< Псалми 118 >
1 Славете Господа, защото е благ, Защото Неговата милост трае до века.
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.
2 Нека каже сега Израил, Че неговата милост трае до века.
Aoka ny Isiraely hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
3 Нека каже сега Аароновият дом, Че Неговата милост трае до века.
Aoka ny taranak’ i Arona hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
4 Нека кажат сега ония, които се боят от Господа, Че Неговата милост трае до века.
Aoka izay matahotra an’ i Jehovah hanao hoe: Mandrakizay ny famindram-pony.
5 В притеснението си призовах Господа; Господ ме послуша и ме постави на широко място.
Tao an-katerena no niantsoako an’ i Jehovah; Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.
6 Господ е откъм мене; няма да се убоя; Що може да ми стори човек?
Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon’ ny olona atao amiko?
7 Господ е откъм мене между помощниците ми; Затова ще видя повалянето на ненавистниците си.
Jehovah no miandany amiko, sady mamonjy ahy; Ary izaho ho faly hahita ny amin’ izay mankahala ahy.
8 По-добре да се надява някой на Господа, А не да уповава на човека.
Tsara ny mialoka amin’ i Jehovah Noho ny mialoka amin’ ny olona.
9 По-добре да се надява някой на Господа, А не да се уповава на князе.
Tsara ny matoky an’ i Jehovah Noho ny matoky ny mpanapaka.
10 Всичките народи ме обиколиха; Но в името Господно ще ги отсека.
Ny firenena rehetra nanodidina ahy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa;
11 Обиколиха ме, да! обиколиха ме; Но в името Господно ще ги отсека.
Nitangorona tamiko ireny, eny, nitangorona tamiko; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
12 Обиколиха ме като пчели, но угаснаха като огън от тръне; Защото в името Господно ще ги отсека.
Nanodidina ahy tahaka ny renitantely izy; Voavono tahaka ny afon-tsilo izy; Fa ny anaran’ i Jehovah no handringanako azy tokoa.
13 Ти, враже, ме тласна силно за да падна; Но Господ ми помогна.
Nanosika ahy mafy hahalavo ahy ianao; Fa Jehovah no namonjy ahy.
14 Сила моя и песен моя е Господ, И Той ми стана избавител,
Jehovah no heriko sy fiderako. Fa efa famonjena ahy Izy.
15 Глас на радост и на избавление се чува в шатрите на праведните; Десницата Господна върши храбри дела.
Ao an-dain’ ny marina ny feo mihoby noho ny famonjena; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery;
16 Десницата Господна се издигна; Десницата Господна върши храбри дела.
Ny tanana ankavanan’ i Jehovah dia misandratra; Ny tanana ankavanan’ i Jehovah mampiseho hery.
17 Аз няма да умра, но ще живея, И ще разказвам делата Господни,
Tsy ho faty aho, fa ho velona Ka hitory ny asan’ i Jehovah.
18 Строго ме наказва Господ, Но на смърт не ме предаде.
Nofaizan’ i Jehovah mafy aho, Nefa tsy natolony ho amin’ ny fahafatesana.
19 Отворете ми портите на правдата; Ще вляза в тях и ще прославя Господа.
Vohay ny vavahadin’ ny fahamarinana aho; Hiditra eo aho ka hidera an’ i Jehovah.
20 Това са Господните порти, В които ще влязат праведните.
Ity no vavahadin’ i Jehovah; Ny marina no hiditra eo.
21 Ще те славословя, защото си ме послушал, И станал си ми избавител.
Hidera Anao aho, fa efa namaly ahy Hianao Ka efa famonjena ahy.
22 Камъкът, който отхвърлиха зидарите, Стана глава на ъгъла,
Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano No efa tonga fehizoro Indrindra.
23 От Господа е това, И чудно е в нашите очи.
Avy tamin’ i Jehovah izany Ka mahagaga eo imasontsika.
24 Тоя е денят, който Господ е направил; Нека се радваме и се развеселим в Него.
Ity no andro nataon’ i Jehovah; Hifaly sy ho ravoravo amin’ izao isika.
25 О Господи! избави, молим се; О Господи! молим се изпрати благоденствие.
Mifona aminao aho, Jehovah ô, vonjeo è! Mifona aminao aho, Jehovah ô, ambino è!
26 Благословен да бъде оня, който иде в името Господно; Благославяме ви от дома Господен.
Hotahina anie izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah; Avy ao an-tranon’ i Jehovah no itsofanay rano anareo.
27 Господ е Бог, Който ни показва светлина; Приведете до роговете на олтара Вързаната с въжета жертва.
Andriamanitra Jehovah ka nampahazava antsika; Rohizo kofehy ny fanati-piravoravoana na dia hatreo amin’ ny tandroky ny alitara aza.
28 Ти си Бог мой, и ще Те славя; Боже мой, ще Те възвишавам.
Andriamanitro Hianao, ka hidera Anao aho; Eny, Andriamanitro, ka hanandratra Anao aho.
29 Славете Господа, защото е благ, Защото Неговата милост трае до века.
Miderà an’ i Jehovah, fa tsara Izy; Eny, mandrakizay ny famindram-pony.