisy miangana na dia lehilahy iray akory aza, na tamin’ ny havany, na tamin’ ny sakaizany.
12 Choncho Zimuri anawononga banja lonse la Baasa, molingana ndi mawu amene Yehova anayankhula motsutsa Baasa kudzera mwa mneneri Yehu,
Toy izany no nandringanan’ i Zimry ny mpianakavin’ i Basa rehetra, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Jehovah mpaminany ny amin’ i Basa,
13 chifukwa cha machimo onse amene Baasa ndi mwana wake Ela anachita nachimwitsa Israeli, anakwiyitsa Yehova, Mulungu wa Israeli ndi mafano awo osapindulitsa.
noho ny fahotany rehetra sy ny fahotan’ i Elaha zanany koa, izay nataony sady nampanotany ny Isiraely ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
14 Tsono ntchito zina za Ela ndi zina zonse zimene anachita, kodi sizinalembedwe mʼbuku la mbiri ya mafumu a Israeli?
Ary ny tantaran’ i Elaha sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
15 Mʼchaka cha 27 cha Asa mfumu ya Yuda, Zimuri analamulira ku Tiriza masiku asanu ndi awiri. Gulu la ankhondo linali litamanga misasa pafupi ndi Gibetoni, mzinda wa Afilisti.
Tamin’ ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no nanjakan’ i Zimry hafitoana tao Tirza. Ary ny olona nanao fahirano an’ i Gibetona, izay an’ ny Filistina.
16 Ankhondo amene anali ku misasa atamva kuti Zimuri wachita chiwembu ndi kupha mfumu, tsiku lomwelo ku misasako anasankha Omuri, mkulu wa ankhondo kukhala mfumu ya Israeli.
Ary ny olona izay nitoby teo dia nandre hoe: Efa nikomy Zimry sady efa namono ny mpanjaka koa; ary ny Isiraely rehetra tany an-tobiny nampanjaka an’ i Omry, komandin’ ny miaramila, androtrizay ihany ho mpanjakan’ ny Isiraely.
17 Tsono Omuri ndi Aisraeli onse amene anali naye anachoka ku Gibetoni ndi kukazinga Mzinda wa Tiriza.
Dia niakatra avy tao Gibetona Omry sy ny Isiraely rehetra niaraka taminy, ka dia nanao fahirano an’ i Tirza.
18 Zimuri ataona kuti mzinda walandidwa, anathawira ku nsanja ya nyumba ya mfumu ndipo anatentha nyumbayo iye ali momwemo. Kotero iyeyo anafa,
Ary nony hitan’ i Zimry fa afaka ny tanana, dia lasa niditra tao amin’ ny trano avo amin’ ny lapa izy, ary nodorany tamin’ ny afo ny lapa, ka may tao izy, dia maty
19 chifukwa cha machimo amene iye anachita, kuchita zoyipa pamaso pa Yehova ndi kuyenda mʼnjira za Yeroboamu, nachimwitsa nazo Aisraeli.
noho ny fahotana izay nataony tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah, tamin’ ny nandehanany tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotana izay nataony sady nampanotany ny Isiraely.
20 Tsono ntchito zina za Zimuri ndi chiwembu chake chimene anachita, kodi sizinalembedwe mʼbuku la mbiri ya mafumu a Israeli?
Ary ny tantaran’ i Zimry sisa mbamin’ ny fikomiany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
21 Pambuyo pake Aisraeli anagawikana pakati: theka linatsatira Tibini mwana wa Ginati kuti limulonge ufumu, ndipo theka lina linatsatira Omuri.
Ary tamin’ izany dia nizara roa ny lehilahy amin’ ny Isiraely: ny antsasany nomba an i Tibny, zanak’ i Ginata, hampanjaka azy; ary ny antsasany kosa nomba an’ i Omry.
22 Koma anthu otsatira Omuri anali amphamvu kupambana amene ankatsatira Tibini mwana wa Ginati. Choncho Tibini anafa ndipo Omuri anakhala mfumu.
Fa ny olona izay nomba an’ i Omry naharesy ny olona izay nomba an’ i Tibny, zanak’ i Ginata; ka dia maty Tibny, ary Omry no nanjaka.
23 Mʼchaka cha 31 cha Asa mfumu ya Yuda, Omuri anakhala mfumu ya Israeli, ndipo analamulira zaka 12 ndi miyezi isanu ndi umodzi ku Tiriza.
Tamin’ ny taona fahiraika amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Omry; ary nanjaka roa ambin’ ny folo taona tamin’ ny Isiraely izy; tao Tirza no nanjakany enin-taona.
24 Iye anagula phiri la Samariya kwa Semeri pa mtengo wa ndalama 6,000 za siliva ndipo pa phiripo anamangapo mzinda, nawutcha Samariya, potsata dzina la Semeri, dzina la mwini wakale wa phirilo.
Ary novidiny talenta volafotsy roa tamin’ i Samera ny havoan’ i Samaria, dia nanao tanàna teo an-tampon’ ny havoana izy, ary nataony hoe Samaria, araka ny anaran’ i Samera, tompon’ ny havoana, ny anaran’ ny tanàna.
25 Koma Omuri anachita zoyipa pamaso pa Yehova ndipo anachimwa kuposa mafumu ena onse amene analipo iye asanakhale mfumu.
Fa Omry nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah; eny, nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohany izy;
26 Pakuti iye anayenda mʼnjira zonse za Yeroboamu mwana wa Nebati, ndipo tchimo lake anachimwitsa nalo Aisraeli, nakwiyitsa Yehova Mulungu wa Israeli ndi mafano awo opandapake.
fa nandeha tamin’ ny lalana rehetra nalehan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, sy tamin’ ny fahotana izay nampanotany ny Isiraely izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamin’ ny zava-poanany.
27 Tsono ntchito zina za Omuri ndi zamphamvu zimene anachita, kodi sizinalembedwe mʼbuku la mbiri ya mafumu a Israeli?
Ary ny tantaran’ i Omry sisa mbamin’ izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
28 Choncho Omuri anamwalira nayikidwa mʼmanda amene anayikidwa makolo ake ku Samariya. Ndipo Ahabu mwana wake analowa ufumu mʼmalo mwake.
Ary Omry lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Ahaba zanany no nanjaka nandimby azy.
29 Mʼchaka cha 38 cha ufumu wa Asa, mfumu ya Yuda, Ahabu mwana wa Omuri anakhala mfumu ya Israeli nalamulira Israeli ku Samariya zaka 22.
Ary Ahaba, zanak’ i Omry, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ary nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria roa amby roa-polo Taona izy.
30 Ahabu mwana wa Omuri anachita zoyipa zambiri pamaso pa Yehova kupambana mafumu onse akale.
Ary Ahaba, zanak’ i Omry, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah mihoatra noho izay rehetra teo alohany.
31 Iye sanachiyese ngati chinthu chochepa chabe kuchita machimo a Yeroboamu mwana wa Nebati, koma anakwatiranso Yezebeli, mwana wa Etibaala mfumu ya Asidoni, nayamba kutumikira Baala ndi kumupembedza.
Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ka dia nampakatra an’ i Jezebela, zanakavavin’ i Etibala, mpanjakan’ ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an’ i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
32 Iye anapangira Baala guwa lansembe mʼnyumba ya Baala imene anamanga ku Samariya.
Ary nanao alitara ho an’ i Bala tao amin’ ny tranon’ i Bala izay nataony tao Samaria izy.
33 Ahabu anapanganso fano la Asera ndi kukwiyitsa kwambiri Yehova Mulungu wa Israeli, kupambana mafumu onse a Israeli amene analipo iye asanakhale mfumu.
Ary Ahaba nanao ny Aseraha ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, mihoatra noho ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra izay teo alohany.
34 Pa nthawi ya Ahabu, Hiyeli wa ku Beteli anamanganso mzinda wa Yeriko. Pa nthawi yomanga maziko ake, mwana wake woyamba wa mwamuna, Abiramu anamwalira, ndipo pa nthawi yomanga zipata zake, mwana wa mngʼono wa mwamuna Segubu, anamwaliranso. Izi zinachitika monga momwe Yehova ananenera kudzera mwa Yoswa mwana wa Nuni.
Tamin’ ny andron’ i Ahaba no nanorenan’ i Hiela Betelita an’ i Jeriko; ny ain’ i Abìrama lahimatoany no sazin’ ny nanorenany ny fanambaniny, ary ny ain’ i Segoba faralahiny no sazin’ ny nananganany ny vavahadiny, araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Josoa, zanak’ i Nona.