< Лука 8 >

1 И скоро след това Исус ходеше по градове и села да проповядва и да благовестява Божието царство; и с Него бяха дванадесетте ученика,
Ary taoriana kelin’ izany, dia lasa Jesosy nitety ny tanàna sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ ny fanjakan’ Andriamanitra; ary ny roa ambin’ ny folo lahy nanaraka Azy.
2 и някои жени, които бяха изцелени от зли духове и болести: Мария, наречена Магдалина, от която бяха излезли седем бяса,
mbamin’ ny vehivavy sasany, izay nositraniny tamin’ ny fanahy ratsy sy ny aretina, dia Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan’ ny demonia fito,
3 и Иоана жената на Иродовия настойник Хуза и Сусана и много други, които им услужваха с имота си.
sy Johana, vadin’ i Koza, mpitandrina ny fananan’ i Heroda, ary Sosana mbamin’ ny maro hafa koa, izay nanompo azy tamin’ ny fananany.
4 И понеже се събра голямо множество, и дохождаха при Него от всеки град, рече с притча:
Ary nisy vahoaka betsaka niangona, ka nanatona Azy ny olona avy tamin’ ny isan-tanàna, dia nanao fanoharana hoe Izy:
5 Сеячът излезе да сее семето си; и когато сееше, едно падна край пътя; и затъпка се, и небесните птици го изкълваха.
Nivoaka ny mpamafy hamafy ny voa; ary raha namafy izy, ny sasany dia voafafy teny amoron-dalana ka voahitsakitsaka, ary dia lanin’ ny voro-manidina.
6 А друго падна на канарата; и щом поникна изсъхна, защото нямаше влага.
Ary ny sasany dia voafafy teny ambonin’ ny vatolampy; ary raha vao naniry izy, dia nalazo; satria tsy nisy mandomando.
7 Друго пък падна всред тръните; и заедно с него порастнаха тръните и го заглушиха.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tsilo; ary ny tsilo niara-naniry taminy, dia nangeja azy.
8 А друго падна на добра земя и като порастна, даде стократен плод. Като каза това, извика: Който има уши да слуша, нека слуша.
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
9 А учениците Му Го попитаха за значението на тая притча.
Ary ny mpianany nanontany Azy ny amin’ izay hevitr’ izany fanoharana izany.
10 Той каза: На вас е дадено да знаете тайните на Божието царство; а на другите се проповядва с притчи, тъй щото, като гледат, да не виждат, и като слушат, да не разбират.
Dia hoy Izy: Hianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; fa amin’ ny olon-kafa dia fanoharana no atao, mba hijery izy, fa tsy hahita, ary hahare, fa tsy hahafantatra.
11 Прочее, ето значението на притчата: Семето е Божието слово.
Koa izao no hevitry ny fanoharana: Ny voa dia ny tenin’ Andriamanitra.
12 А посяното край пътя са тия, които са слушали; тогава дохожда дяволът и отнема словото от сърцата им, да не би да повярват и се спасят.
Ireo teny amoron-dalana dia izay mandre, nefa avy ny devoly ka manaisotra ny teny ao am-pony, fandrao hino izy ka hovonjena.
13 Падналото на канарата са тия, които, когато чуят, приемат словото с радост; но те, като нямат корен, временно вярват, а когато настане изпитание, отстъпват.
Ireo teny ambonin’ ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’ izay andro isehoan’ ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
14 Падналото всред тръните са ония, които са слушали, и, като си отиват, заглъхват от грижи и богатства и житейски удоволствия и не дават узрял плод.
Ireo teny amin’ ny tsilo dia izay mandre, fa nony mandeha izy, dia voagejan’ ny fiahiahiana sy ny harena ary ny fahafinaretan’ izao fiainana izao ka tsy mahavanom-boa.
15 А посятото на добра земя са тия, които, като чуят словото, държат го в искрено и добро сърце, и дават плод с търпение.
Fa ireo teny amin’ ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny amin’ ny fo sady marina no tsara, dia mitana azy ka mamoa amin’ ny faharetana.
16 И никой, като запали светило, не го покрива със съд, нито го туря под легло, но го туря на светилник, за да видят светлината тия, които влизат.
Tsy misy olona mampirehitra jiro ka manarona azy, na nametraka azy ao ambanin’ ny farafara; fa ataony eo amin’ ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’ izay miditra ny mazava.
17 Защото няма нещо тайно, което не ще стане явно, нито потаено, което не ще се узнае и не ще излезе наяве.
Fa tsy misy takona izay tsy ho hita, na miafina izay tsy ho fantatra sy tsy haseho.
18 Затова, внимавайте как слушате; защото който има, нему ще се даде; а който няма, от него ще се отнеме и това, което мисли че има.
Koa tandremo ny fihainonareo; fa izay manana dia homena; ary izay tsy manana kosa, na dia izay ataony ho ananany aza dia halaina aminy.
19 И дойдоха при Него майка Му и братята Му, но поради множеството не можаха да се приближат до Него.
Ary renin’ i Jesosy sy ny rahalahiny nanatona Azy, fa tsy nahazo nihaona taminy, satria nifanety ny vahoaka.
20 И известиха Му: Майка Ти и братята Ти стоят вън и искат да Те видят.
Ary nisy nilaza taminy hoe: Ny reninao sy ny rahalahinao mijanona ato ala-trano ta-hahita Anao.
21 А Той в отговор им рече: Майка Моя и братя Мои са тия, които слушат Божието слово и го изпълняват.
Fa namaly Izy ka nanao taminy hoe: Ny reniko sy ny rahalahiko dia ireto izay mandre ny tenin’ Andriamanitra ka mankatò azy.
22 А в един от тия дни Той влезе в ладия с учениците Си, и рече им: Да минем на отвъдната страна на езерото. И отплуваха.
Ary tamin’ ny andro anankiray dia niondrana an-tsambokely Jesosy sy ny mpianany; ary hoy Izy taminy: Andeha isika hankeny am-pitan’ ny farihy; dia lasa izy.
23 А като плуваха, Той заспа; и ветрена буря се устреми върху езерото, и вълните ги заплашваха така щото бяха в опасност.
Ary nony nandeha ny sambokely, dia azon’ ny torimaso Jesosy; ary nisy tafio-drivotra nidina tamin’ ny farihy, ka nila ho feno rano ny sambo, ary saiky nahita loza izy ireo.
24 И дойдоха, разбудиха Го и казаха: Наставниче! Наставниче! Загиваме! А Той се събуди и смъмра вятъра и развълнуваната вода; и успокоиха се, и настана тишина.
Ary nanatona izy, dia namoha Azy ka nanao hoe: Tompoko, Tompoko, maty izahay! Dia nitsangana Izy, ka noteneniny mafy ny rivotra sy ny onjan-drano. Ary dia nitsahatra izany, ka tonga tony tsara ny andro.
25 И рече им: Где е вярата ви? А те уплашени се чудеха, и казваха си един на друг: Кой ли ще е Тоя, който заповядва и на ветровете и на водата, и те Му се покоряват?
Ary hoy Izy taminy: Aiza ny finoanareo? Ary natahotra izy ireo sady gaga ka niresaka hoe: Iza moa Ity, no mandidy ny rivotra sy ny rano Izy, ka manaiky Azy izany!
26 И пристигнаха в Герасинската страна, която е срещу Галилея.
Dia nitody tany amin’ ny tanin’ ny Gerasena izay tandrifin’ i Galilia izy.
27 И като излезе на сушата, срещна Го от града някой си човек, който имаше бесове, и за дълго време не беше обличал дреха, и в къщи не живееше, но в гробищата.
Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin’ ny fasana.
28 Той, като видя Исуса, извика, падна пред Него, и рече със силен глас: Какво имаш Ти с мене Исусе, Сине на Всевишния Бог? Моля Ти се недей ме мъчи!
Fa nony nahita an’ i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra ô? masìna Hianao, aza mampijaly ahy.
29 Защото Исус беше заповядал на нечистия дух да излезе от човека. Понеже много пъти бе го прихващал; и връзваха го с вериги и окови и го пазеха; но той разкъсваше връзките, и бесът го гонеше по пустините.
Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin’ ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.
30 Исус го попита: Как ти е името? А той каза: Легион, защото много бесове бяха влезли в него.
Ary Jesosy nanontany azy ka nanao hoe: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Legiona; fa demonia maro no efa niditra tao anatiny.
31 И молеха Го да не им заповяда да отидат в бездната. (Abyssos g12)
Ary nifona taminy izy mba tsy handidiany azy hankany amin’ ny lavaka tsy hita noanoa. (Abyssos g12)
32 А там имаше голямо стадо свини, което пасеше по хълма, и бесовете Го помолиха да им позволи да влязат в тях. И позволи им.
Ary nisy kisoa maro andiany iray nandrasana teny an-tendrombohitra, ary ny demonia nifona taminy mba havelany hiditra ao anatiny. Dia nekeny.
33 И като излязоха бесовете из човека и влязоха в свините, стадото се спусна по стръмнината в езерото и се издави.
Ary ny demonia, rehefa nivoaka tamin-dralehilahy, dia niditra tao anatin’ ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva tamin’ ny hantsana ho any amin’ ny farihy, ka dia maty tany.
34 А свинарите, като видяха станалото, прибягнаха и известиха за това в града и в селата.
Ary nony hitan’ ny mpiandry izany natao izany, dia nandositra izy ka nilaza izany tao an-tanàna sy tany an-tsaha.
35 И като излязоха да видят станалото и дойдоха при Исуса, намериха човека, от когото бяха излезли бесовете, седнал при Исусовите нозе, облечен и смислен; и изплашиха се.
Dia nivoaka ny olona mba hizaha izany natao izany; ary tonga tany amin’ i Jesosy izy, dia nahita an-dralehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia, fa indro izy nipetraka teo anilan’ ny tongotr’ i Jesosy nitafy lamba sady ary saina; dia raiki-tahotra ireo.
36 И тия, които бяха видели това, разказаха им как излекувал бесния.
Ary izay efa nahita dia nanambara tamin’ ny olona ny namonjena an’ ilay demoniaka.
37 И цялото множество от Герасинската околност Му се помоли да си отиде от тях, защото бяха обзети от голям страх; и Той влезе в ладията и се завърна.
Ary ny olona rehetra tany amin’ ny tanin’ ny Gerasena manodidina dia nangataka an’ i Jesosy hiala aminy, satria raiki-tahotra indrindra izy; ary Jesosy niondrana an-tsambokely ka niverina.
38 А човекът, от когото бяха излезли бесовете, молеше Му се да бъде с него; но Исус го изпрати като каза:
Ary ny lehilahy izay efa nivoahan’ ny demonia dia nangataka mba hitoetra ao aminy; nefa nampodin’ i Jesosy izy ka nataony hoe:
39 Върни се у дома си и разкажи, какви неща ти стори Бог. И той отиде и разгласи по целия град, какви неща му стори Исус.
Modia ihany any an-tranonao, ka ambarao ny zavatra lehibe nataon’ Andriamanitra taminao. Dia nandeha izy ka nitory eran’ ny tanàna izay zavatra lehibe nataon’ i Jesosy taminy.
40 А когато се върна Исус, народът Го посрещна радостно, защото всички Го чакаха.
Ary nony tafaverina Jesosy, dia nandray Azy tsara ny vahoaka, fa niandry Azy avokoa izy rehetra.
41 И, ето, дойде един човек на име Яир, който беше началник на синагогата, и падна пред Исусовите нозе и Му се молеше да влезе в къщата му;
Ary, indro, dia tonga ny lehilahy atao hoe Jairo, mpanapaka ny synagoga; dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka niangavy taminy hiditra ao an-tranony.
42 защото имаше едничка дъщеря, на около дванадесет години, и тя беше на умиране. И когато отиваше, народът Го притискаше.
Fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin’ ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy. Ary raha nandeha Jesosy, dia nanety lalana Azy ny vahoaka.
43 И една жена, която имаше кръвотечение от дванадесет години, и бе иждивила за лекари целия си имот, без да може да се излекува от никого,
Ary nisy vehivavy anankiray narary roa ambin’ ny folo taona, izay efa nandany ny fananany rehetra tamin’ ny mpanao fanafody, nefa tsy nisy nahasitrana azy akory.
44 се приближи изотзад та се допря до полата на дрехата Му; и на часа престана кръвотечението -.
Dia nankao ivohon’ i Jesosy ravehivavy ka nanendry ny somotraviavin-dambany, ary niaraka tamin’ izay dia nijanona ny aretiny.
45 И рече Исус: Кой се допря до Мене? И когато всички се отричаха, Петър и ония, които бяха с Него, казаха: Наставниче, народът Те притиска и гнети, [а Ти казваш: Кой се допря до Мене?]
Ary hoy Jesosy: Iza moa no nanendry Ahy? Ary rehefa samy nandà izy rehetra, dia hoy Petera sy ny namany: Tompoko, ny vahoaka betsaka mifanety ka manizina Anao.
46 Но Исус каза: Някой се допря до Мене; защото Аз усетих, че сила излезе от Мене.
Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
47 И жената, като видя, че не се укри, дойде разтреперана и падна пред Него и извика пред всичките люде, по коя причина се допря до Него, и как на часа оздравя.
Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra izay anton’ ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin’ izay.
48 А той - рече: Дъщерьо, твоята вяра те изцели; иди си с мир!
Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.
49 Докато Той още говореше, дохожда някой си от къщата на началника на синагогата и казва: Дъщеря ти умря; не затруднявай Учителя.
Ary raha mbola niteny Jesosy, dia tonga ny anankiray avy tany amin’ ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Maty ny zanakao-vavy; aza manahirana ny Mpampianatra.
50 А Исус като дочу това, отговори му: Не бой се; само вярвай, и тя ще се избави.
Fa Jesosy, raha nahare, dia namaly azy ka nanao hoe: Aza matahotra; minoa fotsiny ihany, dia ho velona izy.
51 И когато дойде в къщата, не остави никой да влезе с Него, освен Петра, Иоана, Якова и бащата и майката на момичето.
Ary raha tonga tao an-trano Izy, dia tsy nisy olona navelany hiara-miditra taminy, afa-tsy Petera sy Jaona ary Jakoba mbamin’ ny ray aman-drenin-drazazavavy.
52 И всички плачеха и го оплакваха. А Той им рече: Не плачете; защото не е умряло, а спи.
Ary ny olona rehetra nitomany sy nisaona azy; fa Jesosy nanao hoe: Aza mitomany; fa tsy maty izy, fa matory.
53 А те Му се присмиваха, понеже знаеха, че е умряло.
Dia nihomehy Azy fatratra ny olona satria fantany fa efa maty razazavavy.
54 Но Той го хвана за ръката, и извика: Момиче, стани!
Ary Jesosy dia nandray ny tànany ka niantso hoe: Ry zazavavy, miarena.
55 И върна се духът му, и то на часа стана; и Той заповяда да му дадат нещо да яде.
Dia nody indray ny ainy, ka niarina niaraka tamin’ izay izy; ary nasainy nomena hanina izy.
56 И родителите му се учудиха; а Той им заръча да не казват никому за станалото.
Ary dia talanjona ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara ary tsy hilazalaza amin’ olona ny zavatra efa natao.

< Лука 8 >