< Рут 3 >
1 След това, свекърва й Ноемин й рече: Дъщерьо моя, да не потърся ли спокойствие за тебе та да благоденствуваш?
Dia hoy Naomy rafozani-vavy taminy: Tsy hitady izay tokan-trano hahitanao fiadanana va aho, anaka, mba hahasoa anao?
2 И сега, не е ли от нашия род Вооз, с чиито момчета беше ти? Ето, тая нощ той вее ечемика на гумното.
Ary ankehitriny tsy isan’ ny havantsika va Boaza, tompon’ ny ankizivavy izay niarahanao? Indro, mikororoka vary hordea eo am-pamoloana izy anio alina.
3 Умий се, прочее, и помажи се, и облечи се с дрехите си и слез на гумното; но да се не покажеш на човека, догде не е свършил яденето и пиенето си.
Koa mandroa sy mihosora diloilo ary miakanjoa, dia midìna any am-pamoloana; nefa aza atao fanta-dralehilahy akory ianao, raha tsy efa avy nihinana sy nisotro izy.
4 И като си ляга, забележи мястото гдето ляга, и иди та подигни покривката из към нозете му и легни; и той ще ти каже що трябва да направиш.
Ary rehefa mandry izy, dia fantaro izay andriany, ary midìra, ka songay ny lamba eo an-tongony, dia mandria eo ianao; ary holazainy aminao izay hataonao.
5 А тя й рече: Всичко що ми каза, ще сторя.
Dia hoy izy taminy: Eny, fa hataoko izay rehetra lazainao amiko.
6 И тъй слезе на гумното, та стори всичко, що й заповяда свекърва й.
Dia nidina tany am-pamoloana izy ka nanao araka izay rehetra nandidian’ ny rafozani-vavy azy.
7 А Вооз, като яде и пи и сърцето му се развесели, отиде да си легне край купа ечемик; а тя дойде тихо та подигна покривката откъм нозете му и легна.
Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin’ ny faran’ ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo.
8 И около среднощ човекът се стресна и обърна; и ето жена лежеше при нозете му.
Ary nony namatonalina, dia taitra ralehilahy ka niarina hitsapa, ary, indro, nisy vehivavy nandry teo an-tongony.
9 И рече: Коя си ти? И тя отговори: Аз съм слугинята ти Рут; простри, прочее, полата си над слугинята си, защото си ми близък сродник.
Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao.
10 А той каза: Благословена да си от Господа, дъщерьо; тая последна доброта, която се показала, е по-голяма от предишната, гдето ти не отиде след млади, били те сиромаси или богати.
Dia hoy izy: Hotahin’ i Jehovah anie ianao, anaka; efa nanao soa be lavitra tamin’ ny ato aoriana ianao noho ny tamin’ ny voalohany, noho ny tsy nanarahanao ny zatovo, na ny malahelo, na ny manan-karena.
11 И сега, дъщерьо, не се бой; аз ще сторя за тебе всичко що казваш; защото целият град на людете ми знае, че си добродетелна жена.
Koa ankehitriny anaka, aza matahotra; hataoko aminao izay rehetra angatahinao; fa fantatr’ izay rehetra ao an-tanànan’ ny fireneko fa vehivavy tsara ianao.
12 И сега, вярно е, че аз съм близък сродник; има обаче друг сродник по-близък от мене.
Ary ankehitriny marina izany, fa havana mahavotra aho; nefa misy havana mahavotra akaiky kokoa noho izaho.
13 Остани тая нощ и утре, ако иска той да изпълни към тебе длъжността на сродник, добре, нека я изпълни; но, ако не иска да изпълни към тебе длъжността на сродник, тогава заклевам се в живота на Господа, аз ще изпълня тая длъжност към тебе. Пренощувай тук.
Mitoera ihany atỳ anio alina, ary rehefa maraina, raha hitondra loloha anao izy, dia tsara izany, aoka izy no hitondra loloha anao; fa raha tàhiny kosa tsy hanao izany izy, dia ho entiko loloha ihany ianao, raha velona koa Jehovah, mitoera ihany atỳ mandra-pahamarain’ ny andro.
14 И тя лежа при нозете му до сутринта, и стана преди да може човек да разпознае човека, защото той рече: Нека не се знае, че жена е дохождала на гумното.
Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain’ ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr’ olona fa tatỳ am-pamoloana ravehivavy.
15 Рече още: Донеси покривалото, което е върху тебе, и дръж го. И като го държеше, той премери шест мери ечемик, та го натовари на нея; и тя си отиде в града.
Dia hoy koa izy: Ento etỳ ny lamba itafianao, ka hazòny izy. Ary rehefa nataony izany, dia namatra vary hordea inenin’ ny famarana Boaza, ka nampitondrainy azy izany. Dia lasa nankany an-tanàna Boaza.
16 И като дойде при свекърва си, тя й каза: Що ти стана, дъщерьо моя. И тя й разправи всичко, що й стори човекът.
Ary rehefa tonga tany amin’ ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy.
17 Каза още: Даде ми тия шест мери ечемик, защото ми рече: Да не идеш празна при свекърва си.
Ary hoy koa izy: Ireto vary hordea inenin’ ny famarana ireto dia nomeny ahy; fa hoy izy tamiko: Aza mandeha tsy mitondra zavatra ho any amin’ ny rafozanao-vavy.
18 А тя рече: Седни, дъщерьо моя, догде видиш как ще се свърши работата; защото човекът няма да се спре, докато не свърши работата още днес.
Dia hoy izy: Mitoera ihany, anaka, mandra-pahafantatrao izay hiantefan’ ny raharaha; fa tsy hijanona ralehilahy, fa hovitainy anio ihany ny raharaha.